Lesona 25
Mbola hiverina i Jesoa Kristy indray andro any
Fampidirana
Naminany ny mbola hiverenan’i Jesoa Kristy indray eto an-tany ireo mpaminany nandritra ireo taranaka nifanesy. Nanoratra i Isaia hoe: “Dia hiseho ny voninahitr’i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany” (Isaia 40:5). Manampy ny mpianatr’i Jesoa Kristy hiomana sy hanomana ny hafa ho amin’ity trangan-javatra manokana ity sy hanana fanantenana ireo faminaniana ireo rehefa mahafantatra fa mahita mialoha ny hoavy ny Ray any An-danitra ary eo am-panomanana izao tontolo izao amin’ny fiverenan’ny Zanany amim-boninahitra Izy.
Vakiteny Enti-mandalina
-
Dallin H. Oaks, “Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey 2004, 7–10.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Ho avy amin’ny hery sy voninahitra ny Mpamonjy
Anontanio ireto fanontaniana manaraka ireto ireo mpianatra ary fintino eo amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo:
-
Inona no hevitrao momba ny fotoana nanambarana ny Fiaviana Fanindroany?
-
Tahaka ny ahoana ny fahitanao izany Fiaviana Fanindroany izany?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:11. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:
-
Inona no ianaranareo avy amin’ity andinin-tsoratra masina ity momba ny Fiaviana Fanindroany? Rehefa mamaly ny mpianatra dia antitrantero izao fahamarinana izao: Rehefa miverina indray ny Mpamonjy, dia ho avy amin’ny hery sy voninahitra Izy miaraka amin’ireo tafiky ny lanitra. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)
Hazavao amin’ny mpianatra fa misy endrika maro momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany azo ianarana ao amin’ny soratra masina, toy ireo famantarana izay hitranga mialoha ny fiaviany sy ny faharavan’ireo ratsy fanahy amin’ny fotoana hiaviany. Hifantoka manokana amin’ny Mpamonjy sy ny fiaviany amin’ny hery sy voninahitra ary ny fomba iomanantsika ho amin’izany trangan-javatra lehibe izany ity lesona ity. Zarao tahadikan’ny tabilao “Ireo Faminaniana momba ny Fiaviana Fanindroany” ny mpianatra tsirairay. Asaivo miasa tsiroaroa ireo mpianatra ary omeo tsivalana roa na telo misy andinin-tsoratra masina ho halalininy (alaivo antoka tsara fa voazara daholo ny tsivalana tsirairay). Angataho izy ireo hanoratra eo amin’ny tabilao ny zavatra ampianarin’ny andinin-tsoratra masina nomena azy momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo.
Ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany
Faminaniana momba ny Fiaviana Fanindroany |
Ny zavatra ianarantsika momba ny Fiaviana Fanindroany |
---|---|
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:6–7; Joseph Smith—Matio 1:40 | |
Zakaria 13:6; 14:4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:48, 51–53 | |
Isaia 63:2; Apôkalypsy 19:11–13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:46–48 | |
1 Tesaloniana 4:17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:96–98 | |
Apôkalypsy 16:20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:21–24 | |
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:19; 101:24–25; 133:41 | |
Araho maso izy ireo ka ametraho ireto fanontaniana ireto:
-
Raha mifototra amin’ny zavatra nianaranao, ahoana no hisehoan’ny hery sy ny voninahitr’i Jesoa Kristy amin’ny fiaviany ?
-
Inona amin’ireo faminaniana momba ny Fiaviana Fanindroany no tena hitanao fa nanan-danja taminao? Nahoana?
(Fanamarihana: Mety hiverina hijery ny tabilao ianao alohan’ny hanohizana ny lesona ary hanontany ny mpianatra ny lanjan’ny fandalinana ny soratra masina amin’izao fomba izao—mijery ny fifandraisana misy sy ny maodely ary ny lohahevitra.)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:12; 34:5–6; 39:20; 88:81–86, 92; 133:4–5, 10
Manomana antsika amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ireo Mpaminany
Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Sterling W. Sill (1903–1994) tao amin’ny Fitopololahy ity ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy:
“Ny fiavian’i Kristy fanindroany dia voalaza mihoatra ny in-dimanjato sy arivo ao amin’ny Testamenta Taloha ary in-telonjato ao amin’ny Testamenta Vaovao. Raha nieritreritra Andriamanitra fa manan-danja io lohahevitra io, dia mety nisy zavatra tiany ataontsika momba izany” (ao amin’ny Conference Report, apr. 1966, 19).
