Lesona 7
I Jesoa Kristy—Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra tao amin’ny nofo
Fampidirana
Fahiny dia vaovao iray mahafaly izay nambaran’ny maro ny vaovao mikasika ny fahaterahan’ny Mpamonjy—Nandefa ny Zanany Lahitokana Andriamanitra mba hanavotra izao tontolo izao. Ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” dia manambara fa i Jesoa no “voalohan-teraky ny Ray, ilay Zanaka Lahitokana tao amin’ny nofo, ilay Mpamonjy izao tontolo izao” (Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2–3). Ao amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hahafantatra ny antony nilàna ny nahatonga an’i Jesoa ho nateraky ny reny mety maty sy ny Ray tsy mety maty.
Vakiteny Enti-mandalina
-
Robert E. Wells, “Our Message to the World,” Ensign, Nôv. 1995, 65–66.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 1:18–24; Lioka 1:26–35; Mosià 3:7–8
“Zanaka Lahitokan’ny Ray”
Atombohy ny lesona amin’ny fanehoana ny horonan-tsary hoe “The Nativity” (2:59). (Alaivo sy jereo mialoha ilay horonantsary alohan’ny fotoam-pianarana.)
Aorian’ilay horonan-tsary dia manontania hoe:
-
Lafiny inona amin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy no manan-danja aminao, ary nahoana?
Lazao amin’ny mpianatra fa ato amin’ity lesona ity izy ireo dia hiresaka momba ny lafiny iray amin’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy izay tsy maintsy ilaina mba hahafahantsika mhahatakatra ny antony ahafahan’ny Mpamonjy manantanteraka ny anjara andraikiny eo amin’ny drafitry ny Ray.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 1:18–19 ary asao ny ambiny haka sary an’eritreritra ny toe-javatra voasoritra ao amin’ireo andininy ireo. (Fanamarihana: Ny fakana sary an’eritreritra dia fomba iray fandalinana soratra masina izay hahafahana mampiaina sy mamelona kokoa ny tantara iray ao amin’ny soratra masina.) Avy eo dia anontanio ny mpianatra izay mety ho fahatsapana ananan’izy ireo raha toa ka niaina toe-javatra mitovitovy amin’ny an’i Josefa izy ireo. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Matio 1:20–24 ary hamantatra ny nahatonga an’i Josefa nana-pakevitra ny tsy “hametraka an’i [Maria] mangingina” (andininy 19), izay midika hoe hanafoana mangingina ny fifamofoan’izy sy i Maria. (Fanamarihana: Ny famaritana ireo teny na andianteny sarotra dia manampy ireo mpianatra hahatakatra ny soratra masina. Ho an’ireo andininy ireo dia azonao atao ny mampiasa izao fanazavana manaraka izao: (1) ny anarana hoe Jesoa [Yeshua amin’ny teny Aramaika] dia midika hoe “Jehovah no famonjena” na “Jehovah dia mamonjy”; (2) ny soratra masina izay resahina ao amin’ny Matio 1:22–23 dia ny Isaia 7:14; ary ny (3) anarana hoe Imanoela dia midika hoe “miaraka amintsika Andriamanitra.”)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Lioka 1:26-30. Asaivo manaraka ireo mpianatra ambiny ary mitady izay ampianarin’io andininy io mikasika an’i Maria. Asao ireo mpianatra hanazava ny zavatra hitan’izy ireo. Avy eo dia manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Lioka 1:31–35 ka manaraka tsara ireo mpianatra ambiny mandritra izany. Anontanio hoe:
-
Inona ao amin’ireo andininy ireo no manamafy hoe iza no Rain’i Jesoa?
Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity:
Apetraho amin’ny mpianatra iray ireto fanontaniana ireto:
-
Milazà endrika iray ara-batana izay nolovainao tamin’ny rainao. Milazà endrika iray ara-batana izay nolovainao tamin’ny reninao.
