Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ireo andro izay tsy hohadinoina na oviana na oviana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2024


14:19

Ireo andro izay tsy hohadinoina na oviana na oviana

Ireo fotoana ho avy dia hanolotra fahafahana bebe kokoa ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana na aiza na aiza hizarana ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Teny fanolorana

Ry rahalahiko sy ranabaviko malala, mahatalanjona ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ity fotoampitantanana ity sy ireo tranga masina izay maneho ny fomba nitarihan’ny Tompo ny Fiangonany. Misy folo taona anefa teo amin’ny tantarantsika izay tena niavaka indrindra mihoatra noho ny hafa rehetra, dia ny folo taona nanomboka tamin’ny 1820 ka hatramin’ny 1830. Nanomboka tamin’ny zavatra niainan’ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ilay Alakely Masina ny lohataonan’ny 1820 raha nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany izy, ary nitohy hatramin’ny 6 aprily 1830. Tsy nitovy tamin’ny hafa rehetra izany folo taona izany.

I Môrônia nanolotra ireo takela-bolamena.
Ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka.
I Oliver Cowdery.

Diniho kely ireo zava-nitranga miavaka ireo! Niresaka tamin’ny anjely Môrônia ny mpaminany vao herotrerony, nandika ireo takela-bolamena, ary namoaka ny Bokin’i Môrmôna! Izy no fitaovana izay namerenana tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka, dia nanangana ny Fiangonana izy avy eo! Tena tsara no namariparitan’i Oliver Cowdery izany vaninandro izany: “Andro izay tsy hohadinoina na oviana na oviana ireny.” Mitohy hatramin’izao andro izao mihitsy ireo zava-mitranga mahagaga.

Tena feno fahasahiana aho milaza aminareo fa ity taona ity no hanokafana folo taona izay mety ho hita fa manan-danja toy ireo hafa rehetra nanomboka tamin’ilay folo taona niorenan’ny Fiangonana efa ho taon-jato roa lasa izay.

Ny folo taona diavintsika

Aoka hazavaiko izany. Manomboka izao 2024 izao ka hatramin’ny 2034 dia hiaina tranga maro manan-danja isika, izay hiteraka fahafahana tsy mbola nisy toy izany hanompo sy hiray hina amin’ireo mpikambana sy namana, ary hampahafantarana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’olona maro kokoa noho ny teo aloha.

Ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny Filoha Nelson.

Vao avy nanatri-maso ny herin’ny fotoana iray tena manan-tantara isika raha niara-nankalaza tamin’olona am-polo tapitrisany maro ny tsingerin-taona faha-100 nahaterahan’ny Filoha Russell M. Nelson.

Raha nanao tatitra momba ny tsingerin-taonan’ny Filoha Nelson ny gazety Newsweek dia nanoratra matoan-dahatsoratra izay mivaky hoe: “Feno 100 taona ny mpitarika fivavahana zokiolona indrindra manerana izao tontolo izao.” Avy eo dia notanisain’izy ireo ireo mpitarika finoana 10 antitra indrindra—ka ny Filoha Nelson no voalohany teo amin’ny lisitra izay nahitana koa ny Papa François sy ny Dalaï Lama.

Ity fanambarana avy tamin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny New York Times ity dia maneho kokoa ny fipakany maneran-tany: “Ao anatin’ny vanim-potoana fifidianana filoham-pirenena [an’i Etazonia] izay niteraka fandinihan-tena mahakasika ny fahanterana sy ny fahafaha-mitarika, ny dingana tratran’ Andriamatoa Nelson dia toa maneho, raha ny ao amin’ny fiangonany aloha, fa ny tsingerin-taona ahitana tarehimarika telo dia tsy mampiahiahy loatra. Mbola olona mamy hoditra ihany izy eo anivon’ireo mpikamban’ny fiangonana izay tsy mandray azy tsy ho toy ny mpitarika fotsiny fa ho -mpaminany sy mpahita ary mpanambara- ihany koa.”

Feno fankasitrahana tokoa isika fa nanome antsika fahafahana hampahafantatra ny mpaminanin’ Andriamanitra tamin’izao tontolo izao iny tsingerin-taona miavaky ny Filoha Nelson iny, fankalazana izay tsy hohadinoina na oviana na oviana.

Tokontany malalaky ny birao foiben’ny Fiangonana nohavaozina.

Teo am-panombohan’ity lohataona ity no nampisehoana voalohany ny tokontany malalaky ny Temple Square nasiam-panavaozana, ahitana ny rantin’ireo sainan’izao tontolo izao maneho ireo firenena izay nahazoan’ny Fiangonana fankatoavana. Ny fidirana ao amin’ilay tokontany malalaka dia ahitana tsangambato vita amin’ny granita izay ahitana ireto teny faminaniana ireto voasoratra eo aminy: “Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’[ny Tompo] dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra, ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny [firenena] rehetra hitanjozotra hankany.”

