Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Tadiavo amin’ny fonao rehetra Izy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2024


12:4

Tadiavo amin’ny fonao rehetra Izy

Koa satria na i Jesoa Kristy aza dia nitady fotoana mangina hifandraisana tamin’ Andriamanitra sy mba hankahereziny, dia ho fahendrena ho antsika ny manao tahaka izany ihany koa.

Taona maro lasa izay, dia mpitariky ny misiôna tany Tokyo, Japana izahay mivady. Nandritra ny fitsidihana iray nataon’ny Loholona Russell M. Nelson tamin’izany tany amin’ny misiônanay, dia nisy misiônera iray nanontany azy ny fomba tsara indrindra hamaliana rehefa misy olona iray milaza amin’izy ireo hoe sahirana loatra ka tsy afaka hihaino azy ireo. Tsy nisalasala akory ny Loholona Nelson namaly hoe “Hanontaniako izy ireo raha toa ka sahirana loatra amin’io andro io ka tsy afaka hisakafo antoandro; ary avy eo dia hampianariko azy ireo fa sady manana vatana izy ireo no manana fanahy, ary tsy misy hafa amin’ny hoe ho faty ny vatan’izy ireo raha tsy omena hanina, dia ho faty araka izany koa ny fanahiny raha tsy fahanana amin’ny teny soan’ Andriamanitra.”

Mahavariana fa ny teny Japôney ilazana ny hoe “sahirana,” isogashii, dia ampiasana tarehin-tsoratra misy kisary anankiroa (). Ilay eo amin’ny ankavia dia midika hoe “fo” na “fanahy,” ary ilay eo amin’ny ankavanana dia midika hoe “fahafatesana”—izay milaza angamba, araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson, fa ny hoe sahirana loatra ka tsy afaka mamahana ny fanahintsika dia mety hitarika ny fahafatesantsika ara-panahy.

Fantatry ny Tompo fa ny fanokanana fotoana ho Azy, eto amin’ity tontolo mihazakazaka sy feno zavatra misarika ny saina ary anaty korontana ity, dia ho lasa anisan’ireo fanamby lehibe indrindra amin’izao androntsika izao. Tamin’ny alalan’ny mpaminany Isaia no nanomezany ireto teny manoro hevitra sy mampitandrina ireto izay azo ampitahaina amin’ireo andro tsy milamina izay iainantsika izao:

“Amin’ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ny fahanginana sy ny fahatokiana no hisian’ny herinareo; nefa tsy nety ianareo.

“Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.”

Amin’ny teny hafa, na dia miankina amin’ny fiverenana Aminy matetika sy ny fitsaharana amin’ny ahiahin’izao tontolo izao aza ny famonjena antsika, dia tsy manao izany isika. Ary na dia avy amin’ny hery azo ao anatin’ny fotoana fahanginana iaraha-mipetraka amin’ny Tompo ao anaty fandinihana sy fieritreretana lalina aza no hitomboan’ny fahatokiantsika, dia tsy ataontsika izany. Fa nahoana moa? Satria milaza isika hoe, “Tsia, mbola sahirana amin-javatra hafa,” mandositra mitaingin-tsoavaly, raha izay no ilazana azy. Ka dia hianalavitra hatrany an’ Andriamanitra isika, hikiry handeha haingana kokoa hatrany, ary arakaraka ny handehanantsika haingana no maha faingana kokoa an’i Satana manenjika antsika.

Izany angamba no antony nahatonga ny Filoha Nelson namerimberina niangavy antsika mba hanokana fotoana ho an’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika—“isan’andro isan’andro.” Mampahatsiahy antsika izy fa “fotoana masina ny fotoana hanginana, fotoana izay hanamora ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy hampisy fiadanana.” Fa raha te hahare ilay feo tonin’ny Tompo, dia nanoro hevitra izy hoe “mila tony ihany koa ianao.”

Saingy ny hoe tony dia mitaky mihoatra noho ny hoe manokana fotoana ho an’ny Tompo fotsiny. Mitaky ny hialantsika amin’ireo eritreritsika feno ahiahy sy tahotra sy ny fampifantohantsika ny fontsika sy ny saintsika Aminy izany. Araka ny nampianarin’ny Loholona David A. Bednar hoe “ny famporisihan’ny Tompo hoe -mitonia- dia midika mihoatra lavitra kokoa noho ny tsy miteny sy tsy mihetsika fotsiny.” Ny hoe mitony hoy ny nampianariny, dia mety “fomba iray hampahatsiahivana antsika mba hifantoka tsy tapaka amin’ny Mpamonjy.”