Ataovy eo amin’ny kisary eo amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ilay mpianatra (jereo ny ohatra nampiarahana amin’ity):
Fafao ny kisary tamin’ny voalohany ary ataovy sary eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:
Asehoy ity fanambarana ity izay nataon’ny Loholona James E. Talmage (1862–1933) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary iangavio ny mpianatra iray hamaky izany mafy:
“Io Zaza izay ho aterak’i Maria io dia zanak’i Elôhima, ilay Ray Mandrakizay, tsy tamin’ny fandikana ny lalàna voajanahary fa araka ny endrika avo lenta kokoa amin’izany lalàna izany; … Ao amin’ny toetrany dia ahitana fifangaroan’ireo hery amin’ny maha-Andriamanitra sy ireo fahaizana sy fahafahana avy amin’ny toetra mety maty; ary izany dia amin’ny alalan’ny fanarahana tsotra izao ny lalàna fototry ny fandovana, izay nambaran’ Andriamanitra, sy porofoin’ny siansa ary eken’ny filôzôfia, fa ny manan’aina dia hiteraka—mitovy karazana aminy. I Jesoa Zazakely dia natao handova ireo toetra sy fironana ary hery ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy izay nampiavaka ireo ray aman-dreniny—ny iray tsy mety maty sy be voninahitra—dia Andriamanitra, ny iray hafa olombelona—ilay vehivavy” (Jésus le Christ, ed. faha 3 [1916], 81).
-
Inona no toetra manan-danja izay nolovain’ny Mpamonjy tamin’ireo ray aman-dreniny tsirairay?
Rehefa mamaly ireo mpianatra dia tanisao eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe “Maria” ireo toetra izay nolovain’i Jesoa Kristy tamin’ny reniny (toy ny hoe mety maty—afaka mahatsapa fanaintainana sy mety maty ara-batana). Tanisao eo ambanin’ny hoe “Ray any An-danitra” ireo toetra izay nolovainy tamin-dRainy (toy ny fahefana amin’ny maha-Andriamanitra—tsy fahafatesana na ny fahafahana miaina mandrakizay; jereo ny Jaona 10:17–18).
Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 3:7-8. Anontanio hoe:
-
Nahoana ny Mpamonjy no nila ny hery anankiroa dia ny mety maty sy ny tsy mety maty mba hahafahany manatanteraka ny Sorompanavotana? (Rehefa mamaly ireo mpianatra, dia ataovy izay hahatakaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Amin’ny maha Zanaka Lahitokan’ny Ray ao amin’ny nofo an’i Jesoa Kristy dia afaka nanatanteraka ny Sorompanavotana Izy, izay nitaky Azy mba hiharitra mihoatra noho izay azon’ny olombelona mety maty zakaina, ary amin’izany no nanatontosany ny anjara andraikiny tao amin’ny drafitry ny Ray. Ankoatr’izany, noho i Jesoa nanana hery nandresena ny fahafatesana, dia nanana fahafahana Izy hitsangana amin’ny maty. Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra tsara fa raha nateraky ny ray aman-dreny roa samy mety maty i Jesoa Kristy dia tsy ho afaka nandresy ny fahafatesana na niaritra ny fanaintainana sy fijaliana tsy nisy fetra tamin’ny Sorompanavotana. Raha nateraka ray aman-dreny roa samy tsy mety maty Izy, dia tsy ho afaka nandairan’ny fijaliana ara-batana sy ny fahafatesana.)
Mba hanantitranterana bebe kokoa io fotopampianarana manan-danja io dia omeo tahadikan’ity fanambarana ity izay nataon’ny Loholona Robert E. Wells avy ao amin’ny Fitopololahy ny mpianatra tsirairay, ary omeo fotoana izy ireo hamakiana sy handinihana izany:
“Ny maha Zanak’ Andriamanitra an’i Jesoa Kristy … dia tena ilaina indrindra mba hahatakarana ny drafitry ny famonjena manontolo. Izy no Zanaka Lahimatoan’ny Ray tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ary Lahitokan’ny Ray eto an-tany. Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay dia ray aman-dreny ara-bakitenin’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy sy ho an’ireo fanahy zanany hafa. …
“Ny maha ‘Zanak’ Andriamanitra’ ihany koa dia entina ilazana ny maha ‘Zanaka Lahitokana ao amin’ny nofo’ Azy. … Io fiantsoana io dia midika fa ny vatana ara-nofon’i Jesoa dia taranaky ny reny mety maty sy taranaky ny Ray Mandrakizay tsy mety maty, fahamarinana izay manan-danja indrindra ho an’ny Sorompanavotana, fihetsika iray lehibe izay tsy ho azo notanterahin’ny olombelona tsotra. Nanana fahefana i Kristy hanolotra ny ainy sy haka izany indray satria Izy nandova ny tsy fahafatesana avy tamin’ny Rainy any An-danitra. Tamin’i Maria reniny no nandovan’i Kristy ny toetra mety maty na ny fahafahana ho faty.