Azo antoka fa ireo tranga lehibe izay ho tonga ato anatin’ny 10 taona ho avy dia endrika iray maneho fa eo an-dalam-pahatanterahana io faminanian’ Isaia io.

Ny Tempolin’i Salt Lake.

Diniho ny isan’ireo varavarana misokatra sy fanokanana tempoly mbola tsy nisy betsaka toy izany izay azo heverina fa hitranga ato anatin’ny folo taona manaraka, mety hahatratra tempoly 164 ary mbola hitombo. Alaivo sary an-tsaina hoe am-polo tapitrisany aminareo sy ny namanareo no mandeha ao amin’ny tranon’ny Tompo. Ny ivo ara-tandindon’ireo tranga ireo dia ny famerenana ny fanokanana ny Tempolin’i Salt Lake indray sy ireo hetsika manodidina izany. Azo antoka fa ho andro tsy hohadinoina na oviana na oviana ireo.

Ny fiorenan’ny Fiangonana.

Ny taona 2030 dia hitondra fahafahana maneran-tany hankalazana ny faha roanjato taona niorenan’ny Fiangonana. Na dia aloha loatra aza izao ka tsy ahafahana milaza izay fomba hanamarihan’ny Fiangonana izany dingana manan-danja izany, dia azo antoka fa izany dia hahafahantsika manasa fianakaviana sy namana sy mpiara-miasa ary vahiny manan-kaja mba “ho avy ka hizaha” ary hahatakatra tsara kokoa ny fiantraikany mahery ananan’ny Fiangonana eo amin’ny fiainan’ny mpikamban’ny Fiangonana.

Ny Lalao Olympika nandritry ny Ririnina 2002 ao Salt Lake City.

Amin’ny 2034 dia olo-manan-kaja sy vahiny ary atleta an’arivony maro avy amin’izao tontolo izao no hanenika ireo araben’i Salt Lake City, sehatra hanatanterahana ny Lalao Olympika mandritry ny Ririnina. Angamba tsy misy fanehoana firaisan-kina maneran-tany lehibe kokoa mihoatra noho ny mandritra ny Lalao Olympika. Hifantoka amin’ny Fiangonana sy ireo mpikambana ao aminy ny mason’izao tontolo izao, ka manolotra fahafahana marobe hanao asa an-tsitrapo sy hanompo ary hizara vaovao mahafaly amin’ny alalan’ny asa feno hatsaram-panahy; hetsika iray tsy hohadinoina na oviana na oviana.

Ireo fotoana ho avy ireo dia hanolotra fahafahana bebe kokoa ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana na aiza na aiza hizarana ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny teny sy ny atao; folo taona tsy hohadinoina na oviana na oviana.

Vaovao mahafaly

Nandritra ny fivoriana iray herinandro vitsy talohan’ny tsingerin-taonany dia nozarain’ny Filoha Nelson ny antony hankamamiany ny andian-teny hoe “vaovao mahafaly.” Raha vao henoina, hoy izy, dia maneho fifaliana sy fahasambarana ilay andian-teny. Saingy ny hoe “vaovao mahafaly” dia mampita zavatra mihoatra lavitra noho izany. Nanazava izy fa io andian-teny io dia avy amin’ny teny Grika ifotony manao hoe euangelion, izay midika ara-bakiteny hoe ny “vaovao tsara” na ny “filazantsara.” Ny fahasambarana sy fifaliana amin’ity fiainana ity sy ny fiainana manaraka dia mifandray foana amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Araka izany, ilay teny hoe “vaovao mahafaly” dia mamoaka an’ireo hevitra roa ireo amin’ny fomba mahavariana.

“Misy ny [lehilahy, sy ny vehivavy] mba hahazo fifaliana.” Nanolotra ny drafitry ny fahasambarana ny Ray any An-danitra mba hisian’ny fifaliana amin’ny alalan’ireo fitahiana avy Aminy. Tafiditra ao anatin’izany ny fiainana eo anatrehany mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviana. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ivon’ny drafitry ny famonjena an’ Andriamanitra. Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy manatona an’i Kristy isika. Rehefa manatona an’i Kristy isika ka manampy ny hafa hanao torak’izany koa, dia mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana isika.

Ity hafatry ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ity no hafatra manan-danja indrindra eto an-tany. Ary eo no miditra an-tsehatra ireo tanora olon-dehibe sy zatovon’ny Fiangonana.

Ho zatovo mahery!

