Seminera sy Institiota
Lesona 13: Niantso Apôstôly Roambinifolo i Jesoa Kristy


Lesona 13

Niantso Apôstôly Roambinifolo i Jesoa Kristy

Fampidirana

Nandritra ny asa fanompoana nataony tety an-tany, dia niantso sy nanendry ary naniraka Apôstôly roa ambin’ny folo ny Mpamonjy. Nanome azy ireo ny fanalahidin’ny fisoronana Izy ary nandray tenivavolombelon’ny maha Andriamanitra Azy izy ireo. Teo ambany fitarihan’ny Mpamonjy dia nanampy tamin’ny fitantanana ny asan’ny Fiangonana ireo Apôstôly ary nomanina ho amin’ny fotoana izay tsy maha-ety an-tany intsony Azy. Ity lesona ity dia manadihady ny fahefan’ny fisoronan’ny Mpamonjy sy ny fanomanany ireo Apôstôly ho amin’ny fitarihana ny Fiangonana.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Boyd K. Packer, “The Twelve,” Ensign na Liahona, Mey 2008, 83–87.

  • Edward J. Brandt, “And He Gave Some, Apostles,” Liahona, Sept. 2001, 32–39.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 10:1–8; 16:15–19; 17:1–8; Jaona 15:16

Nomen’i Jesoa Kristy fanalahidin’ny fisoronana ireo Apôstôliny

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no hamantarantsika ny olona izay manana fahefana hitarika eo amin’ny fiarahamonina misy antsika?

  • Ahoana no mety ho namantaran’ny olona iray izay niaina tamin’ny andron’i Jesoa Kristy ny fahefany? (Mety ho valiny ny hoe ny heriny, ny fahagagana nataony ary ireo fampianarany.)

Angataho ny mpianatra handinika ity fanontaniana ity: “Ahoana no fomba, sy oviana ary avy tamin’iza no nandraisan’ny Mpamonjy ny Fisoronana Melkizedeka?” Avy eo dia zarao ireto teny manaraka ireto izay nataon’ny Loholona B. H. Roberts (1857–1933) ao amin’ny Fitopololahy sy ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy:

Loholona B. H. Roberts

“Ity andinin-tsoratra masina ity [F&F 107:2–4] dia mametraka mazava tsara fa efa nisy ny Fisoronana Melkizedeka talohan’ilay Melkizedeka Mpisorona Lehibe, kanefa tamin’ny anarana hafa no niantsoana azy, dia ny hoe—‘Fisoronana Masina araka ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra.’ Izany hoe: izy io dia mitovy amin’ny karazana fisoronana, sy fisoronana mitovy laharana amin’izay nananan’ny Zanak’ Andriamanitra. Kanefa izy io dia talohan’ny andron’i Melkizedeka, talohan’ny andron’i Abrahama, ka noho izany dia efa taon-jato maro talohan’ny nahaterahan’ny Kristy teto amin’izao tontolo izao. … Noho izany i Jesoa dia nanana ilay antsointsika ankehitriny hoe Fisoronana Melkizedeka talohan’ny nisehoany teto amin’ity tontolo ity, ary tsy hisalasalana hoe talohan’ny namoronana an’izao tontolo izao, … saingy ny mikasika ny hoe ‘tamin’ny fomba ahoana, sy taiza ary avy tamin’iza’ no nahazoany azy, dia tsisy mahafantatra, raha tsy hoe ny amin’ilay voalaza farany teo angamba, dia ny hoe, ‘avy tamin’iza.’ Mazava ho azy fa tsy maintsy avy tamin’ Andriamanitra no nahazoany izany” (B. H. Roberts, Improvement Era, Mey, 1908, 557).

Loholona Bruce R. McConkie

“Kanefa raha ny mikasika ny asa fanompoany tety an-tany, dia tety an-tany i Kristy … no nandray ny Fisoronana Melkizedeka sy notendrena ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny mpisorona avo izay ao amin’izany, ka araka izany dia nanome ny ohatra arahina ho an’ny hafa sady maodelin’ny famonjena halain-tahaka teo amin’ny lafiny rehetra” (Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, vol. 3 [1973], 157).

Asehoy na soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto, ary asaivo mitady ny valiny ao amin’ny Matio 10:1–8 sy ny Jaona 15:16 ireo mpianatra:

  • Inona no fahefana nomen’i Jesoa Kristy ho an’ireo Apôstôliny?

  • Inona no ho azon’izy ireo atao noho io fahefana io?

