Lesona 2
I Jesoa Kristy no ivon’ny tantaran’ny olombelona rehetra
Fampidirana
Teo am-pijoroana ho vavolombelona mikasika ny anjara toerana manandanja tazonin’i Jesoa Kristy eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra no nanambaran’ireo mpaminany ankehitriny hoe: “Mijoro ho vavolombelona amim-panajana izahay, fa ny fiainany, izay ivon’ny tantaran’ny olombelona rehetra, dia sady tsy nanomboka tao Betlehema no tsy nifarana tao Kalvary” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2). Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra kokoa fa ny Ray any An-danitra dia nametraka ny drafitry ny famonjeny tany amin’ny tontolo talohan’ny fiainana an-tany ary nanendry mialoha an’i Jehovah, ilay Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahany, mba ho eo anivon’io drafitra io. Hentanina ny mpianatra mba hametraka an’i Jesoa Kristy ho eo anivon’ny fiainan’izy ireo eto an-tany.
Vakiteny Enti-mandalina
-
Robert D. Hales, “Fahafahana misafidy: Zava-dehibe eo amin’ny drafitry ny fiainana,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 24–27.
-
Dallin H. Oaks, “ The Great Plan of Happiness,” Ensign, Nôv. 1993, 72–75.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Almà 12:22–34
Ny Mpamonjy no ivon’ny drafitr’ Andriamanitra
Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Alexander B. Morrison avy ao amin’ny Fitopololahy ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky mafy izany. Asao ny mpianatra hanaraka izany ary hamantatra izay zavatra nasehon’ny Ray any An-danitra tamin’ireo zanany tany amin’ny tontolo talohan’ny fiainana an-tany:
“Taloha elabe, talohan’ny nisian’ity tany izay hitoerantsika amin’izao fotoana izao ity, dia nanao drafitra … Andriamanitra Raintsika. … [Io] drafitra io dia nanomana fomba tonga lafatra ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra handraisana ny tsy fahafatesana sy hahazoana ny fiainana mandrakizay” (“Life—the Gift Each Is Given,” Ensign, Des. 1998, 15–16).
-
Inona avy ireo fitahiana nolazain’ny Loholona Morrison fa mety ho raisintsika any amin’ny farany ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra? (Hazavao fa ny hoe tsy fahafatesana dia ilazana ny fitsanganana amin’ny maty—tsy ho faty intsony ny vatana—ary ny fiainana mandrakizay dia ilazana ny karazam-piainana izay iainan’ Andriamanitra.)
Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 12:25 ka hamantatra ny fomba niresahan’i Almà mikasika ny drafitr’ Andriamanitra sy ny fotoana nanomanana izany. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo. (Nampianatra i Almà fa ny “drafitry ny fanavotan’” Andriamanitra dia nomanina “hatry ny fanorenana izao tontolo izao.” Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia azonao hamafisina fa ny teny hafa hilazana ny drafitr’ Andriamanitra dia ahitana ny hoe “drafitra feno famindram-pon’Ilay Mpahary lehibe” [2 Nefia 9:6]; “ny drafitry ny famonjena” [Almà 24:14]; “ny drafitra lehiben’Ilay Andriamanitra Mandrakizay” [Almà 34:9]; “ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana” [Almà 42:8]; ary ny “fanekempihavanana mandrakizay” [F&F 22:1; 45:9; 66:2].)
Ary avy eo dia asao ireo mpianatra hiaraka tsiroaroa handalina ny Almà 12:22–32 ka hitady ireo antony niantsoana ny drafitr’ Andriamanitra hoe drafitry ny fanavotana. Omeo fotoana ampy izy ireo ary manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra hitan’izy ireo amin’ny kilasy manontolo. Ampio ireo mpianatra hahatakatra kokoa ireo andininy ireo amin’ny alalan’ny fanontaniana hoe:
-
Araka ny fampianaran’i Almà, ahoana no mety hiafarantsika mandrakizay raha tsy nisy ny drafitry ny fanavotana? (Raha tsy misy ny drafitry ny fanavotana, dia tsy hisy fitsanganana amin’ny maty na fanavotana amin’ny fahotana, ka tavela ho very sy lavo ny zanak’olombelona sy ao anatin’ny toetry ny fahafatesana mandrakizain’ny vatana sy fanahy [jereo ihany koa ny 2 Nefia 9:6–13].)