Na dia tena marina aza fa ho feno andro tsy hohadinoina na oviana na oviana ity folo taona ho avy ity ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay, dia tena ho marina kokoa izany ho anareo taranaka vao misondrotra. Tonga eto an-tany ianareo amin’izao fotoana izao satria voafidy ny ho eto amin’izao fotoana izao. Manana ny tanjaka sy ny fahaizana ianareo ho tonga mpianatr’i Kristy amin’ny fomba tsy mbola nisy hatrizay.

Nampianatra ny Filoha George Q. Cannon hoe: “Notehirizin’ Andriamanitra ho an’ity fotoampitantanana ity ireo fanahy izay manana ny risi-po sy fahavononana hiatrika izao tontolo izao sy ireo hery rehetran’ilay ratsy, [ary] … hanangana ny Zionan’ilay Andriamanitsika ka tsy matahotra izay rehetra mety ho vokany.”

Ho an’izany tanjona izany dia maniry aho ny hiresaka aminareo taranaka vao misondrotra, ka manasa anareo hisaintsaina fa tena hampientanentana ity folo taona ho avy ity, ho folo taona tsy hohadinoina na oviana na oviana ho anareo. Manolotra ihany koa aho teny tsotra vitsivitsy feno torohevitra sy fankaherezana izay mety hampatanjaka anareo mandritra ity folo taona ho avy ity.

Tahaka ny ankamaroanareo dia manana finday aho izay indraindray tsy angatahina akory dia manambatra andian-tsary ho lasa horonan-tsary fohy mampiseho izay zavatra nataoko tamin’ny andro iray manokana. Manaitra hatrany ny mahita hoe hatraiza ny fiovana nisy teo amiko sy ny fianakaviako tao anatin’ny taona vitsy monja.

Alaivo sary an-tsaina ange ireo sary izay hatolotry ny findainao ao anatin’ny 10 taona manomboka izao e! Mety ho hitanareo ianareo afaka baka na mahavita fianarana ambony, sy mandray fanafiana masina, sy mandeha mitory filazantsara, sy manambady, ary miteraka ny zanakareo voalohany. Ho anareo manokana izany dia ho folo taona tsy hohadinoina na oviana na oviana. Fa mbola ho roa avo heny izany raha miezaka amim-pahavitrihana ianareo ho tonga fahazavana ho an’izao tontolo izao mikasika ny fomba ahafahan’ireo vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mitondra harena sy hatsarana tsy ho an’ny fiainanareo ihany fa ny an’ny fianakavianareo sy ny namanareo ary ireo mpanaraka anareo eny amin’ny tambajotran-tserasera ihany koa.

Mety manontany tena ianareo hoe ahoana no hanaovana izany.

Nampianatra antsika ireo mpaminanin’ Andriamanitra fa izany dia atao amin’ny alalan’ny zavatra atao tsotra anankiefatra, antsoina hoe ireo andraikitra voatendrin’ Andriamanitra: voalohany, miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy; faharoa, mikarakara ireo sahirana; fahatelo manasa ny rehetra handray ny filazantsara; ary fahefatra, mampitambatra ny fianakaviana ho mandrakizay. Tsara ho marihana fa izy tsirairay ireo dia azo tanterahina amin’ny fomba farany izay tsotra sy mandeha ho azy.

Andraikitra voatendrin’ Andriamanitra

Mampanantena anareo aho fa ho folo taona tsy hohadinoina na oviana na oviana izany ho anareo raha miroboka amin’ireo andraikitra efatra voatendrin’ Andriamanitra ireo ianareo. Andeha ho dinihantsika izay mety ho dikan’izany.

Ireo andraikitra efatra napetrak’ Andriamanitra.
Zatovovavy mivavaka.

Voalohany, miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Halalino ny tenin’ireo mpaminany ary mianara mitia ny Rainareo any An-danitra. Atongilano Aminy ny fonareo ary miezaha mandeha amin’ny lalany. Aoka ianareo ho entanin’ilay “fitokiana amin’ny fanekempihavanana” araka ny nofariparitan’ny Loholona Ulisses Soares. Io fitokiana io dia azo amin’ny fanaovana fanekempihavanana hanara-dia an’i Jesoa Kristy, ka mahafantatra fa ny Mpamonjy ho setrin’izany dia hampahery sy hanohana anareo.

Aoka ireo namanareo hahita ny fifaliana izay tsapanareo noho ny fiainana ny filazantsara ary ianareo no ho hafatry ny filazantsara tsara indrindra voarain’izy ireo hatrizay.