“Io sorompanavotana tsy misy fetra nataon’i Kristy io sy io maha-Zanak’ Andriamanitra an’i Kristy io dia miara-miasa mba hanome ilay fotopampianarana tokana sy manan-danja indrindra eo amin’ny tontolo Kristianina” (“Our Message to the World,” Ensign, Nôv. 1995, 65).
Farano ity ampahany amin’ny lesona ity amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana ireto:
-
Ahoana no fomba ahafahanao hahatoky ny Mpamonjy sy hanana finoana Aminy rehefa mahafantatra ireo toetra izay nolovain’i Jesoa tamin’ny Maria?
-
Ahoana no fomba ahafahanao hahatoky ny Mpamonjy sy hanana finoana ao Aminy rehefa mahafantatra ireo toetra izay nolovain’i Jesoa tamin’ny Ray any An-danitra?
1 Nefia 11:13-21
Nahita ny fiambanian’ Andriamanitra i Nefia
Lazao amin’ny mpianatra fa hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa i Nefia dia nahita fahitana iray izay nahafahany nianatra mikasika ny ray aman-drenin’i Jesoa Kristy. Afaka mianatra fahamarinana fanampiny isika avy ao amin’io fahitana azony io. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny 1 Nefia 11:13–21. Asaivo manaraka tsara ny mpianatra ambiny ary mitady ireo fotopampianarana manan-danja nampianarina ao amin’ireo andininy ireo. Hazavao fa eto amin’ity sahan-kevitra ity, ny teny hoe fiambaniana dia midika hoe midina avy amin’ny toetra na toerana iray ambony kokoa mankamin’ny toetra na toerana iray ambany kokoa na manaiky ho apetraka amin’ny toerana ambany kokoa.
-
Iza no nianaran’i Nefia fa hoe ho ray aman-drenin’i Jesoa Kristy? (Tokony ho hitan’ireo mpianatra ity fotopampianarana ity: Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay sy i Maria no ray aman-drenin’i Jesoa Kristy teto amin’ny fiainana an-tany.)
-
Raha mandinika ireo lesona ato amin’ity fandaharam-pianarana ity ianao hatreto dia nahoana no azo heverina ho anisan’ny fiambanian’i Jesoa Kristy ny fahaterahany?
Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Rahalahy Tad R. Callister, filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:
“Andriamanitra Zanaka dia nahafoy ny fonenany tany an-danitra niaraka tamin’ny hakanton’ny lanitra rehetra mba ho tonga ety amin’ny toerana araka ny fiainana an-tany miaraka amin’ireo toe-javatra manahirana rehetra ao amin’izany. Izy, ‘ilay Mpanjakan’ny lanitra’ (Almà 5:50), ‘ilay Tompo Tsitoha izay manjaka’ (Môsià 3:5), dia nandao ny seza fiandrianany mba handova fihinanam-bilona. Natakalony an’ilay fiankinan-doha amin’ny maha-zaza ilay fanjakana amin’ny maha-andriamanitra. … Izany no fiovana lehibe indrindra azo natao teo amin’ny toe-javatra rehetra nisy. … Ilay Jehovah lehibe, mpamorona ny tontolo tsy hita isa, ary tsy manam-petra eo amin’ny fahatsarana sy ny fahefana dia niditra teto amin’izao tontolo izao voahodidina lamba-njaza sy tao anaty fihinanam-bilona” (The Infinite Atonement [2000], 64).
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny antony mahatonga ny fahaterahana ara-nofon’i Jesoa Kristy ho anisan’ny fiambanian’ Andriamanitra Ray ihany koa dia vakio mafy ity fanambarana nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Ny fiambanian’ Andriamanitra (izany hoe ny Ray) dia midika fa na dia Olona efa nisandratra sy tanteraka ary be voninahitra aza Izy dia nanjary ilay Ray manokana sy ara-bakiteny ho an’ny Taranaka iray mety maty nateraky ny vehivavy mety maty” (Mormon Doctrine, 2nd ed. [1966], 155).
Farano amin’ny fanontaniana amin’ireo mpianatra ny amin’izay eritreritra sy fahatsapana ananan’izy ireo ho an’ny Mpamonjy rehefa mieritreritra ny fiambaniany sy ny maha-fahagagana ny fahaterahany izy ireo. Anontanio raha misy amin’izy ireo te hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy, ho famaranana ny kilasy androany.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
Matio 1:18–24; Lioka 1:26–35; Jaona 10:17–18; 1 Nefia 11:13–21; Mosià 3:7–8.
-
Robert E. Wells, “Our Message to the World,” Ensign, Nôv. 1995, 65–66.