Lesona 4
Nahary ny Tany i Jehovah
Fampidirana
Ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” dia manambara fa: “I [Jesoa Kristy] no Mpamorona ny tany, teo ambany fitarihan’ny Rainy. ‘Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary rehetra izao’ (Jaona 1:3)” (Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2). Rehefa takatry ny mpianatra ny tanjona mandrakizain’ny nahariana ny tany, dia afaka ny hiaina amin’ny fahatapahan-kevitra kokoa izy ireo ny hanatanteraka ny anton’ny nahariana azy ireo manokana.
Vakiteny Enti-mandalina
-
Russell M. Nelson, “The Creation,” Ensign, Mey 2000, 84–86.
-
Raha toa ka misy amin’ny fiteninao dia diniho ny hamakiana ny Neal A. Maxwell, “Our Creator’s Cosmos,” ao amin’ny By Study and by Faith: Selections from the Religious Educator, ed. Richard Neitzel Holzapfel and Kent P. Jackson (2009), 37–50.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Genesisy 1:1; Jaona 1:1–3; Hebreo 1:1–2; Jakôba 4:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:1–3; 76:22–24; 104:14–17; Mosesy 1:30–33; 2:1
Nahary ny tany i Jehovah
Manehoa zavatra iray izay namboarin’olona iray ho anao (ohatra hoe fanomezana). Zarao amin’ny mpianatra ny fahatsapana anananao momba io zavatra io sy amin’ilay olona nanao izany. Avy eo dia anontanio hoe:
-
Oviana no nisy olona nanamboatra zavatra ho anao? Inona no fahatsapana nanananao ho an’ilay olona nanamboatra azy io?
Asao ny mpianatra hampitaha sy hijery ny mahasamihafa ny Genesisy 1:1; Jaona 1:1–3; Efesiana 3:9; Hebreo 1:1–2; ary ny Mosesy 2:1. Asao ny mpianatra hitanisa eo amin’ny solaitrabe ny fitovizana sy ny fahasamihafana izay tsikaritr’izy ireo teo amin’ireo andininy ireo. (Fanamarihana: Rehefa mianatra mampitaha sy mijery ny mahasamihafa ny andinin-tsoratra masina ireo mpianatra, dia ho mora takarina kokoa ireo fotopampianarana sy fitsipika.) Dia anontanio hoe:
-
Iza no namorona ny tany raha ny voalaza ao amin’ireo soratra masina ireo? (Hamafiso fa i Jehovah no nahary ny tany teo ambany fitarihan’ny Ray, na tahaka ny nampianarin’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny Fahariana iray manontolo dia novolavolain’ny [Ray any An-danitra ]” (“The Creation,” Ensign, Mey 2000, 84).
Omeo fotoana ny mpianatra hamakiana sy hampitahana mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24; 104:14–17; sy ny Mosesy 1:30–33 sady mitady hoe inona ihany koa no noharian’i Jehovah. Raha ilaina dia hamafiso fa namorona tontolo tsy hita isa Izy ary “feno ny tany, ary manana ny ampy sy ny ho tehirizina aza” (F&F 104:17). Ampio ireo mpianatra hamakafaka io andianteny io amin’ny fanontaniana hoe:
-
Inona no ampahafantarin’io teny io mikasika ny zavatra izay tsy maintsy ho fantatry ny Mpamonjy rehefa namorona ny tany Izy? (Nilainy ny nahafantatra hoe firy ny olona izay honina eo amin’ny tany, ary inona no ilain’izy ireo mandritra ireo vanim-potoana samihafa eo amin’ny tantara.)
Hazavao amin’ny mpianatra fa zava-dehibe ny mahafantatra hoe iza no namorona ny tany, saingy mbola manan-danja kokoa noho izany ny fahafantarana hoe tamin’ny fahefana inona no namoronana ny tany. Asao ny mpianatra hampitaha sy hampifandray ny Môrmôna 9:16–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:1–3; ary ny Jakôba 4:9 ka hamantatra hoe ahoana no fomba namoronana ny tany. Asao ny mpianatra hanazava ny hevitr’ireo andininy ireo amin’izay fahaizany azy. Avy eo dia asehoy ity fanambarana manaraka ity:
“Nahary an’ity izao tontolo izao ity sy ny zava-drehetra ao anatiny i Jesoa Kristy. Nahary tontolo maro hafa koa izy. Tamin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana no nanaovany izany ary teo ambany fitarihan’ny Raintsika any An-danitra” (Ny Fitsipiky ny Filazantsara [2009], 23).