Ny hoe mitony dia fanehoana finoana ary mitaky ezaka. Ny Lectures on Faith (toriteny momba ny finoana) dia milaza fa “rehefa miasa amim-pinoana ny olona iray dia miasa amin’ny alalan’ny ezaka ara-tsaina.” Nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Tsy maintsy aorina mafy eo amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ny fifantohantsika. Mitaky ezaka ara-tsaina be ny fiezahana mibanjina Azy amin’ny eritreritra rehetra. Kanefa rehefa manao izany isika dia hisinda ireo tahotra sy ahiahy.” Momba izany filana mampifantoka ny saintsika izany dia nilaza ny Filoha David O. McKay hoe: “Mahita aho fa tsy dia raharahiantsika loatra ny lanjan’ny fisaintsainana, izay fitsipika iray maneho fitsaohana. … Ny fitsaintsainana dia iray … amin’ireo varavarana masina indrindra izay hidirantsika ho eo anatrehan’ny Tompo.”

Misy teny iray izay amin’ny fiteny Japôney hoe mui izay ho ahy dia mahalaza tsara io hevitra feno finoana kokoa sy mandinika kokoa entin’io hoe mitony io. Tarehin-tsoratra roa no mandrafitra azy (無為). Ny tarehin-tsoratra eo ankavia dia midika hoe “tsy misy na inona na inona” na “tsy fisian’inona na inona,” ary ilay eo amin’ny ankavanana dia midika hoe “manao.” Rehefa atambatra izy ireo dia midika hoe “tsy manao na inona na inona.” Raha raisina ara-bakiteny dia mety ho diso fandray isika hoe “tsy manao na inona na inona” no dikany, tsy misy hafa amin’ny hoe ny “mitony” dia mety ho diso hevitra isika mandray izany ho “tsy miteny na mihetsika.” Kanefa toy ilay teny hoe “mitony” ihany, dia manana hevitra lalina kokoa izy io. Ho ahy izy io dia fampahatsiahivana handeha milamina kokoa ary hiaina ao anatin’ny fahaizana mahatsapa kokoa ireo zavatra eo amin’ny lafiny ara-panahy.

Tamin’ny izaho tao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Azia Avaratra niaraka tamin’ny Loholona Takashi Wada, dia nahare aho fa Rahavavy Naomi Wada vadiny dia mpanao sorakaliana Japôney avo lenta. Nangataka an-dRahavavy Wada aho hanoratra ho ahy ireo tarehin-tsoratra Japôney maneho ny teny hoe mui. Niriako ny hanantona ilay tarehin-tsoratra voakaly eo amin’ny rindrina ho fampahatsiahivana mba ho tony sy hifantoka amin’ny Mpamonjy. Gaga aho fa toa tsy narisika izy hanaiky io fangatahana toa tsotra io.

Ny ampitson’io, noho ny fahafantaran’ny Loholona Wada fa mety diso fandray aho teo anatrehan’ny fisalasalan’ny vadiny, dia nanazava izy fa mitaky ezaka be ny fanoratana ireo tarehin-tsoratra ireo. Mila mandinika sy misaintsaina ny fotokevitra sy ireo tarehin-tsoratra izy ambara-pahatakarany lalina ao amin’ny ati-panahiny ka ahafahany manolotra zavatra afaka mamoaka ireo fahatsapana tsapa ao am-po ireo amin’ny alalan’ny tsipika tsirairay amin’ny borosy fanoratany. Menatra aho fa nohamaivaniko ery ny fomba nangatahako azy hanao zavatra mitaky ezaka be toy izany. Nangatahako ny Loholona Wada hampita amin’ny vadiny ny fialan-tsiny avy taty amiko noho ny tsy fahalalako, ary hampahafantatra azy fa foanako ilay fangatahako.

Tarehin-tsoratra Japôney ao amin’ny biraon’ny Eveka Budge.