Faharoa, manolora tanana amim-pangorahana hikarakarana ireo sahirana. Ny taranaka misy anareo dia miraharaha mihoatra noho ny mahazatra an’ireo izay niangaran’ny vintana. Isaky ny misy loza mitranga ka mihazakazaka ireo mpikamban’ny Fiangonana hanampy hanala ireo korotam-bato sy hampionona ireo traboina, dia toa zatovo na tanora roapolo taona mahery eo ho eo no ankamaroan’ireo mpisalotra akanjo “Manome Tanana”. Efa ao anatinareo izany hoe “mifampitondra ny enta-mavesatra” sy “mampionona ireo izay mila fampiononana” izany. Ny fanaovantsika izany dia “[mahatanteraka] ny lalàn’i Kristy.”

Ankizy manangona kaonfitira ho an’ny sahirana.

I Evan, zazalahy kely ao amin’ny kilonga dia nanapa-kevitra ny handany ny fialantsasatra fahavaratry ny sekoly hanangonana ireo vokatra fanaovana mofo sy totom-boanjo sy kaonfitira ho atolotra ny toby fanangonan-tsakafo eo an-toerana. Tao amin’ny tranonkalan’ny JustServe no nahitany an’io tetikasa io. Nanentana ny kilasiny iray manontolo i Evan kely hanampy amin’ny fanangonana kaonfitira 700 tavoahangy! Avelao ireo olona ampianao hahafantatra fa ny fisahirananao momba azy ireo dia mifototra amin’ny fitiavanao an’ Andriamanitra sy ny fanirianao hitia ny namanao tahaka ny tenanao.

Misiônera ao Brésil.

Fahatelo, manasa ny rehetra handray ny filazantsara. Nanokatra misiôna 36 vaovao maneran-tany isika tamin’ity taona ity mba handraisana ireo rehetra izay maniry hanompo amin’ny fotoana feno. Ao anatin’ny vanim-potoana hialan’ny tanora maro amin’izay mety ho hetsika ara-pivavahana ôfisialy, dia tena mendri-piderana izany ary manambara ny maha lehibe tokoa ny fijoroana ho vavolombelona anananareo. Na manompo amin’ny fotoana feno ianareo na tsia, dia tanteraho ny fahafahanareo lehibe hitaona ireo namanareo rehefa mitia sy mizara ary manasa azy ireo hamantatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianareo.

Zatovo ao amin’ny Tempolin’i Preston Angletera.

Fahefatra, mampitambatra ny fianakaviana ho mandrakizay. Rehefa mitsidika ireo tempoly manerana izao tontolo izao aho dia finaritra mahita ny efitrano hijoroana fotsiny izay rakotra zatovo miandry eo amin’ny dobo fanaovam-batisa sy ny isan’ny tanora olon-dehibe tsy mitsaha-mitombo mirotsaka ho mpanatanteraka ôrdônansy. Vao tsy ela akory izay no nisy andian’olona maherin’ny 600 isa eo ho eo avy any Ekôsy sy Irilandy nanao dia nankany amin’ny Tempolin’i Preston, Angletera, nanatanteraka ôrdônansy maherin’ny 4000, ka maro tamin’izany no razamben’ izy ireo manokana efa nodimandry! Miangavy anareo aho ho lasa mpanao tantaram-pianakaviana mavitrika, handany fotoana any amin’ny tempoly ary hiomana ho tonga ilay karazana lehilahy na vehivavy vonona hanambady namana sahaza mendrika toy izany koa any amin’ny tempoly. Manàna fahazarana eo amin’ny fiainanareo amin’izao fotoana izao hanao ny tempoly ho ampahany tsy tapaka eo amin’ny fiainanareo.

Teny famaranana

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, ry tanora namako malala, azo inoana fa hisy fotoan-tsarotra ho antsika tsirairay amin’ny andro ho avy. Na izany aza, amin’izao fidirantsika amin’ity folo taona ho avy itrangan’ny fotoana tsy mbola nisy toy izany ity dia enga anie isika hizara vaovao mahafaly amin’ny alalan’ireo asa tsotra eo amin’ny fiainana, sy ny fikarakarana, sy ny fanasana ary ny fampitambarana. Raha manao izany isika dia hanome antsika fotoana tsy hohadinoina na oviana na oviana ny Tompo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo izay manatona ny Tompo amin-kitsim-po sy finiavana marina, ireo izay manana ny anaran’ny Mpamonjy eo imolony sy ny Fanahy Masina ao amin’ny fanahiny, ireo izay mirotsaka amin’ity fivahiniana masina lehibe sy feno voninahitra ity, dia hahita sy hiaina fitahiana selestialy safononoka ary handray fijoroana ho vavolombelona fa mihaino anareo sy mahafantatra anareo ary tia anareo Andriamanitra. Hiaina andro izay tsy hohadinoina na oviana na oviana ianareo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.