Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
“Ianareo no namako”
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2024


10:49

“Ianareo no namako”

Nampianatra ny Mpamonjy fa rehefa “antsoina ho amin’ny filazantsara[ny] maharitra mandrakizay [isika] ary manao fanekena amin’ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay, dia isaina ho toy ny siran’ny tany [isika].”

Ao amin’ny tontolo feno fifandirana sy fisaratsarahana, izay ahitana fa ny fifandraisana amim-panajana dia nosoloana ho fitsarana sy fanesoana, ary ny finamanana dia voafaritra amin’ny alalan’ny -isma sy ny -ita, dia lasa fantatro fa misy ohatra mazava sy tsotra ary masina azontsika jerena ho an’ny firaisankina sy fitiavana ary ny fahatsapana ho manana toerana. I Jesoa Kristy izany ohatra izany. Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no ilay Mpampiray.

Namany isika

Tamin’ny volana desambra 1832, rehefa nanomboka “niharihary kokoa” ireo “endrika adiady nanerana ireo firenena” noho izay nisy hatrizay hatramin’ny fotoana nananganana ny Fiangonana, dia nivory ireo Mpitarika Olomasin’ny Andro Farany tao Kirtland, Ohio mba hanao fihaonambe. Nivavaka “nitokana sy tamin’ny feo avo tamin’ny Tompo izy ireo, [nosoloin’ny olona iray tena], mba hanambarany ny sitrapony amin’[izy ireo].” Ho fanekena ny vavak’ireo mpikambana mahatoky ireo nandritra ny fotoan-tsarotra dia nampionona azy ireo ny Tompo, ka niantso ny Olomasina intelo tamin’ny teny mafonja roa—“ry sakaizako.”

Efa hatry ny ela i Jesoa Kristy no niantso ireo mpanara-dia Azy mahatoky hoe sakaizany. Nampiasain’ny Mpamonjy inefatra ambin’ny folo ny teny hoe sakaiza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mba hamaritana fifandraisana masina sy ankamamiana. Tsy miresaka momba ny teny hoe namana araka ny famaritan’izao tontolo izao azy aho—natao ho an’ireo mpanaraka ao amin’ny tambajotran-tserasera na ireo “j’aime.” Tsy azo faritana amin’ny hashtag na ny isana mpanaraka ao amin’ny Instagram na ny X (Twitter taloha) izany.

Ekena fa tamin’ny fahatanorako dia tsaroako ireo resaka nampatahotra rehefa nandre ireo teny maharary hoe “He! mety ve raha mpinamana fotsiny isika?” na hoe “aleo mijanona ho mpinamana fotsiny.” Tsy misy na aiza na aiza ao amin’ny soratra masina handrenesantsika Azy miteny hoe: “Ianareo dia namako fotsiny”. Nampianatra kosa izy hoe: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” Ary koa, “Ianareo no ireo izay efa nomen’ny Raiko Ahy; ianareo no namako.”

Mazava ilay fahatsapana—ny Mpamonjy dia manisa antsika tsirairay ary miambina antsika. Ity fiahiana ity dia tsy hoe ataotaony fahatany fotsiny na tsy misy dikany. Fa mampisandratra sy mampisondrotra ary mandrakizay kosa. Mahita ny fanambaran’ny Mpamonjy hoe “Ianareo no namako” aho ho toy ny antso mazava mba hamolavola fifandraisana ambony sy masina kokoa eo anivon’ny zanak’ Andriamanitra rehetra “mba hahatonga antsika ho iray.” Ho vitantsika izany rehefa mikatsaka miaraka ny fahafahana miray hina sy ny fahatsapana ho manana toerana ho an’ny rehetra isika.

Iray ao Aminy isika

Naneho izany tamin’ny fomba kanto ny Mpamonjy tamin’ny antsony hoe: “avia, manaraha Ahy.” Nampiasa ireo fanomezam-pahasoavana sy toetra manokana ananan’ny vondrona mpanara-dia isan-karazany Izy mba hiantsoana ireo Apôstôliny. Niantso mpanarato Izy, Zelota, mpirahalahy fantatra amin’ny fananana toetra tena mazoto izaitsizy, ary mpamory hetra mihitsy aza. Nampiray azy ireo ny finoany ny Mpamonjy sy ny fanirian’izy ireo hanatona Azy. Nikatsaka ny fitarihan’ Andriamanitra avy amin’i Jesoa kristy izy ireo sy nahita an’ Andriamanitra tamin’ny alalany, ary “dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy”.

