Lesona 28
Vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy
Fampidirana
Hoy ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Mijoro ho vavolombelona izahay, amin’ ny maha apôstôly voatendriny anay—fa i Jesoa no ilay Kristy Velona, ilay Zanakalahin’ Andriamanitra tsy mety maty” (“ Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, apr. 2000, 3). Tao anatin’ity fandaharam-pampianarana ity isika dia nandalina ny asa fanompoana mandrakizain’i Jesoa Kristy sy ny fijoroana ho vavolombelon’ireo mpaminany momba Azy. Voaomana ny hizara amin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny tenantsika manokana momba ny Mpamonjy isika rehefa mandray tenivavolombelona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa i Jesoa no ilay Kristy Velona.
Vakiteny Enti-mandalina
-
D. Todd Christofferson, “Becoming a Witness of Christ,” Ensign, mar. 2008, 58–63.
Sosokevitra Enti-mampianatra
2 Nefia 25:26; Môsià 18:8–11
Mijoro ho vavolombelona an’i Kristy
Hanontanio ny mpianatra raha efa nisy, tamin’izy ireo, no niaina toe-javatra izay naha-mpikamban’ny Fiangonana tokana azy ireo na nahatonga azy ireo ho irery amin’ny fanarahana ny fenitra ara-pitondrantena ny Fiangonana. Asao izy ireo hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no tsapanao rehefa niatrika izany toe-javatra izany amin’ny maha mpanaradia an’i Jesoa Kristy ianao?
-
Inona ireo lafiny manan-danja na ny lafiny sarotra vitsivitsy tamin’io zavatra niainanao io?
Ampahatsiahivo ny tantaran’i Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay niova fo noho ny fampianaran’ny mpaminany Abinadia ny mpianatra. Nanomboka nitory ny filazantsara koa i Almà taorian’ny fiovam-pony. Ao amin’ny Môsià 18 no ahitantsika ireo fampianarany momba ny fanekempihavananan’ny batisa. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 18:8–11. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary mamantatra ireo toetra sy fihetsika manambara fa vonona ny hanao sy hitandrina ny fanekempihavanan’ny batisa ny olona iray. Mariho ilay andian-teny hoe “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ ny zava-drehetra ary amin’ ny toerana rehetra” ao amin’ny andininy 9 aorian’ny valintenin’ny mpianatra. Manontania avy eo hoe:
-
Inona ny dikan’ny hoe mijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy “amin’ny fotoana rehetra sy amin’ ny zava-drehetra ary amin’ ny toerana rehetra”? (Môsià 18:9).
Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ity ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:
“Manana ny antso sy fanendrena ho vavolombelona manokana ny anaran’i Kristy manerana izao tontolo izao ny Apôstôly (jereo ny F&F 107:23), fa ny andraikitra ny hijoro ho vavolombelona an’i Kristy amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra dia an’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay izay nandray ny tenivavolombelona avy tamin’ny Fanahy Masina” (“Witnesses of Christ,” Ensign, nôv. 1990, 30).
-
Iza no manana andraikitra hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy araka ny Loholona Oaks? (Alaivo antoka ny ahitan’ny mpianatra ity fahamarinana ity: Nanao fanekempihavanana mba hijoro ho vavolombelon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra.)
-
Inona no fomba hafa ahafahantsika mijoro ho vavolombelon’i Kristy ankoatra ny fizarana am-bava ny finoantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? (Asaivo mandalina ny Matio 5:14–16 sy 3 Nefia 18:24 ireo mpianatra hanampiana azy hamaly io fanontaniana io.)
Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kolejin’ny Roambinifololahy ity ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:
“Nanome ity didy ity ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teo anivon’ny Nefita, tany amin’ny Ilabolantany Andrefana: ‘Aingao ambony ny fahazavanareo mba hamirapiratany eo amin’ izao tontolo izao. Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony— izay efa hitanareo fa nataoko’ (3 Nefia 18:24). Tokony afaka mahita taratra ny zavatr’i Jesoa Kristy ato amintsika ny olona. Hahitana taratra Azy sy ny fombany ny fomba fihetsitsika, fitenintsika, fijerintsika ary na dia ny fieritreritsika aza” (“Becoming a Witness of Christ,” Ensign na Liahona, mar. 2008, 60).
-
Inona ny fihetsika, na fiteny, na endrika hisehoana hitanao teny amin’ny hafa izay nahitana taratra ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy?