-
Nahoana araka ny hevitrao no manan-danja ny fahitana faminaniana maro momba ny Fiaviana Fanindroany ao amin’ny soratra masina?
Asehoy ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto na soraty eo amin’ny solaitrabe. Asaivo mampitaha am-pahanginana ireto andinin-tsoratra masina ireto ny mpianatra, hitady fomba roa hiomanantsika amin’ny Fiaviana Fanindroany.
Apetraho ireto fanontaniana ireto na ny sasantsasany amin’izany rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo:
-
Ahoana no hamintinanao amin’ny fehezanteny iray ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Alaivo antoka ny hanehoan’ny mpianatra zavatra toy ny hoe: Nomena sy nosoratana tao amin’ny soratra masina ireo faminaniana momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany mba ahafahantsika miomana sy manomana ny hafa ho amin’izany andro izany.)
-
Nahoana isika no mila manomana ny hafa fa tsy ny tenantsika fotsiny ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?
-
Inona avy ireo fomba vitsivitsy hanampiantsika ny hafa hiomana amin’ny fiverenan’ny Tompo?
-
Ahoana araka ny hevitrao no ahafahan’ny fanampianao ny hafa hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany manampy anao hiomana ihany koa?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Na dia tsy manana fahefana hanova ny Fiaviana Fanindroany sy tsy afaka ny hahafantatra ny fotoana marina hitrangany aza isika dia afaka manafaingana ny fiomanantsika manokana sy miezaka hampiomana ireo izay manodidina antsika. …
“Manao ahoana re raha toa ka rahampitso no andro hahatongavany? Raha nahafantatra isika fa rahampitso no hihaona amin’ny Tompo—noho ny fahafatesantsika alohan’ny fotoana na noho ny fiaviany tsy ampoizina—inona no ho ataontsika anio? Inona avy no fiaiken-keloka hataontsika? Inona avy no fomba fanaontsika izay hatsahatsika? Inona avy no olana eo amin’ny fifandraisana aman’olona izay halamintsika? Inona avy ireo famelan-keloka hataontsika? Inona avy ireo fijoroana ho vavolombelona hozaraintsika?
“Raha toa ka hanao ireo zavatra ireo isika, nahoana izany no tsy atao ankehitriny? Nahoana no tsy katsahina ilay fiadanana rehefa azo alaina izany? Raha toa ka lany ny fanalan’ny fiomanantsika, aoka isika hameno izany avy hatrany” (“Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey 2004, 8, 9).
-
Inona no azon’ny olona iray hatao mba hanafainganana ny fiomanany amin’ny Fiaviana Fanindroany?
-
Inona no loza misy raha mitsahatra tsy miomana isika?
Matio 25:1–13
Miomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany
Hazavao amin’ny mpianatra fa nanontany momba ireo famantarana mialoha ny Fiaviany Fanindroany ny mpianany andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy (jereo ny Matio 24:3; Joseph Smith—Matio 1:4). Hita ao amin’ny Matio 24–25 ny valintenin’ny Mpamonjy. Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Matio 25:1–13 ary asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sisa. Tariho hanao fifanakalozan-kevitra momba ilay fanoharana ny amin’ny virijiny folo avy eo ireo mpianatra amin’ny alalan’ireto fanontaniana sy teny manaraka ireto:
-
Inona no heverinao fa adala tamin’ny zavatra nataon’ireo virijiny dimy? (Tsy nanao izay zavatra tokony nataony ireo virijiny adala dimy tamin’ny fiomanany tamin’ny fiavian’ny Mpamonjy. Mitondra fitahiana lehibe ho antsika ny fiezahana amim-pahavitrihana hiomana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy amin’ny fanaovana izay fantatsika fa mety, tafiditra amin’izany ny fahavononantsika hiaraka amin’ny Mpamonjy rehefa tonga Izy.)
-
Inona no maha-manan-danja ilay fehezanteny manao hoe “mivoaha mba hitsena azy”? (andininy 6). Maninona no tsy miandry Azy amim-paharetana hanatona anao? (Jereo koa ny F&F 133:5, 10, 14, 19.)
-
Nahoana no tsy afaka nizara ny solikany tamin’ireo virijiny adala ireo virijiny hendry?