Rehefa avy nanome fotoana ampy tsara ho an’ireo mpianatra, dia asao izy ireo hiara-hiasa tsiroaroa hifanakalo hevitra momba ny zavatra hitany. Avy eo dia mangataha mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ny mpiara-mianatra. Ampio ireo mpianatra hamantatra fa nanome ny fahefan’ny fisoronana ho an’ireo Apôstôly i Jesoa mba hahafahan’izy ireo manao asa mitovy amin’izay efa hitan’izy ireo fa nataony.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 16:15–19. Anontanio hoe:

  • Ahoana no namantaran’i Petera ny fahefan’i Jesoa? (Tamin’ny alalan’ny fanambarana, tsisy hafa amin’ny fomba hamantaran’ireo mpianatr’i Kristy amin’izao fotoana izao ny fahefany.)

  • Inona no nampanantenain’i Jesoa hoe homeny an’i Petera?

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Matio 17:1–8. Manontania avy eo hoe:

  • Nahoana no niseho tamin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona i Mosesy sy i Elia?

Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io dia asehoy ireto teny manaraka ireto izay nataon’ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) sy ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918):

Mpaminany Joseph Smith

“Nanome ny fanalahidy ho an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ny Mpamonjy sy i Mosesy ary i Elia teo an-tendrombohitra, rehefa niova tarehy teo anatrehany izy ireo” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 105).

Filoha Joseph F. Smith

“Ny fisoronana amin’ny ankapobeny dia fahefana omena ny olona mba hanaovana ny asan’ Andriamanitra. Ny lehilahy rehetra natokana amin’izay mety ho anjara fanompoana misy ao amin’ny fisoronana dia manana izany fahefana izay nomena azy.

“Saingy ny asa rehetra tanterahana amin’ny alalan’ity fahefana ity dia ilaina tanterahana amin’ny fotoana sy any amin’ny toerana mahamety azy sy amin’ny fomba tokony hanaovana izany ary manaraka ny lamina tokony ho izy. Ny fahefana entina mitantana ireo asa ireo no atao hoe ny fanalahidin’ ny Fisoronana” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph F. Smith [1998], 141).

Mariho fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110 isika dia mianatra fa niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ihany koa i Mosesy sy i Elia tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ary nanome fanalahidin’ny fisoronana ho azy ireo. Manampy antsika hahatakatra ny zava-nitranga teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy io tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana io. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanoratra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16 ho andinin-tsoratra masina mifandray eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny Matio 17:1–8.

Manaova fanaraha-maso amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no ho zava-dehibe ho an’ireo Apôstôlin’i Jesoa ny manana ny fanalahidin’ny fisoronana? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra, kanefa tokony hilaza ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Nanome ny fanalahidin’ny fisoronana ho an’ireo Apôstôliny i Jesoa mba hananan’izy ireo ny fahefana hitarihana ny Fiangonana na taloha na taorian’ny nahafatesany. Azonao atao ny manantitranitra fa raha jerena amin’ny fijery mandrakizay, dia tena ilaina ny fanalahidy amin’ny fametrahana sy fitazomana ny lamina ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo, ka araka izany dia manampy amin’ny [fanatanterahana] ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona .)

  • Ahoana no fomba nahafahan’ny zavatra niainan’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona tao amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy nanampy azy ireo hiomana hitarika ny Fiangonana aorian’ny ahafatesan’ny Mpamonjy?

Azonao atao ny manazava fa ianarantsika ao amin’ny Matio 18:18–19 fa ny fanalahidin’ny fisoronana dia nomena ny Apôstôlin’i Jesoa rehetra.

Matio 18:21–22; 26:51–56; Marka 4:35–41; 5:25–43; 9:25–29; Lioka 9:51–56; 24:44–48; Jaona 13:4–17; 21:15–17

Nanomana ireo Apôstôliny i Jesoa Kristy mba hitarika ny Fiangonana

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny manaraka ity:

Talohan’ny nahafatesany dia nanomana ireo Apôstôliny i Jesoa Kristy mba hitarika ny Fiangonana.

Manontania avy eo hoe:

  • Inona no mety ho nilain’ireo Apôstôlin’i Jesoa hianarana mba hitarihana ny Fiangonana?

Adikao eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto na izy rehetra:

Matio 18:21–22

Matio 26:51–56

Marka 4:35–41

Marka 5:25–34

Marka 5: 35–43

Marka 9:25–29

Lioka 9:51–56

Lioka 24:44–48

Jaona 13:4–17

Jaona 21:15–17

Asaivo miara-miasa tsiroaroa ireo mpianatra mba handalina ny iray na roa amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ka handinika hoe inona avy ireo fitsipika izay mety nianaran’ireo Apôstôly avy amin’ny zavatra niainany niaraka tamin’ny Mpamonjy. Avy eo dia asao ireo mpianatra hizara amin’ny mpiara-mianatra ny zavatra izay nifanakalozany hevitra. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo. Avy eo dia mametraha fanontaniana fanaraha-maso toy ireto manaraka ireto:

  • Nahoana no ho zava-dehibe ho an’ireo Apôstlôly ny mianatra ireo fitsipika ireo?

