Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Madiova ianao
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2024


9:43

Madiova ianao

Mamela antsika hahay hamantatra ny fitarihan’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fibebahana isan’andro.

Nilalao baolina kitra niaraka tamin’ny namako tao ambadiky ny fiangonana tany amin’ny tanàna keliko tany Côte d’Ivoire aho fony aho dimy taona. Tsaroako mazava tsara ny antso avon’ilay mpitoriteny tamin’ireo mpiangona tao aminy mba hanadio ny fitafin’izy ireo ho fiomanana amin’ny fahatongavan’ny Mpamonjy. Satria mbola zaza aho dia noraisiko ara-bakiteny io antso io. Nihazakazaka nody araka izay tratran’ireo tongotro kely roa aho ary nitalaho tamin-dreniko mba hanadio ny fitafiko vitsivitsy mba ho tsisy pentina sy vonona aho ho amin’ilay fahatongavan’ny Mpamonjy ny ampitson’io. Na dia nisalasala ny amin’ny hiverenan’ny Mpamonjy haingana aza ny reniko dia nosasany ihany ny fitafiko tsara indrindra.

Notafiako ilay akanjo somary mbola malamalana ny ampitson’iny ary niandry amim-pientanentanana ilay filazana ny fahatongavan’ny Mpamonjy aho. Rehefa nadiva hifarana ny andro ka tsy nisy na inona na inona niseho dia nanapa-kevitra ny ho any am-piangonana aho. Diso fanantenana tanteraka aho nahita fa tsy nisy olona tao am-piangonana ary tsy tonga akory ilay Mpamonjy. Azonareo sary an-tsaina angamba ny fahatsapako rehefa nandeha moramora nody aho.

Taona maro taty aoriana, rehefa nandray ireo leson’ny misiônera ho fiomanana hiditra ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho dia namaky izao manaraka izao: “Ary tsy misy zavatra tsy madio afaka miditra ao amin’ny fanjakana; koa tsy misy na inona na inona miditra ao amin’ny fitsaharany afa-tsy ireo izay efa nanasa ny fitafiany tamin’ny rany, noho ny finoany sy ny fibebahana tamin’ny fahotany rehetra ary ny fahatokiany hatramin’ny farany.”

Ny fanazavana azoko tamin’io fotoana io dia nanampy ahy hahatakatra ilay fahamarinana manan-danja izay tsy takatry ny saiko mbola zaza taona maro lasa talohan’io. Nifototra tamin’ny maha zava-dehibe ny fahadiovana ara-panahy ny hafatr’ilay mpitoriteny. Namporisika ireo mpiangona izy mba hikatsaka fibebahana sy hanova zavatra eo amin’ny fiainany ary hitodika amin’ny Mpamonjy mba hangataka famonjena.

Takatry ny Raintsika any An-danitra ny diantsika ety an-tany sy ny maha-tsy azo ihodivirana ny fahotana eo amin’ny fiainantsika. Feno fankasitrahana lalina aho fa nanome Mpamonjy iray Izy mba hanonitra ny fandikan-dalàntsika. Afaka mibebaka sy mikatsaka famelan-kelona ary lasa madio ny tsirairay amintsika amin’ny alalan’ny sorona manavotry ny Mpamonjy. Ny fibebahana, izay fitsipika fototry ny filazantsara, dia manan-danja ho an’ny fivoarantsika ara-panahy sy ny fahaizantsika miarina rehefa miatrika ireo fanamby amin’ny fiainana.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2022, dia nanasa ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay ny Filoha Russell M. Nelson mba hiaina ny fifaliana avy amin’ny fibebahana isan’andro. Hoy izy:

“Miangavy aho mba tsy hatahotra na hanemotra ny fibebahana. I Satana dia miravoravo amin’ny fahorianao. Atsaharo avy hatrany izany. Esory hiala eo amin’ny fiainanao ny fitaomany! Atombohy anio ny fiainana ny fifaliana amin’ny fialana amin’ny maha-olona araka ny nofo. Tia antsika foana ny Mpamonjy fa indrindra rehefa mibebaka isika. …

“Raha mahatsapa ianao fa niala lavitra na ela loatra tamin’ilay lalan’ny fanekempihavanana ka tsy mahita fomba hiverenana, dia tsy marina tsotra izao izany.”