Azonao an-tsaina ny fahatairako sy ny fankasitrahako raha handao an’i Japana aho dia nanolotra ahy ity sorakaliana kanto ity Rahavavy Wada, maneho ny tarehin-tsoratra Japôney ho an’ny teny hoe mui. Ankehitriny dia mihantona talakimaso eo amin’ny rindrina ao amin’ny biraoko izy io, mampahatsiahy ahy mba hitony sy hikatsaka ny Tompo isan’andro amin’ny foko sy ny heriko sy ny saiko ary ny tanjako manontolo. Vitany ny naneho, tao anatin’io fihetsika feno fandavantena io, ny hevitry ny hoe mui, na fahatoniana, tamin’ny fomba tsara kokoa noho izay mety ho azo atao amin’ny teny hafa. Tsy nimokomoko tsy am-piheverina nanoratra ireo tarehin-tsoratra izy, fa niroso tamin’ilay sorakaliana tamin’ny finiavan’ny fo manontolo sy ny fikasana marina kosa.

Torak’izany koa, irian’ Andriamanitra isika handray ny fotoanantsika miaraka Aminy amin’ny fitsaohana avy ao am-po mitovy karazana amin’izany. Rehefa manao izany isika dia ho lasa fanehoana ny fitiavantsika Azy ny fitsaohantsika.

Maniry mafy Izy ny hifandraisantsika Aminy. Nisy fotoana rehefa nanao vavaka fanombohana tamin’ny fivoariana iray niarahana tamin’ny Fiadidiana Voalohany aho dia nitodika taty amiko ny Filoha Nelson ary niteny hoe: “Rehefa nivavaka ianao dia nieritreritra aho fa tena tsy maintsy tian’ Andriamanitra izao isika maka fotoana hankasitrahana Azy na dia eo aza ireo fandaharam-potoanantsika tototra loatra”. Fampahatsiahivana tsotra nefa nahery vaika izany ny amin’ny zavatra mety ho tsapan’ny Ray any An-danitra rehefa miato isika mba hifandraisana Aminy.

Na dia maniry mafy ny hifantohantsika Aminy aza Izy dia tsy hanery antsika hanatona Azy Izy. Hoy ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty tamin’ireo Nefita: “Impiry aho no ta hanangona anareo toy ny reniakoho managona ny zanany ary tsy nety ianareo.” Narahany tamin’ity fanasana ity izany izay mihatra amintsika ankehitriny hoe: “Impiry aho no hanangona anareo toy ny reniakohoko manangona ny zanany eo ambany elany, raha mibebaka ianareo sy miverina Amiko amin’ny fo feno finiavana.”

Manome fahafahana antsika hiverina Aminy matetika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Anisan’ireo fahafahana ireo ny vavaka isan’andro, ny fandalinana soratra masina, ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo, ny andro Sabata ary ny fitsaohana any amin’ny tempoly. Ahoana raha esorintsika tsy ho ao anatin’ny lisitry ny “zavatra atao” ireo fahafahana masina ireo fa afindrantsika kosa any amin’ny lisitry ny “tsy manao na inona na inona;” izany hoe mandray azy ireny amin’ny fandinihana sy fifantohana mitovy amin’ny fandraisan-dRahavavy Wada ilay sorakaliana nataony?

Mety mieritreritra ianao hoe, “Tsy manana fotoana amin’izany aho.” Mahatsapa izany matetika aho. Saingy mamelà ahy handroso aminareo fa ny zavatra tena mety ilaina dia tsy voatery ny hoe manokana fotoana misimisy kokoa fa fahatongavan-tsaina sy fifantohana kokoa amin’ Andriamanitra kosa mandritra ireo fotoana izay efa atokantsika ho Azy.

Ohatra, rehefa mivavaka, maninona moa raha mba hahenantsika ny fotoana hitenenantsika ary manokana fotoana bebe kokoa hiarahana amin’ Andriamanitra isika; ary rehefa miteny isika, maninona moa raha mba manao teny maneho fankasitrahana sy fitiavana avy amin’ny fo sy mazava kokoa isika?

Nanoro hevitra antsika ny Filoha Nelson fa tsy mamaky soratra masina fotsiny isika fa mankafy azy ireny. Inona no mety hiova raha toa isika ka mamaky vitsivitsy kokoa kanefa mankafy kokoa?

Maninona moa raha mba manomana kokoa ny saintsika isika handray ny fanasan’ny Tompo, ary misaintsaina amim-pifaliana ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mandritra io ôrdônansy masina io?

Amin’ny Sabata izay midika hoe “fitsaharana” amin’ny teny Hebreo, maninona moa raha mba mitsahatra amin’ireo zavatra hafa iasan’ny saintsika isika ary maka fotoana hipetrahana mangina miaraka amin’ny Tompo hanehoana ny fanolorantenantsika Aminy?

