Seminera sy Institiota
Lesona 21: Nanorina ny Fiangonany i Jesoa Kristy


Lesona 21

Nanorina ny Fiangonany i Jesoa Kristy

Fampidirana

Nanome ny fanalahidin’ny fisoronana tamin’ny Apôstôliny Roambinifolo i Jesoa Kristy nandritra ny asa fanompoana nataony izay naharitra telo taona. Noho ireo fanalahidy ireo, dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny apôstôly sy ny mpaminany” ny Fiangonan’i Jesoa Kristy (Efesiana 2:20.) Ity lesona ity dia mampianatra ny fomba nanohizan’ny Mpamonjy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny Maty ny fitarihana sy ny fitondrana ny Apôstôliny sy ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny fiasan’ny Fanahy Masina mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny fanekempihavanan’i Abrahama ny hanangona an’i Isiraely.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Jeffrey R. Holland, “Prophets, Seers, and Revelators,” Ensign na Liahona, Nôv. 2004, 6–9.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 10:1–4; 16:19; 17:3–7; 18:18; Efesiana 2:19–20; 4:11–14

Nanangana ny Fiangonany teo amin’ny fanorenan’ny apôstôly sy ny mpaminany i Jesoa Kristy

Asehoy amin’ny mpianatra ny fanalahidy iray na ny fanalahidy maromaro, ary anontanio ny zavatra tiantsika hambara ao amin’ny filazantsara rehefa miteny hoe fanalahidy isika. Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny andininy ao amin’ireto soratra masina mifampitohy ireto. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sy hamantatra ny zava-nitranga fototra izay fariparitan’ny andinin-tsoratra masina.

  • Matio 10:1–4 (Nantsoina sy nomena iraka ny Apôstôly)

  • Matio 16:19 (Nampanantenaina an’i Petera ny fanalahidin’ny fisoronana [jereo Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanalahidin’ny Fisoronana”; scriptures.lds.org].)

  • Matio 17:3–7 (“Nanome fanalahidy an’i Petera sy i Jakôba ary i Jaona, tao an-tendrombohitra ny Mpamonjy sy i Mosesy, ary i Elia, rehefa niova tarehy teo anatrehany izy ireo” [Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 105].)

  • Matio 18:18 (Ny mamehy sy ny mamaha eto an-tany sy any an-danitra dia mikasika ny fanalahidin’ny fisoronana izay nampanantenana ny Apôstôly hafa ihany koa.)

Tokony hazavainao fa ny “fanalahidy” resahina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia teny mitovy lenta amin’ny fahefan’ny famehezana (jereo ny Boyd K. Packer, The Holy Temple [1980], 81–87).

Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no tiana lazaina amin’ny hoe fanalahidin’ny fisoronana?

  • Inona ny maha-zava-dehibe ny fihazonan’ny Apôstôly ny fanalahidin’n y fisoronana?

Asao ireo mpianatra hamaky ity fanambarana nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity.

 Loholona Dallin H. Oaks

“‘Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay nomen’ Andriamanitra an’ireo [mpihazona] fisoronana hitarihana sy hifehezana ary hitantanana ny fampiasana ny Fisoronany eto ambonin’ny tany’ [Manuel 2: Administration de l’Église [2010], 2.1.1]. Ny asa sy ôrdônansy rehetra tanterahina ato anatin’ny Fiangonana dia atao eo ambany fahazoan-dalana mivantana na misy mpanelanelana avy amin’ny olona iray izay mihazona ny fanalahidy ho amin’izany andraikitra izany. Araka ny nazavain’ny Loholona M. Russell Ballard hoe, ‘Ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana … dia manome fahafahana ara-bakiteny an’ireo izay manompo amim-pahatokiana eo ambany fitarihany mba hampiasa ny fahefan’ny fisoronana ka hahazo ny herin’ny fisoronana’ [M. Russell Ballard, “Lelilahy sy Vehivavy ao amin’ny Asan’ny Tompo,” New Era, Apr. 2014, 4; Liahona, Apr. 2014, 48]” (“Ny Fanalahidy sy ny Fahefan’ny Fisoronana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 49).

  • Ahoana no fomba hitahian’ny fanalahidin’ny fisoronana ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay?

Asao hamaky mafy ny Efesiana 2:19–20 ny mpianatra iray. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no zavatra ianarantsika avy amin’io andininy io momba ny fiorenan’ny Fiangonan’ny Mpamonjy? (Tokony hitan’ny mpianatra ity fahamarinana manaraka ity: I Jesoa Kristy, ilay vato fehizoro, dia nanangana ny Fiangonany teo amin’ny fanorenan’ny apôstôly sy ny mpaminany.)