Izaho ko dia nahita fa ny fananganana fifandraisana mihaja sy masina kokoa dia mampiray antsika. I Jennifer vadiko sy ny tenako dia voatahy mba hitaiza ireo zanakay lahy sy vavy dimy tao amin’ny tanànan’i New York. Tao amin’io tanàn-dehibe be mponina io, dia nanangana fifandraisana sarobidy sy masina tamin’ireo mpifanolobodirindrina, namana tany an-tsekoly, mpiara-miasa, mpitondra fivavahana avy amin’ny finoana samihafa ary ireo Olomasina mpiara-belona izahay.

Tamin’ny mey 2020, raha niady mafy tamin’ny fihanaky ny areti-mifindra maneran-tany izao tontolo izao, dia novoriana an-tsolosaina tampoka ny mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny mpitondra fivavahana avy amin’ny finoana samihafa tao New York. Tsy nisy fandaharam-potoana voarafitra. Tsy nisy vahiny manokana nasaina. Fangatahana fotsiny mba hiaraha-misa sy hifanakalo hevitra momba ireo fanamby natrehanay rehetra amin’ny maha-mpitondra fivavahana anay. Vao avy nitatitra ny Foibe Fanaraha-maso ny aretina fa ny tanànanay no faritra tena ihomboan’ny valanaretina COVID-19 teto Etazonia. Midika izany fa tsy hisy intsony fiangonana. Tsy hisy intsony fivoriana mivantana.

Ho an’ireo mpitondra fivavahana ireo, ny fanesorana ny fanompoan’ny tena manokana sy ny fiangonan’ny daholobe ary ny fitsaohana isan-kerinandro dia dona nandravarava. Nifampihaino sy nifampionona ary nifanohana ny vondrona kely iray nisy anay, anisan’izany ny kardinaly, ny réverend, ny raby, ny imam, ny pasitera, ny mpampianatra, ary ny loholona iray. Tsy nifantoka tamin’ny tsy fitovianay izahay, fa niara-nahatakatra ny zavatra niombonanay kosa. Niresaka momba ny zavatra azo atao izahay, ary avy eo ireo vina. Niray hina izahay ary namaly ireo fanontaniana momba ny finoana sy ny hoavy. Dia nivavaka izahay avy eo. Eny, tena nivavaka mafy.

Tao amin’ny tanàna iray feno karazan-javatra feno fifamahofahoana sy kolontsaina mifanipaka, dia hitanay fa levona ny tsy fitovian-kevitray rehefa niara-niasa tamin’ny naha mpinamana tamin’ny feo iray sy tanjona iray ary vavaka iray izahay.

Tsy nifantoka tamin’ny tsy fitoviany intsony ny tsirairay, fa niray saina nangataka fanampiana tamin’ Andriamanitra kosa. Niray saina kokoa izahay isaky ny fivoriana manaraka ary niomana hanatanteraka asa fanompoana. Ny fiaraha-miasa naterak’izany sy ny asa fanompoana natao ho an’ny mponin’i New York an’arivony dia nampianatra ahy fa ao anatin’ny tontolo iray mitaky fisaraham-bazana, fifanalavirana, ary fihalangalanana, dia misy betsaka kokoa hatrany ireo zavatra mampiray antsika noho ny mampisara-bazana antsika. Niangavy ny Mpamonjy hoe: “Aoka ho iray ianareo; ary raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy.”

Ry rahalahy sy anabavy, tsy maintsy manajanona ny fitadiavana ireo antony mampisara-bazana isika ary hikatsaka kosa ny fahafahana mba “ho iray”. Nitahy antsika tamin’ny fanomezam-pahasoavana sy toetra tsy manam-paharoa Izy, izay mamporisika antsika hifampianatra ary ny fivoaran’ny tena manokana. Matetika aho no niteny tamin’ny mpianatro eny amin’ny oniversite fa raha manao izay ataonareo aho ary manao izay ataoko ianareo, dia tsy mifampila isika. Kanefa satria tsy manao izay ataoko ianareo ary tsy manao izay ataonareo aho, dia mifampila isika. Ary izany fifampilana izany no mampiray antsika. Ny mampisara-bazana sy manjakazaka no drafitry ny fahavalo mba handravana ny finamanana sy ny fianakaviana ary ny finoana. Ny Mpamonjy kosa no mampiray.

Manana toerana ao Aminy isika

Iray amin’ireo fitahiana nampanantenain’ny hoe “lasa iray” ny fahatsapana mahery vaika ho manana toerana. Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook fa “ny fototry ny hoe tena manan-toerana ao amin’ny vondrona iray dia ny hoe iray ao amin’i Kristy.”