Mandritra ny fitsaohantsika any amin’ny tempoly, maninona moa raha mba manao ezaka feno fifehezan-tena kokoa isika ka hitandrina na hitoetra elaela kely kokoa ao amin’ny efitra selestialy amim-pandinihana mangina?

Rehefa tsy dia mirona loatra amin’ny zavatra atao ny fifantohantsika fa amin’ny fampahatanjahana kokoa ny fifandraisantsika ara-panekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy kosa, dia mijoro ho vavolombelona aho fa hihatsara ireo fotoana masina tsirairay avy ireo ary handray ny fitarihana izay ilaina amin’ny fiainantsika manokana isika. Tahaka an’i Marta ao amin’ny tantaran’i Lioka dia matetika isika no “maro ahina sy maro herehina.” Kanefa rehefa mifandray amin’ny Tompo isan’andro isika dia hanampy antsika hamantatra izay tena ilaina indrindra Izy.

Na ny Mpamponjy aza dia naka fotoana tao amin’ny fanompoany mba hitoniana. Feno ohatra ao amin’ireo soratra masina momba ny Tompo izay nihataka tany amin’ny toerana mitoka-monina, na tendrombohitra, na tany hay na tany foana, na “nihataka kely” mba hivavahana tamin’ny Ray. Koa satria na i Jesoa Kristy aza dia nitady fotoana mangina hifandraisana tamin’ Andriamanitra sy mba hankahereziny, dia ho fahendrena ho antsika ny manao tahaka izany ihany koa.

Hanana fahazavana lehibe kokoa mikasika izay tena ilaina indrindra isika sy hampivelatra fitserana lalina kokoa ary hahita fitsaharana sy hery ao Aminy rehefa mampifantoka ny fo sy ny saintsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy mihaino ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy Masina. Tena mahavariana fa ny fanampiana an’ Andriamanitra hanafaingana ny asa famonjeny sy ho an’ny fisandratana dia mety hitaky antsika mba handeha miadana kokoa eo amin’ny fiainana. Ny hoe sahirana lava dia mety hanampy trotraka ireo rotoroto efa eo amin’ny fiainantsika ary handroba ilay fiadanana izay katsahintsika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa raha mitodika matetika amin’ny Tompo amin’ny finiavan’ny fo manontolo isika dia lasa hahafantatra Azy ao anatin’ny fitoniana sy ny fahatokiana ary hahatsapa ny fitiavany tsy manam-petra ho antsika.

Nampanantena ny Tompo hoe:

“Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo.”

“Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra.”

Mijoro ho vavolombelona aho fa marina io fampanantenana io. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Etera 2:14–15.

  2. Isaia 30:15–16; nampiana fanamafisana.

  3. Ny 2 Nefia 2:24 dia manasa antsika hampihavana indray ny sitrapontsika amin’ny sitrapon’ Andriamanitra (re-con-cile). Ny “re” dia midika hoe indray, ny “con” dia midika hoe miaraka, ary ny “cile” dia seza na seza fiandrianana. Izany hoe ny mihavana indray amin’ Andriamanitra dia midika ara-bakiteny hoe miara-mipetraka indray amin’ Andriamanitra.

  4. Russell M. Nelson, “Manokàna fotoana ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2021, 120.

  5. Russell M. Nelson, “Ny zavatra ianarantsika ka tsy ho hadinontsika mandrakizay,” Liahona, mey 2021, 80.

  6. Russell M. Nelson, “Ny zavatra ianarantsika ka tsy ho hadinontsika mandrakizay,” 80.

  7. David A. Bednar, “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra,” Liahona, mey 2024, 28.

  8. Jereo Hebreo 11:6.

  9. Lectures on Faith (1985), 72.

  10. Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 41.

  11. David O. McKay, “Consciousness of God: Supreme Goal of Life,” Improvement Era, June 1967, 80.

  12. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2.

  13. Jereo ny Môzià 7:33; Etera 2:14.

  14. “Ny fo salama sy miasa tsara no ivon’ny fahasalamana sy ny fahatomombanan’ny olona tsirairay avy amintsika. Kanefa ny zavatra nianarako amin’ny maha mpanompo sy vavolombelon’i Jesoa Kristy ahy dia tsy ny fahasalaman’ny fo ara-batana ihany no fanamby atrehantsika. Raisiko ho matotra ilay fitaomana hitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo satria ny mitia Azy no mahatonga antsika havitrika hatrany” (Russell M. Nelson, The Heart of the Matter: What 100 Years of Living Have Taught Me [2023], 8; nampiana fanamafisana).