  • Mitondra inona ho an’ny trano iray ny fanorenana sy ny vato fehizoro? (Ny fanorenana dia mitondra hery sy fanohanana ho an’ny trano. Amin’ny maha-vato voalohany apetraka ao amin’ny fototra azy, ny vato fehizoro dia ilay vato manondro ny fametrahana ny vato rehetra hafa amin’ny fanorenana izay mitondra ny fitoeran’ny trano manontolo. Manampy ny rindrina hiraikitra mafy ihany koa ny vato fehizoro.)

Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny olona izay mipetraka eo akaikiny:

  • Ahoana no maha “vato fehizoro” ny Fiangonana an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no zavatra ampianarin’io soratra masina io antsika mikasika ny fifandraisan’ny Mpamonjy (ilay vato fehizoro) amin’ny apôstôly sy ny mpaminany (ny fanorenana)?

Asao hamaky mafy ny Efesiana 4:11–14 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hamantatra ny antony nomen’i Paoly ny ilaintsika ny apôstôly, ny mpaminany, sy ny mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana amin’ny fitarihana ny Olomasina.

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Mba hananganana fiangonana iray izay hitohy hatrany eo ambany fitarihany, eny fa na dia aorian’ny hakàna Azy hiala eto an-tany aza, dia ‘lasa nankany an-tendrombohitra Jesoa mba hivavaka, ary naharitra nivavaka tamin’ Andriamanitra nandritra ny alina Izy.

“‘Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ny folo lahy, izay nataony hoe Apôstôly’ [Lioka 6:12–13].

“Tatỳ aoriana, raha nahafantatra ny Mpamonjy fa tsy maintsy ho faty, dia nampianatra i Paoly fa nataony izany mba hanomezana fanorenana ny Fiangonana, ‘fanorenan’ny apôstôly sy ny mpaminany’ [jereo ny Efesiana 2:19–20]. Ireo Rahalahy ireo sy ny mpiandraikitra hafa ao amin’ny Fiangonana dia hanompo eo ambany fitarihan’ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty.

“Nahoana? Anisan’ny anton’izany dia ny ‘mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fikendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana’ [Efesiana 4:14]” (“Prophets, Seers, and Revelators,” Ensign na Liahona, nôv. 2004, 6–7).

  • Ahoana no hitondran’ny apôstôly sy ny mpaminany amin’izao fotoana izao hery fototra sy tsy fiovana ho an’ny Fiangonana?

Asan’ny Apôstôly 2:1–6, 14–26; 4:1–13, 18–21; Asan’ny Apôstôly 10:9–20, 25–28, 34–35, 44–48; Asan’ny Apôstôly 15:1–20

Nitarika ny Apôstôly tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Jesoa Kristy

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apôstôly1:1–2. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Araka ny voalazan’i Lioka, ahoana no fomba nitarihan’ilay Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty ny Apôstôliny taorian’ny Fiakarany tany an-danitra? (Nanome didy sy torolalana tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy.)

Mijoroa ho vavolombelona fa taorian’ny Fitsanganany tamin’ny Maty sy ny Fiakarany tany an-danitra, dia nitarika ny Apôstôly tamin’ny alalan’ny fiasan’ny Fanahy Masina i Jesoa Kristy. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ohatra mikasika an’ity fitarihana ity, dia zarazarao ho vondrona efatra izy ireo ary omeo ireto andraikitra manaraka ireto:

  • Halalino ny Asan’ny Apôstôly 2:1–6, 14–26, ary jereo ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina an’i Petera sy ny Apôstôly tamin’ny andron’ny Pentekôsta.

  • Halalino ny Asan’ny Apôstôly 4:1–13, 18–21, ary jereo ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina an’i Petera hamaly ny fanontanian’ireo mpitarika Jiosy.

  • Halalino ny Asan’ny Apôstôly 10:9–20, 25–28, 34–35, 44–48, ary jereo ny fomba nandraisan’i Petera fanambarana momba ny fiovana manan-danja iray tao amin’ny Fiangonana.

  • Halalino ny Asan’ny Apôstôly 15:1–20, ary jereo ny fomba fiantraikan’ny fanambarana taloha avy tamin’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fanapahan-kevitra noraisin’i Petera sy ny fanohanana nomen’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana hafa an’io fanapahan-kevitra io tamin’ny fihaonambe tany Jerosalema iray.

Rehefa nahazo fotoana ampy ny mpianatra, dia asao ny olona iray avy amin’ny vondrona tsirairay hamintina ny zavatra novakiany sy hanazava ny fomba notarihan’i Jesoa Kristy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fiasan’ny Fanahy Masina. Hazavao fa ny Fanahy Masina dia manatanteraka ny andraikiny eo ambany fitarihan’ny Mpamonjy (jereo ny Jaona 16:13–14).

Ampiasao ny 3 Nefia 19:7–9, 19–20 mba hampisehoana fa ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nandray fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina ihany koa tamin’ny asa fanompoany.