  • Ahoana no fomba, araka ny eritreritrao, nanomanan’ny Mpamonjy ireo Apôstôly maoderina mba hanompo?

  • Nahoana no manampy anao hatoky ny torohevitr’ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy ny fahafantaranao fa mitari-dalana azy ireo Izy.

Asan’ny Apôstôly 1:8, 21–22; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23

Mijoro ho vavolombelona marin’i Jesoa Kristy ireo Apôstôly Maoderina

Lazao amin’ireo mpianatra fa ny Asan’ny Apôstôly 1 dia ahitana ny tantaran’ny fifantenan’ireo Apôstôly izay ho solon’i Jodasy Iskariota taorian’ny nitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty. Asao ireo mpianatra hamaky ny Asan’ny Apôstôly 1:21–22 sy hitady ny zavatra notakiana tamin’ilay Apôstôly vaovao.

  • Inona avy ireo zavatra nilaina nananan’ilay Apôstôly vaovao? (“Niaraka teto [amin’izy ireo] mandrakariva” izy ary “vavolombelon’ny nitsanganan’[ny Mpamonjy].)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 22, dia inona no hanendrena ilay Apôstôly vaovao? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamaky ny Asan’ny Apôstôly 1:8 mba hanehoana amin’izy ireo fa izany dia asa nanirahan’i Jesoa ireo Apôstôliny rehetra.)

Angataho ireo mpianatra mba hamerina hijery ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto sy hamantatra izay zavatra itovizan’izy ireo: Asan’ny Apôstôly 2:22–24, 32; Asan’ny Apôstôly 3:12–16; sy Asan’ny Apôstôly 4:31–33; ary Asan’ny Apôstôly 5:29–32. Rehefa nahazo fotoana ampy tsara ireo mpianatra dia asaivo mifanakalo hevitra momba ny zavatra hitany izy ireo. (Hamarino tsara hoe fantatr’ireo mpianatra fa ireo Apôstôly dia nahavita ny iraka nampanaovina azy ireo hoe hijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy.

Asao ireo mpianatra handinika hoe ahoana no fomba hitovizan’ny asa anirahana ireo Apôstôly maoderina amin’ny an’ireo Apôstlôly taloha. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no fotopampianarana ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io? (Tokony ho hitan’ireo mpianatra fa ireo Apôstôly dia nirahina mba ho vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao.)

  • Ahoana no fomba efa nahitanao ireo Apôstôly maoderina nanatanteraka izany andraikitra izany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Filoha Boyd K. Packer

“Taorian’ireo taona maro niainako sy nampianarako ary nanompoako, taorian’ireo dia an-tapitrisany kilaometatra nitetezako izao tontolo izao, noho ireo zavatra rehetra niainako dia misy fahamarinana lehibe iray mba tiako ho zaraina. Dia ny fijoroako ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. …

“Mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Mpamonjy. Fantatro ny Tompo. Vavolombelony aho. Mahafantatra ny amin’ny sorona lehibe nataony aho sy ny fitiavana mandrakizay ananany ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra. Mizara ny fijoroako ho vavolombelona manokana amin’ny fanetrentena feno aho kanefa amim-pahatokian-tena tanteraka” (“Ilay Fijoroana ho Vavolombelona,” Ensign na Liahona, Mey 2014, 97).

  • Oviana ianao no nahatsapa ny herin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny Apôstôly iray momba an’i Jesoa Kristy, ary ahoana no fiantraikan’izany teo amin’ny fijoroanao ho vavolombelona?

  • Ahoana no ahafahanao mahafantatra fa marina ny fijoroana ho vavolombelon’ireo Apôstôly maoderina momba an’i Jesoa Kristy? (Tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity ireo mpianatra: Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no ahafahako mahafantatra fa marina ny fijoroana ho vavolombelon’ireo Apôstôly momba an’i Jesoa Kristy.)

Omeo fanamby ireo mpianatra hisafidy fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy izay nataon’ny Apôstôly maoderina iray sy hitady ombam-bavaka ny olona izay iray izay azon’izy ireo hizarana izany. Amporisiho izy ireo hijoro ho vavolombelona amin’ny maha izy tenany manokana fa marina ny hafatry ilay Apôstôly.

Vakitenin’ny Mpianatra