  15. Jereo ny Salamo 14:2; Apokalypsy 3:20.

  16. 3 Nefia 10:5; nampiana fanamafisana.

  17. Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Ny fanovana ny toe-tsaintsika sy ny miverina amin’ny -lalana tokony ho izy- dia ampahany amin’ny fibebahana, kanefa ampahany fotsiny ihany. Tafiditra ao amin’ny fibebahana marina ny mampitodika ny fontsika sy ny sitrapontsika amin’ Andriamanitra ary ny famoizana ny fahotana.” (“Ny fibebahana: safidy mahafaly,” Liahona, nôv. 2016, 121; nampiana fanamafisana).

  18. 3 Nefia 10:6; nampiana fanamafisana.

  19. Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Ny hoe fanokanan-tena bebe kokoa dia tsy dia tena hoe mitaky ora fanampiny hanaovana asam-piangonana, fa fahatakarana kokoa kosa hoe asan’iza marina moa izy ity!” (“Settle This in Your Hearts,” Ensign, Nov. 1992, 67).

  20. Hoy i Desmond Tutu raha niresaka momba ny fomba nivoaran’ny vavaka fanaony rehefa nandeha ny fotoana: “Hitako hoe miezaka ny hivoatra aho rehefa manatrika eo fotsiny” Toy ny rehefa mipetraka akaikin’ny donan-kafon’ny ririnina, dia eo fotsiny ianao. Tsy voatery hieritreritra be na hanao zavatra hafa ianao. Manafana anao ilay afo” (“Desmond Tutu, Insisting We Are ‘Made for Goodness’” [NPR interview by Renee Montagne, Mar. 11, 2010], npr.org).

  21. Jereo ny Russell M. Nelson, “Saino amin’ny fomba selestialy!,” Liahona, nôv. 2023, 117–19.

  22. Jereo ny Russell M. Nelson, “Living by Scriptural Guidance,” Liahona, Jan. 2001, 19–22; jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “I Jesoa Kristy mandrakariva no valiny,” Liahona, mey 2023, 127–28.

  23. Jereo ny 3 Nephi 17:3. Nilaza ny Filoha David O. McKay hoe:

    “Mino aho fa ilay fotoana fohy hikarakarana ny fanasan’ny Tompo dia iray amin’ireo fotoana tsara indrindra ananantsika mba hanaovana fandinihan-tena toy izany, ary tsy tokony hisy na inona na inona hanelingelina ny fifantohantsika amin’ny tanjon’izany ôrdônansy izany mandritra izany fotoana masina izany. …

    “Tena manentana mafy aho ny mba hahatonga an’io ôrdônansy io ho heniky ny fanehoam-panajana bebe kokoa ao anatin’ny lamina tanteraka, mba hahafahan’ny tsirairay izay tonga ao amin’ny tranon’ Andriamanitra mandinika ny hatsaran’ Andriamanitra sy maneho fankasitrahana amim-pahanginana sy amim-bavaka. … Avelao ny oran’ny fanasan’ny Tompo ho lasa zavatra iainana tena tsara ho an’ny anio izay hiezahan’ny mpitsaoka hahatakatra fa azony atao ny mifandray amin’ny Andriamaniny” (“Consciousness of God: Supreme Goal of Life,” Improvement Era, June 1967, 80–81).

  24. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:10.

  25. “Rehefa mitondra ny fahazoan-dalanao hidirana ny tempoly, amin’ny fo torotoro, sy omban’ny faniriana hianatra fahamarinana vaovao ianao rehefa mankany amin’ny trano fianaran’ny Tompo, dia hampianatra anao Izy” (Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 95).

  26. “Hitarika sy hanoro lalana anareo amin’ny fiainanareo manokana Izy raha toa ianareo ka manokana fotoana ho Azy eo amin’ny fiainanareo—isan’andro isan’andro” (Russell M. Nelson, “Manokàna fotoana ho an’ny Tompo,” 121).

  27. Jereo Lioka 10:40–42.

  28. 3 Nefia 19:19; jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:1 (ao amin’ny Tovana); Matio 5:1; 14:13, 23; Marka 1:35; 6:46; Lioka 5:16; 6:12.

  29. Jereo ny 3 Nefia 21:29.

  30. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63.

  31. Jeremia 29:13; jereo ihany koa ny Fitomaniana 3:25.