Raha toa ka misy zavatra iray tsy nibebahanao tanteraka dia mamporisika anao aho hihaino ilay antson’ny Filoha Nelson mba tsy hanemotra ny fibebahanao. Mety mitaky herim-po ny fanombohana izany dingana izany; kanefa manome toky anareo aho fa mihoatra ny fahatakarana ny fifaliana azo avy amin’ny fibebahana marina. Amin’ny alalan’ny fibebahana dia miala ny enta-mavesatry ny fahatsapana ho meloka ary voasolo fahatsapana fiadanana sy filaminan-tsaina. Rehefa mibebaka amin-kitsim-po isika dia hamasinina amin’ny alalan’ny ran’ny Mpamonjy, izay mampitombo ny fahafahantsika mandre ny bitsika sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Manana kileman’ny faharenesana hatry ny fahaterahany ny vadiko mandrakizay, ary vokatr’izany dia tsy maintsy mampiasa fitaovana fandrenesana izy. Misy fiantraikany amin’ny fiasan’io fitaovana io ny vovoka sy ny hatsembohana ka mandinika azy aho isa-maraina manadio amim-pahazotoana ireo fantsona mifandray mialohan’ny hanaovany azy. Io fahazarana tsotra nefa tsy miovaova io dia manala izay mety ho loto, na hamandoana, na vongan-drano avy amin’ny entona ka manatsara araka izany ny fahafahany maheno sy mifandray tsara. Rehefa tsy tanterahiny io zavatra fanaony isan’andro io dia sarotra ny fahafahany mandre mandritra ny andro; miha-mora tsikelikely ireo teny resahina ary lasa tsy re intsony nony farany. Tahaka ny ahafahany mandre mazava tsara noho ny fanadiovany isan’andro ilay fitaovana fandrenesany, ny fibebahana isan’andro koa dia ahafahantsika mamantatra ny fitarihan’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Teo amin’ny fiafaran’ny asa fanompoan’ny Tompo teto an-tany sy talohan’ny nandehanany tao amin’ny Sahan’i Getsemane dia nanomana ny mpianany Izy mba hiatrika ireo fitsapana ho avy. Nanome toky azy ireo Izy ary nilaza hoe: “Fa ny mpananatra dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.”

Anisan’ireo asa manan-danjan’ny Fanahy Masina ny mampitandrina sy mitarika ary manoro lalana ny olona rehetra izay mihaino ilay feo malefaka sy anaty. Tahaka ny mety hanakantsakanan’ny fantsona tsentsina ny fampandehanana araka ny tokony ho izy ilay fitaovana fandrenesana, dia mety hisy kilema ihany koa ny fifandraisantsika ara-panahy amin’ny Raintsika any An-danitra, ka mitarika amin’ny hevi-diso mampidi-doza na ny tsy fanarahana ny toroheviny. Ny fisian’ny Internet dia nahatonga ny fampahalalana ho mora hita kokoa noho ny teo aloha. Mety hitarika antsika hitodika any amin’izao tontolo izao mba hahazoana torolalana izany toy izay hitodika any amin’ Andriamanitra. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”

Feno fankasitrahana aho fa afaka mandray ny fanomezan’ny Fanahy Masina isika rehefa raisina ho mpikambana. Kanefa nampitandrina antsika ny Filoha Dallin H. Oaks fa “ireo fitahiana azo sitrahana amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina dia miankina amin’ny fahamendrehantsika [ary] -tsy mitoetra ao amin’ny tempoly izay tsy masina ny Fanahin’ny Tompo- [Helamàna 4:24].”

Rehefa misafidy an-tsitrapo ny hanaraka ny fitarihan’ny mpaminany sy ny apôstôly isika dia mitombo ny fahafahantsika manana ny Fanahy Masina ho namana lalandava. Ny Fanahy Masina dia manome fahazavan-tsaina rehefa mandray fanampahan-kevitra, mametraka eritreritra sy fahatsapana izay mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Raintsika any An-danitra. Zava-dehibe eo amin’ny fitomboantsika ara-panahy ny fananantsika ny Fanahy Masina ho namana lalandava.

Vao tsy ela aho no nomena andraikitra mba hiahy fihaonamben’ny tsatòka iray tao amin’ny Tsatòkan’i Salt Lake Granger Andrefana tao Utah. Nihaona tamin’ny filohan’ny tsatòka iray izay nampivoatra ny fahaizany mamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny fiainana amim-pahamarinana sy fibebahana isan’andro aho tamin’io fivoriana io. Nandrindra fitsidihana tokantrano telo izahay ho isan’ny ezaka ataonay hanao asa fanompoana. Taorian’ny fitsidihanay farany dia mbola nanana teo amin’ny 30 minitra teo ho eo izahay mialoha ny fivorianay manaraka. Teny an-dalana ho any amin’ny ivontoeran’ny tsatòka izahay dia nanana fahatsapana ny hitsidika fianakaviana iray fanampiny ny Filoha Chesnut. Samy nanaiky ny hanaraka ilay fitaomana izahay.

Nandeha nitsidika ny fianakaviana Jones izahay, ka nahita an-dRanabavy Jones tsy afa-nihetsika teo am-pandriana noho ny aretina. Nazava tsara fa nila tsodranon’ny fisoronana izy. Nanome tsodrano azy izahay rehefa nahazo lalana taminy. Rehefa niomana ny handeha izahay dia nanontany Ranabavy Jones hoe ahoana no nahafantaranay fa nila tsodrano maika izy. Ny marina dia tsy nahafantatra izahay. Saingy ny Raintsika any An-danitra, izay mahita azy, dia tena nahafantatra ary nitaona an’ny Filoha Chesnut mba hitsidika ny tokantranony. Rehefa mora mandre ny fitarihan’ilay feo tony sy malefaka isika, dia ho ary fitaovana kokoa mba hanompo amim-pahombiazana kokoa ireo izay sahirana.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ilay Ray any An-danitra tsara fanahy sy be fitiavana aho. I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra ny olombelona. Mijoro ho vavolombelona aho fa misy tokoa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, fa rehefa mianatra ny manaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika dia hitondra antsika ho amin’ny fibebahana sy hampiasa ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika Izy. Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminany marina sy velona nantsoin’ny Tompo izay manana ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra manerana ny tany manontolo ankehitriny. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.