Antitrantero fa amin’izao fotoana izao, dia vitsy ihany ny antsipirihany omen’ny soratra masina mikasika ny fomba namoronana ny tany, saingy nampanantenaina antsika fa indray andro any dia ho ambara izany antsipirihiny izany (jereo ny F&F 101:32–34). Betsaka kokoa no ampianarina ao amin’ny soratra masina mikasika ny tanjon’ny Fahariana.
Ifampiresaho amin’ny mpianatra rehetra ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Rehefa mandinika ny tontolo manodidina anao ianao dia inona no ampianarin’ny zava-boarin’ Andriamanitra anao mikasika ny Mpamonjy, sy ny Fisoronany, ary ny toerana nananany tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana?
-
Inona no fiantraikan’ny fahatakaranao an’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fahatsapana anananao mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba Azy?
-
Inona no fiantraikan’ny fahatakaranao an’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fahatsapana anananao mikasika ny tany?
Alohan’ny hanohizana ny lesona dia antitrantero amin’ny mpianatra fa raha namorona ny tany ny Mpamonjy, dia ny Ray any An-danitra no Rain’ny fanahintsika ary namorona ny vatana ara-nofon’i Adama sy i Eva.
1 Nefia 17:36; 2 Nefia 2:23–25; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:16–17; Mosesy 1:27–33, 39
Ny tanjon’ny nahariana ny tany
Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra ary iangavio izy ireo hikaroka ao amin’ny Mosesy 1:27–33, 39; 1 Nefia 17:36; sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:16–17. Azonao atao ny mandroso sosokevitra amin’izy ireo hanisy marika ireo teny na andianteny izay manampy azy ireo hamolavola valinteny ho an’ity fanontaniana ity: “Ahoana re no fomba hanazavanao amin’ny namana iray ny antony nahariana ny tany?” Manasà mpianatra tsiroaroa vitsivitsy hizara ny valin-tenin’izy ireo amin’ny mpianatra rehetra. Tokony ho hitan’ireo mpianatra fa nahary ny tany i Jehovah mba hanomanana toerana hahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra miaina sy mivoatra mankamin’ny fiainana mandrakizay. Anontanio hoe:
-
Inona no hevitry ny teny hoe “fatrany amin’ny isan’ny olombelona” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:17? (Raha ilaina dia jereo ny fanazavana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:16–17 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, Boky Fandalinan’ny Mpianatra [(boky torolalan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001), 106].)
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 2 Nefia 2:18–25 dia anontanio izy ireo avy eo hoe:
-
Ahoana no mahatonga ireo toe-javatra tao amin’ny Saha Edena ho sakana tsy nahafahan’i Adama sy i Eva hivoatra eo amin’ilay drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ?
-
Amin’ny fomba ahoana no nahatonga ny fahalavoan’i Adama hanampy ny tany hahatratra ny tanjona nahariana azy? (Izany no nahafahan’i Adama sy Eva hanan-janaka.)
-
Ahoana no ahafahan’ireo vokatry ny Fahalavoana izay voalaza ao amin’ny andininy 23, manampy antsika hivoatra eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ?
Omeo tahadikan’ireto fanambarana ireto ny mpianatra tsirairay, izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, sy Rahavavy Julie B. Beck, izay filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha. Omeo fotoana ampy ny mpianatra hamakiana ireo fanambarana ireo ary handalinana ny anjara asan’ny Fahariana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena ireo zanany.
“Tsy misy hafa amin’ny maha azo antoka fa ny famonjena dia tanteraka noho ny Sorompanavotana, dia tahaka izany koa, ny famonjena dia tanteraka noho ny Fahalavoana. …
“Ary aoka ho tsaroana ihany koa fa ny Fahalavoana dia tanteraka satria nisy Mpahary iray tsy misy fetra … nanao ny tany sy ny olombelona ary ny karazan-java-manan’aina rehetra amin’ny endriny izay nahafahan’izy ireo ho lavo. … Ny zava-drehetra dia nohariana toy izany mba hahatonga azy ireo ho lavo na hiova, ary tamin’izany no nidirana tamin’ny karazana fiainana izay nilaina mba hampanan-kery ireo toe-javatra sy fepetra rehetra takian’ny drafitra mandrakizain’ ny famonjen’ny Ray.