Manaova fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny mpianatra momba ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no fomba hanazavanao amin’ny olona iray ny maha-zava-dehibe ny fahafantarana fa taorian’ny Fahafatesan’i Jesoa Kristy, dia mbola nitarika hatrany ny Apôstôliny Izy?

Ankehitriny, dia manoro lalana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Jesoa Kristy

Asehoy ireto fanambarana manaraka nataon’ny Filoha President Thomas S. Monson sy ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ireto (na zarao amin’ny mpianatra izany), ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:

Filoha Thomas S. Monson

“Mijoro ho vavolombelona aho … fa i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no lohan’ity Fiangonana ity, izay mitondra ny anarany. Fantatro fa ny zavatra mahafinaritra indrindra amin’ity fiainana ity dia ny mahatsapa ny bitsika omeny rehefa manoro lalana antsika amin’ny fampandrosoana ny asany Izy” (Thomas S. Monson, “Looking Back and Moving Forward,” Ensign na Liahona, mey 2008, 88).

Filoha Henry B. Eyring

“Tonga tamin’ny [Filoha Thomas S. Monson] teo anatrehako mivantana ny fanambarana sy ny aingam-panahy, izay manamafy amiko fa manome voninahitra [ny fanalahidin’ny fisoronana izay hazonin’ny mpaminany] Andriamanitra. Tena natrehako maso izany” (Henry B. Eyring, “The True and Living Church,” Ensign na Liahona, mey 2008, 24).

  • Ahoana no hampiseho an’ireo fanambarana roa ireo ny fifandraisan’ny Fiangonana tao amin’ny Testamenta Vaovao sy Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra ity fahamarinana manaraka ity: Tahaka ny nanoroan’i Jesoa Kristy lalana ny Apôstôliny tao amin’ny Testamenta Taloha, no hanoroany lalana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny amin’ny alalan’ny fomba maro, anisan’izany ny fiasan’ny Fanahy Masina.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny mpianatra hihaino sy hisaintsaina ny antony tokony hitarihan’ny Mpamonjy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny fanorenan’ny Fiangonana eo amin’ny apôstôly sy mpaminany dia natao mba hitondrana fitahiana amin’ny fotoana rehetra, fa indrindra indrindra amin’ny fotoana isian’ny fanoherana sy ny loza, fotoana izay mety hahatsapantsika ny tenantsika ho toy ny zazakely, very hevitra sy tsy mahafantatra ny tokony hatao, indraindray aza matahotra kely mihitsy, fotoana izay hanandraman’ny tanana te hamitaky ny olombelona na hanandraman’ny hafetsen’ny devoly ny fitondrana any amin’ny lalana diso na ny fanakorontanana. Mba ho fiarovana amin’izany, amin’izao vanim-potoana iainantsika izao, dia nomen’ Andriamanitra fahefana sy notohananao ho mpaminany, sy mpahita ary mpanambara ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary ny Filohan’ny Fiangonana dia notohanana hoilay mpaminany, mpahita sy mpanambara, ilay Apôstôly efa ela niasana indrindra, ary noho izany dia ilay hany olona iray nahazo lalana hampiasa ny fanalahidy hoenti-manambara sy hoenti-mitantana ho an’ny Fiangonana. Ireo mpiandraikitra ireo izay tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao, sy tamin’ny vanim- potoan’ny Bokin’i Môrmôna ary amin’ny vanim-potoana iainantsika izao no mandrafitra ny vato fanorenan’ny Fiangonana marina, izay mitoetra manodidina sy mandray hery avy amin’ny vato fehizoro, dia ‘ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i [Jesoa] Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra’ [Helamàna 5:12]” (“Prophets, Seers, and Revelators,” Ensign na Liahona, nôv. 2004, 7).

Manaova fanaraha-maso amin’ny alalan’ny fametrahana amin’ny mpianatra ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na ny fanontaniana rehetra:

  • Araka ny hevitrao, inona ny dikan’ny hoe ny mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana dia “mitoetra manodidina” sy mandray hery avy amin’ny vato fehizoro, i Jesoa Kristy?

  • Inona no zavatra manamarina na inona no zavatra niainanao izay nahatsapanao fa manoro lalana ireo izay miahy ny Fiangonana ankehitriny ny Mpamonjy?

  • Ahoana ny fandraisana anjara amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana no nanampy anao hanatona an’i Kristy sy hitoetra eo ambonin’ny fanorenan’ny apôstôly sy ny mpaminany?

Asehoy na soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fanontaniana sy hanoratra drafitra hoenti-manatsara ireo lafin-javatra ireo ao amin’ny diary ho an’ny tenany manokana na ny diary fandalinany soratra masina.

Inona no azoko atao mba hankaherezana ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Apôstôly maoderin’ny Mpamonjy?

Ahoana ny fomba ahafahako mitoky bebe kokoa amin’ny mpaminany amin’izao fotoana mba ahafahako miorina amin’i Jesoa Kristy?

Vakitenin’ny Mpianatra