-
Nahoana no tena nilaina ny nanomezana fomba iray ahafahantsika mandresy ireo toe-javatra ireo?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 12:33–34. Asao ny mpianatra hanaraka tsara, sady mitady izay zavatra nomanin’ Andriamanitra mba hanavotana ireo zanany. Ampio ireo mpianatra hilaza fotopampianarana na fitsipika iray izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fanontaniana hoe:
-
Ahoana no fomba hamintinanao ny zavatra izay notanterahin’i Jesoa ho antsika ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra? (Tokony ahitana izao manaraka izao ny valiny: Raha mibebaka isika ary tsy manamafy ny fontsika, dia hahazo famindram-po sy famelana ny fahotantsika amin’ny alalan’ny Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany no hahazoantsika famelan-keloka sy hahafahantsika miditra eo anatrehan’ny Ray any An-danitra.)
Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no ivon’ny drafitr’ Andriamanitra, ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotany no nanomanana fomba ahafahantsika mahazo ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.
Abrahama 3:24–27; 1 Petera 1:19–20
Efa voatendry mialoha i Jesoa Kristy mba ho Mpamonjy antsika
Asao ireo mpianatra handalina ny Abrahama 3:24–27 sy ny 1 Petera 1:19–20, ary hitady ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny anjara asan’ny Mpamonjy eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Apetraho avy eo ireto fanontaniana manaraka ireto. (Fanamarihana: Ny fametrahanao fanontaniana tahaka izany dia ahafahanao manampy ireo mpianatra hianatra ny fomba famakafakana ireo andinin-tsoratra masina sy hamantatra ireo fotopampianarana ampianarina ao anatin’izy ireny.)
-
Ao amin’ny Abrahama 3:26, inona no hevitry ny teny hoe “toetrany voalohany” sy “toetrany faharoa”? (Ny hoe “Toetra voalohany” dia entina hilazana ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ary ny hoe “toetra faharoa” dia hilazana ny fiainana an-tany.)
-
Iza avy ireo olona telo voalaza ao amin’ny Abrahama 3:27, ary inona avy no nataon’ny tsirairay tamin’izy ireo? (Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary i Satana. Antitrantero fa tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana dia nanendry mialoha an’i Jesoa Kristy, ilay Zanany Lahimatoa, ny Ray any An-danitra , mba ho eo anivon’ny drafiny.)
Ataovy izay ahatakaran’ny mpianatra fa i Jesoa dia nantsoina hoe Jehovah tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana. Anontanio avy eo hoe:
-
Inona no nampanantenain’i Jehovah an’ny Ray fa ho ataony any amin’ny fiainana an-tany raha nilaza izy hoe: “Inty Aho, iraho Aho,”? (Hampianatra ny filazantsarany, hanorina ny Fiangonany, hiaritra sy ho faty noho ny fahotantsika, ary hitsangana amin’ny maty.)
-
Inona no nataon’ny Ray any An-danitra ho antsika tamin’ny nisafidianany an’i Jehovah ho Mpanavotra, raha ny mikasika ny zavatra azontsika ho tanterahana amin’ny ho avy?
Asaivo mandalina mangina ny Mosesy 4:2 ireo mpianatra ka mitady ireo fahamarinana manan-danja hafa mikasika ny fisafidianan’ny Ray any An-danitra an’i Jehovah ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Rehefa manazava ny zavatra hitany ireo mpianatra, dia ataovy izay ahitan’izy ireo ireto fahamarinana manaraka ireto: Efa voafidy hatrany ampiandohana i Jehovah. Ny antony iray naha voafidy an’i Jehovah dia noho Izy nikatsaka ny hanao ny sitrapon’ny Ray sy hanome ny voninahitra rehetra ho an’ny Ray. Mba hanantitranterana kokoa ireo fahamarinana ireo dia asehoy ary vakio mafy ity teny nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“I [Jesoa Kristy] no hany toa nanana fanetrentena sy finiavana ampy tao amin’ny filan-kevitra talohan’ny nahaterahana ka nahafahany ho voatendry mialoha [hanatanteraka ny Sorompanavotana tsy misy fetra]” (“Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Ensign, Mar. 2008, 35).
Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny mety ho endrik’izany hoe nanatrika teo rehefa nilaza tamin’ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra fa i Jehovah Zanaka Lahimatoany no ho Mpamonjy antsika. Avy eo dia asehoy ity fanambarana ity izay nataon’ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44), ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:
“Tany amin’ny fandrindrana voalohany tany an-danitra dia nanatrika teo avokoa isika rehetra ary nahita ny Mpamonjy nofidiana sy notendrena ary ny nanaovana ny drafitry ny famonjena ka nanaiky an’izany isika” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 209).