Tamin’ny fitsidihako niaraka tamin’ny fianakaviako vao haingana tany Ghana, tany Afrika Andrefana, dia nahasarika ahy ny fomba amam-panao teo an-toerana iray. Rehefa tonga tany am-piangonana na tao an-trano izahay, dia notsenaina tamin’ny teny hoe “tonga soa ianareo”. Rehefa naroso ny sakafo, dia nilaza ny mpampiantrano anay hoe: “Voasa ianareo.” Ireo fiarahabana tsotra ireo dia natao tamin’ny fo feno finiavana sy nahim-po tanteraka. Tonga soa ianareo. Voasa ianareo.

Mametraka filazana masina mitovy amin’izany isika eo amin’ny varavaran’ny trano fivoriantsika. Tsy ampy anefa ilay soratra hoe Tonga soa ny mpitsidika. Moa ve isika mandray am-pitiavana izay rehetra miditra eo am-baravarana? Ry rahalahy sy anabavy, tsy ampy ny mipetraka eo amin’ny dabilio fotsiny. Tsy maintsy manaraka ny antson’ny Mpamonjy isika mba hanangana fifandraisana mihaja sy masina kokoa eo amin’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra. Tsy maintsy maneho ny finoantsika amin’ny asa isika! Nampahatsiahy ahy matetika ny raiko fa ny fipetrahana eo amin’ny dabilio fotsiny amin’ny alahady dia tsy hahatonga anao ho Kristianina tsara, toy ny hoe ny matory ao anaty garazy dia tsy hahatonga anao ho lasa fiara.

Tsy maintsy miaina ny fiainantsika amin’ny fomba tsy hahitan’izao tontolo izao antsika isika fa hahitany amin’ny alalan’ny asantsika an’i Jesoa Kristy kosa. Tsy ny alahady ihany no hanaovana izany. Eny amin’ny fivarotana enta-madinika, tobin-dasantsy, fivorian-tsekoly, fivoriana tsotra ataon’ny mpiara-monina—ny toerana rehetra iasana sy iainan’ny zanak’ Andriamanitra rehetra, vita batisa na tsia, no hanaovana izany.

Mitsaoka isika ny alahady ho fampahatsiahivana fa mifampila isika ary miaraka mila Azy. Ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta tsy manam-paharoa ananantsika izay mampiavaka antsika amin’ity tontolo ara-nofo ity dia mampiray antsika amin’ny toerana masina iray. Niantso antsika ny Mpamonjy mba hifanampy sy hifanandratra ary hifankahery. Izany no nataony rehefa nanasitrana ilay vehivavy nitsi-drà Izy,nanadio ilay boka izay nitalaho ny famindram-pony,nanoro hevitra ilay printsy tanora izay nanontany hoe inona koa no tsara hafa azony atao,nitia an’i Nikodemosy izay nahafantatra nefa narefo finoana,ary niara-nipetraka tamin’ilay vehivavy teo am-pantsakana Izy, izay tsy araka ny fomban’ny fiarahamonina tamin’izany andro izany, izay nanambarany ny iraka maha-Mesia Azy. Izany no atao hoe fiangonana amiko—toerana iray fanangonana sy fanasitranana, fanamboarana ary fifantohana indray. Araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson: “Ny haraton’ny filazantsara no harato faran’izay lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao. Manasa ny rehetra hanatona Azy Andriamanitra. … Misy toerana ho an’ny rehetra ao.”

Ny olona sasany dia mety efa nanana traikefa izay mahatonga anao hahatsapa fa tsy manana anjara toerana ao ianao. Satria ny tanjon’i Kristy dia miantso antsika miaraka amin’ity fampanantenana maharitra mandrakizay ity: “Mankanesa atỳ amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.” Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no toerana tonga lafatra ho antsika. Ny fahatongavana any am-piangonana dia manome fanantenana hoavy mahafinaritra, fampanantenana fa tsy irery ianao, ary mpiara-mivavaka izay mila antsika tahaka ny ilantsika azy. Nanambara ny Loholona D. Todd Christofferson fa “ny maha iray antsika ao amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina no tsy isalasalana fa faratampony amin’ny fahatsapana ho manana toerana.” Ho an’izay rehetra nandao sy mitady fahafahana hiverina dia manolotra fahamarinana sy fanasana mandrakizay aho: Manana toerana ianareo. Miverena. Fotoana izao.

Ao anatin’ny tontolo mifanditra sy misaratsaraka iray, dia mijoro ho vavolombelona aho fa ny Mpamonjy Jesoa Kristy no ilay mpampiray lehibe. Manasa antsika tsirairay avy aho mba ho mendrika ny fanasan’ny Mpamonjy mba “ho iray” ary hanambara amim-pahasahiana toy ny nataony hoe “Ianareo no namako.” Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.