“Io fahariana ny zava-drehetra ara-nofo voalohany io dia … nanana endrika paradisa. Tamin’ny fotoana niandohana sy fotoanan’ny Edena dia niaina tao amin’ny toetra avo kokoa ary samihafa amin’izay misy ankehitriny ny karazana zava-manan’aina rehetra. Ny fahalavoana izay ho avy dia hitondra azy ireo hidina sy mankany aloha ary mandroso kokoa. Mbola nila nampidirina teto amin’izao tontolo izao ny fahafatesana sy ny fahafahana miteraka” (Bruce R. McConkie, “Christ and the Creation,” Ensign, Jona 1982, 9).
“Ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia manana teôlôjia mikasika ny fianakaviana isika izay mifototra amin’ny Fahariana sy ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotana. Ny Fahariana ny tany dia nanome toerana izay ahafahan’ny fianakaviana hiaina. Nahary lehilahy iray sy vehivavy iray Andriamanitra dia ireo izay silany roa ilaina ao anatin’ny fianakaviana. Efa tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra fa i Adama sy Eva dia hofehezina ary ho lasa fianakaviana mandrakizay.
“Ny Fahalavoana dia nanome fomba ahafahan’ny fianakaviana hitombo. I Adama sy i Eva no mpitarika ny fianakaviana izay nisafidy ny hisedra ny fiainana eto an-tany. Ny Fahalavoana no nahafahan’izy ireo nanana zanakalahy sy zanakavavy.
“Ny Sorompanavotana no ahafahan’ny fianakaviana ho fehezina miaraka mandrakizay. Io no ahafahan’ny fianakaviana manana fivoarana sy fahatanterahana mandrakizay. Ny drafitry ny fahasambarana izay antsoina ihany koa hoe ny drafitry ny famonjena, dia drafitra iray noforonina ho an’ny fianakaviana. Ny taranaka vao misondrotra dia mila mhahatakatra fa ireo andry fototry ny finoantsika dia mifototra amin’ny fianakaviana” (Julie B. Beck, “Teaching the Doctrine of the Family,” Ensign, Mar. 2011, 12).
-
Ahoana no fomba hanampian’io fanambarana io anao hahatakatra ny anjara asa manan-danja sahanin’ny Fahariana eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra manontolo ho an’ny famonjena ireo zanany?
-
Nahoana no zava-dehibe ny mhahatakatra fa ny tany dia nohariana mba hanampiana ny tsirairay sy ny fianakaviana amin’ny fisandratana? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa takatsika ny tanjon’ny fahariana ny tany, dia afaka manana faniriana bebe kokoa isika hanatanteraka ny tanjona nahariana antsika.)
Hazavao amin’ireo mpianatra fa ny fahefana mamehy ao amin’ny fisoronana dia ahafahan’ireo mpivady sy ny ray aman-dreny sy ny zanaka ho tafaraka aorian’ny fahafatesana. Raha tsy misy ny fahefana hamehy izay naverina tamin’ny alalan’i Elia dia tsy ho afaka ny hahazo ny fahafenoan’ny fitahian’ny fisandratana ireo zanak’ Andriamanitra ary ity tanjon’ny fahariana ity dia tsy ho tanteraka, na araka izay ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, hoe: “ho fongorana tanteraka ny tany manontolo” (F&F 2:3; jereo koa ny Malakia 3:24).
Farano ny lesona amin’ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’ireto fahamarinana manan-danja ireto: (1) Nahary ny tany i Jehovah teo ambany fitarihan’ny Ray; (2) Nahary ny tany Izy mba hanomezana toerana hahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra miaina sy mivoatra mankamin’ny fiainana mandrakizay; ary (3) rehefa takatsika ny tanjona nahariana ny tany, dia afaka manana faniriana bebe kokoa isika hanatanteraka ny tanjona nahariana antsika.
Entano ny mpianatra mba handinika izay zavatra azon’izy ireo atao mba hanehoana ny fankasitrahan’izy ireo ireo zavatra noharian’i Jesoa Kristy. Entano ny mpianatra hanaraka izay bitsiky ny Fanahy tsapan’izy ireo nandritra ny lesona.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
Genesisy 1:1; Jaona 1:1–3; Hebreo 1:1–2; Mosesy 2:1; Môrmôna 9:16–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:1–3; 76:22–24; 104:14–17; Jakôba 4:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:32–34; Mosesy 1:27–33, 39; 1 Nefia 17:36; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:16–17.
-
Russell M. Nelson, “The Creation,” Ensign, Mey 2000, 84–86.