-
Inona no heverinao fa efa fantatrao mikasika an’i Jehovah ka mety ho nanosika anao hanohana ny niantsoana Azy sy ny nanendrena Azy ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika?
Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Avy eo dia omeo fotoana kely ireo mpianatra hanoratra izay eritreritra sy fahatsapana ananan’izy ireo mikasika ny Mpamonjy rehefa mandalina ny fahamarinana masina nampianarin’ny Loholona Maxwell:
“Tsy mbola nisy olona nanome betsaka toy izany ho an’ny olona maro toy izany tamin’ny alalan’ny teny vitsy tahaka izany toy ny tamin’ny nilazan’ i Jesoa hoe: ‘Inty aho, iraho Aho.’ (Abr. 3:27.)” (“Jesus of Nazareth, Savior and King,” Ensign, Mey 1976, 26).
Azonao atao ny miangavy mpianatra vitsivitsy hizara izay nosoratan’izy ireo amin’ny mpianatra.
Mametraka ny Mpamonjy ho ivon’ny fiainantsika eto amin’ny fiainana an-tany
Asaivo miverina mijery ny Abrahama 3:25 ireo mpianatra, izay nianarantsika fa ny fiainana an-tany dia nataon’ny Ray any An-danitra ho fotoam-pisedrana, ahitana raha toa isika hankato ireo didiny. Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Miangavia mpianatra iray hamaky mafy io fanambarana io, ka mandritra izany ireo mpianatra dia hitady ny safidy iray izay tsy maintsy ataontsika ho anisan’ny fisedrana antsika eto an-tany:
“Kanefa alaivo sary an-tsaina anie: nisafidy ny hanaraka ny Mpamonjy Jesoa Kristy isika, tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana! Ary satria nanao izany isika dia nomena lalana ho ety an-tany. Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’ny alalan’ny fanaovana safidy ny hanaraka ny Mpamonjy, eto an-tany amin’izao fotoana izao toy ny tamin’ izany, no hahazoantsika fitahiambe mihoatra noho izany any amin’ny mandrakizay. Kanefa fantaro fa: tsy maintsy manohy misafidy ny hanaraka ny Mpamonjy isika. Ny fiainana mandrakizay no miankina amin’izany ary zava-dehibe ny fampiasantsika amim-pahendrena ny fahafahantsika misafidy sy ny zavatra ataontsika mba hahafahantsika mahazo fiainana mandrakizay” (“Fahafahana Misafidy: Zava-dehibe eo amin’ny Drafitry ny Fiainana,”Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 25).
Mba hanampiana ny mpianatra hahita sy hahatakatra fitsipika na fahamarinana iray izay nampianarin’ny Loholona Hales, dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no nianaranareo tamin’ny fanambaran’ny Loholona Hales mikasika ireo safidintsika eto amin’ity fiainana ity? (Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia mijoroa ho vavolombelona fa ny fisafidianantsika ny hametraka ny Mpamonjy ho ivon’ny fiainantsika mandritra antsika ety an-tany, no hahazoantsika fitahiana lehibe kokoa any amin’ny mandrakizay.)
-
Inona no heverinao fa mety ho tian’ny Loholona Hales hambara amin’ny teny hoe “ny fiainana mandrakizay no miankina amin’izany”?
-
Inona avy ireo toetra na asa izay manambara fa misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy ny olona iray? (Soraty eo amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ireo mpianatra.)
Hazavao fa ho an’ny ankabeazantsika, dia mora ny mifantoka amin’ny Mpamonjy rehefa Alahady. Ahoana no fomba ahafahantsika manao izay hahatonga Azy ho ampahany manan-danja kokoa eo amin’ny fiainantsika mandritra ny herinandro? Omeo fotoana ireo mpianatra handinihana izay nataon’izy ireo androany mba hifantohana amin’ny Mpamonjy. Asao izy ireo hanoratra zavatra izay azon’izy ireo atao anio mba hametrahana ny Mpamonjy ho eo anivon’ny fiainan’izy ireo kokoa. Entano izy ireo hanao fanoloran-tena mangina amin’ny Ray any An-danitra fa hanao izany.
Farano ny lesona amin’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay nampianarina androany.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
Almà 12:22–34; 34:9; 42:8, 11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:1; 45:9; 66:2; Abrahama 3:24–27; 1 Petera 1:19–20; Mosesy 4:2.
-
Robert D. Hales, “Fahafahana Misafidy: Zava-dehibe eo amin’ny Drafitry ny Fiainana,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 24–27.