-
Inona ny sosokevitra homenao ny olona iray izay misalasala na matahotra ny amin’ny maha-vavolombelona an’i Jesoa Kristy?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andian-teny manaraka ireto:
Asaivo mamaky am-pahanginana ny 2 Nefia 25:26 ny mpianatra ary asao izy ireo hanazava ny fomba ahafahan’ny olona iray hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fomba nofintinina teo amin’ny solaitrabe. Ampiasao ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ity raha ilaina izany mba hanampiana ny mpianatra amin’ny fifanakalozan-kevitra:
“Ny tenin’i Nefia hoe ‘miresaka an’ i Kristy isika’ [2 Nefia 25:26] dia midika fa tsy manana fisalalasalana hiresaka momba ny fahatsapantsika mikasika ny Mpamonjy any anatin’ny resaka sy toe-javatra misy antsika mahazatra isika. Matetika ireny dia toe-javatra hifaneraserana mivantana izay ahafahantsika mifanakalo hevitra amin’ny fomba malalaka sy feno hatsaram-panahy mikasika ny hoe Iza moa Izy ary Inona no zavatra nataony sy nampianariny, mamporisika ihany koa ny hafa ny hitia sy hanaraka Azy.
“Ny hoe ‘mifaly amin’ i Kristy isika’ dia midika fa miaina amin’ny fomba fijery sambatra izay ahitana taratra ny finoantsika an’i Kristy isika. Fantatsika fa ‘ampy ho [antsika] ny fahasoavany’ hanavotana antsika amin’ny fahafatesana sy ny fahotana ary hahatonga antsika ho tanteraka ao Aminy (jereo ny Môrônia 10:32–33). Fantatsika fa azo antoka ny fahasambarantsika mandrakizay noho Izy na dia tojo fahadisoam-panantenana sy loza mihitsy aza isika. Mampiseho ny fomba ahitana fitsaharana ao Aminy ho an’ireo olon-kafa izay ‘miasa fatratra sy mavesatra entana’ isika rehefa asehontsika ny hazavan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy (jereo ny Matio 11:28–30).
“Ny hoe ‘mitory an’i Kristy isika’ dia azo antoka fa miresaka momba ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno sy ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana nefa tafiditra amin’izany ihany koa ireo zavatra ataontsika mandritra ny fanompoam-pivavahana sy ny kilasin’ny Sekoly Alahady ary ny sehatra toy izany hafa izay handalinana sy hianarana momba Azy. Ny fandraisantsika anjara na amin’ny maha-mpampianatra na amin’ny maha-mpianatra antsika dia tafiditra ao amin’ny fitondrantsika tenivavolombelona momba Azy. …
“Ny hoe ‘maminany ny amin’i Kristy isika’ dia midika fa maneho ny fijoroantsika ho vavolombelona momba Azy isika amin’ny herin’ny Fanahy (jereo ny 1 Korintiana 12:3). ‘Ny filazana an’i Jesoa dia ny fanahin’ny faminaniana’ (Apôkalypsy 19:10). Tahaka ireo izay naminany taloha ny amin’ny fiaviany voalohany, dia manamafy ihany koa isika amin’ny fiteny sy ny atao ireo faminaniana momba ny Fiaviany Fanindroany. …
“Ny hoe ‘ary manoratra araka ny faminaniantsika isika’ dia milaza ny fahendren’ny firaketana maharitra an-tsoratra ny fijoroantsika ho vavolombelona an’i Kristy. Takatsika fa ny tenivavolombelona izay ambarantsika dia ‘voasoratra any an-danitra mba hojeren’ ireo anjely; ary mifaly [amintsika] ireo’ (F&F 62:3). Mety hijery izany ny taranantsika sy ny hafa ary hifaly amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona an’i Kristy izay nosoratana sy noraketina ho tombontsoan’izy ireo” (“Becoming a Witness of Christ,” Ensign, mar. 2008, 62–63).
Rehefa mamarana ity ampahan-desona ity ianao dia amporisiho ireo mpianatra handinika ny iray amin’ireo faritra eo amin’ny solaitrabe ary hametraka tanjona ny zavatra izay hataony mba ho vavolombelona matanjaka kokoa an’i Jesoa Kristy.
Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy
Asao ireo mpianatra hanao jery todika ny fandaharam-pianarana nandritra ny enim-bolana lasa ary hamantatra ireo andraikitra vitsivitsy an’i Jesoa Kristy sy ireo lohahevitra momba Azy izay noresahina tato am-pianarana. Fintino eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra. (Tokony ahitana ny hoe Mpisolovava, Mpamonjy, Ilay Manonitra, Voalohan-teraka, Zanakalahitokana, Jehovah, Mesia, Mpahary ao amin’ireo anjara asa. Tokony ahitana ireto ny lohahevitra: ny maha-ivon’ny drafitr’ Andriamanitra an’i Jesoa Kristy; ny asa fanompoany talohan’ny fiainana ety an-tany; tena velona Izy; ny asa fanompoany taorian’ny fiainana ety an-tany; ny Fiaviany Fanindroany; ny fanjakany mandritra ny Arivotaona; ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany; ny fitarihany ny Fiangonana; ary ny fomba maha-Fahazavana sy Fiainan’izao Tontolo izao ny Tenany.)
Alaivo ary alefaso ny rakitsarin’ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ity, izay ahitana azy nizara ny fijoroany ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy. Raha tsy misy amin’ny fiteninao ilay rakitsary dia manasà mpianatra iray hamaky mafy ilay fanambarana.
“Namako i Jesoa. Mbola tsy nisy olona nanome ahy betsaka toa Azy. ‘Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany’ (Jaona 15:13). Nanolotra ny ainy ho ahy Izy. Nanokatra ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay Izy. Raha tsy Andriamanitra tsy afaka manao izany. Manantena aho fa azo heverina ho mendrika ny atao hoe namany.
“Izy no maodely ho ahy. Ny fomba fiainany, ny fitondrantenany tsy misy fitiavan-tena na kely aza, ny fanampiany ireo izay sahirana, ny sorona farany izay nataony, ireo rehetra ireo dia ohatra ho ahy avokoa. …
“Izy no mpampianatra ahy. Mbola tsy nisy feo nilaza teny mahatalanjona toy izany. …
“Izy no mpanasitrana ahy. Tena variana aho manoloana ireo fahagagana mahatalanjona nataony. …
“Izy no mpitarika ahy.Voninahitra ho ahy ny anisan’ireo andian’olona marobe izay tia Azy sy nanaraka Azy nandritra izay roa arivo taona nandalo hatramin’ny nahaterahany izay. …
“Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra ahy. Nidina ambany indrindra Izy, tamin’ny nanomezany ny ainy tamin’ny fangirifiriana sy fijaliana izay tsy hay lazaina, hampitraka ahy sy ny tsirairay amintsika ary ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra rehetra avy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoan’ny haizina mandrakizay manaraka ny fahafatesana. … Tsy manam-petra ny fankasitrahako. Tsy misy fiafarany ny fisaorako ny Tompo.
“Izy no Andriamanitro sy Mpanjakako. Hanjaka sy hanapaka amin’ny maha-Mpanjakan’ny Mpanjaka sy Tompon’ny Tompo Azy Izy hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Tsy hanam-pahataperana ny fanapahany. Tsy hisy farany ny voninahiny” (“My Testimony,” Ensign, mey 2000, 71).
Ampahafantaro ireo mpianatrao ireto toe-javatra mety hisy manaraka ireto: Inona ireo hevitra telo na efatra izay tena tianao hamafisina raha misy manontany ianao hoe inona no zavatra inoanao momba an’i Jesoa Kristy? Omeo fotoana hanoratany ny heviny ireo mpianatra. Asaivo mandeha tsiroaroa ireo mpianatra ary hifampizara ny valinteniny amin’ny namany. Amporisiho izy ireo hiresaka momba ny antony nisafidianany an’ireo zavatra nataony ireo sy hiresaka traikefa vitsivitsy nananany izay nampatanjaka ny fahatakarany sy ny fitiavany ny Mpamonjy. Rehefa nomena fotoana ampy tsara ireo mpianatra, dia anontanio raha misy amin’izy ireo ny maniry ny hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny mpianatra rehetra.
Farano amin’ny fijoroanao ho vavolombelon’ny asa fanompoana mandrakizain’ilay Kristy Velona ny lesona. Asehoy ny fankasitrahanao ireo anjara asa manan-danja maro nosahanin’ny Tompo Jesoa Kristy nandritra ny vanimpotoana rehetra. Omeo izao fanamby izao avy eo ny mpianatra: Saintsaino hoe iza amin’ny olona fantatrareo no mety hahazo hery avy amin’ny fijoroanareo ho vavolombelona an’i Kristy. Mandritra ny herinandro manaraka sy ny aorian’izay, manapaha hevitra ny amin’ny olona izay ho taominao sy ny fomba hizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona aminy.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
D. Todd Christofferson, “Becoming a Witness of Christ,” Ensign, mar. 2008, 58–63.