-
Inona no ampianarin’ity fanoharana ity anao momba ny fiomanana hitsena ny Mpamonjy? (Na dia mety hampiasa fiteny samy hafa aza ireo mpianatra dia mety haneho fitsipika mitovitovy amin’ity izy ireo: Afaka miomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany isika amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra. Jereo koa ny F&F 45:56–57.)
Ampio amin’ireto fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks sy ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifololahy ireto ny fifanakalozan-kevitra:
“Momba [ny fanoharana ny amin’ny virijiny folo] dia hoy ny Tompo, ‘Ary amin’izany andro izany, rehefa ho avy amin’ny voninahitro aho, dia ho tanteraka ny fanoharana izay noteneniko momba ny virijiny folo’ (F&F 45:56).
“Io fanoharana nomena ao amin’ny toko faha 25-n’ny Matio io dia mampiseho ny fahasamihafan’ny virijiny dimy adala sy ny virijiny dimy hendry. Samy nasaina ho amin’ny fanasan’ny fampakaram-bady izy folo, kanefa ny antsasany tamin’izy ireo ihany no niomana tamin’ny solika ho an’ny fanala rehefa tonga ny mpampakatra. Ireo dimy izay niomana dia nakany amin’ilay fanasan’ny fampakaram-bady, ary nikatona ny varavarana. Ny dimy izay nangatak’andro tamin’ny fiomanany kosa dia tonga tara. Efa nikatona ny varavarana ary nandà ny fidiran’izy ireo ny Tompo nanao hoe: ‘Tsy fantatro ianareo’ [Matio 25:12]. ‘Koa amin’izany miambena hianareo,’ hoy ny Mpamonjy teo am-pamaranana, ‘fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora’ [Matio 25:13].
“Mampihorin-koditra ny hafatra avy amin’ity fanoharana ity. Mazava ho azy fa ireo virijiny folo dia ampitahaina amin’ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy, samy nasaina tamin’ny fampakaram-bady avokoa izy rehetra ary samy nahalala ny fepetra takiana mba ho voaray rehefa tonga ny mpampakatra. Saingy ny antsasany ihany no vonona rehefa tonga izy” (Dallin H. Oaks, “Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey 2004, 8).
“Moa ve tia tena sy tsy te-hizara ireo virijiny dimy hendry, sa nanoro mazava tsara izy ireo fa tsy azo indramina ny soliky ny fiovam-po? Azo omena olona hafa ve ny hery ara-panahy izay azo avy amin’ny fankatoavana hatrany ireo didy? Azo atolotra ny olona iray izay mila izany ve ny fahalalana azo avy amin’ny fandalinana sy fisaintsainana lalina amim-pahazotoana ny soratra masina? Azo afindra amin’ny olona iray miatrika zava-tsarotra sy fanamby ve ny fiadanam-po entin’ny filazantsara ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany iray mahatoky? Tsia no valiny mazava ho an’ny tsirairay amin’ireo fanontaniana ireo.
“Araka ny namafisin’ireo virijiny hendry ireo, dia mila “mividy ho an’ny tenantsika” ny tsirairay avy amintsika. Tsy niresaka fifanaovan-draharaha ara-barotra ireo vehivavy nentanim-panahy ireo; fa nanindry kosa ny andraikitsika tsirairay avy mba hanao izay hampirehitra foana ny fanalan’ny fijoroantsika ho vavolombelona sy hahazo famatsiana ampy amin’ny soliky ny fiovam-po. Azo indray mitete isak’izay mandeha ity solika sarobidy ity—’andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra [sy] fitsipika anampy fitsipika’ (2 Nefia 28:30), amim-paharetana sy tsy an-kijanona. Tsy misy fomba tsotsotra tsy mitaky ezaka; tsy misy fiomanana maimaika azo atao amin’ny fotoana farany.” (David A. Bednar, “ Miova Fo ho an’ny Tompo,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 106).
-
Nahoana isika no tokony ho maika amin’ny fiomanana amin’ny Fiavian’i Kristy Fanindroany?
Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezanteny tsy feno manaraka ity ary asaivo misaintsaina sy manoratra ny mety hamenoany izany ny mpianatra:
Amporisiho ny mpianatra hieritreritra ny fomba manokana hanampiany ny fianakaviany sy ny namany na ny hafa hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fiomanana amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy. Amporisiho ny mpianatra hanolo-tena amin’ny Tompo fa hanaraka ny fitaomam-panahy rehetra izay voarainy.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
Dallin H. Oaks, “Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey 2004, 7–10.