Seminera sy Institiota
Lesona 9: Ny fitaomana lalina ananan’ny Mpamonjy


Lesona 9

Ny fitaomana lalina ananan’ny Mpamonjy

Fampidirana

Ao amin’ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” dia nanambara ny mpitarika ny Fiangonana hoe: “Manolotra ny tenivavolombelonay izahay ny amin’ny fisian’ny fiainan’[ny Mpamonjy] tsy manam-paharoa sy ny zava-tsoa tsy misy fetran’ny sorompanavotany lehibe. Tsy nisy olona hafa nananana akony lehibe mihoatra noho izany teo amin’ireo rehetra efa niaina sy ireo mbola hiaina eto an-tany” (Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2). Ity lesona ity dia haneho fa ny Mpamonjy dia tsy manam-paharoa satria ankoatran’ny antony hafa rehetra, dia tsy nanota Izy ary mpankato tanteraka an’ny Ray any An-danitra. Rehefa mandalina ny fifandraisany tamin’ilay vehivavy Samaritana teo amin’ny fantsakana ireo mpianatra dia hahita ny fiantraikany lalina eo amin’izay manokatra ny fony Aminy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 4:1–11; 2 Kôrintiana 5:21; Hebreo 2:17–18; 4:15–16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:22

Nanana fiainana tsy nisy fahotana i Jesoa Kristy

Ho fanombohana ny fianarana dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe ny sitrapoko sy ny hoe ny sitrapon’ Andriamanitra. Miangavia mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 6:38 ary ny mpianatra ambiny kosa asaivo manaraka sy mitady hoe firy ny hoe “ny sitrapoko” teo amin’ny fanapahan-kevitra noraisin’i Jesoa. Asao ny mpianatra hieritreritra mangina hoe firy ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo tato ho ato izay azo sokajiana ao amin’ny hoe “ny sitrapoko” ary firy no azo sokajiana ao amin’ny hoe “ny sitrapon’ Andriamanitra.”

Lazao amin’ny mpianatra fa taorian’ny batisany i Jesoa dia nalain’i Satana fanahy hanao zavatra izay azo sokajiana ho toy ny hoe “ny sitrapoko.” Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Matio 4:1–11. Asao ny mpianatra ambiny hanaraka tsara sy hitady hoe ahoana no fomba nandresen’i Jesoa Kristy ny fakampanahy. (Azonao atao ny mampahafantatra ny mpianatra fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ny Matio 4:1–11 dia manazava hoe ny Fanahy fa tsy i Satana no nitondra an’i Jesoa teo an-tampon’ny tempoly [jereo ny andininy 5] ary avy teo dia ho any amin’ny tendrombohitra avo [jereo ny andininy 8]. Rehefa avy nentin’ny Fanahy teo amin’ireo toerana ireo i Jesoa dia tonga teo ny devoly naka fanahy Azy.)

  • Inona ny zavatra tsikaritrao mikasika ny fomba niatrehan’ny Mpamonjy ny fakampanahin’i Satana?

  • Inona no nianaranao avy amin’ny ohatry ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no hitovizan’ireo fakampanahy natrehan’ny Mpamonjy ireo amin’ireo izay hatrehantsika eo amin’ny fiainantsika?

Asehoy ary vakio ity fanambarana nataon’ny Filoha David O. McKay ity (1873–1970), izay nanazava ireo fakampanahy natrehan’i Jesoa tany an’efitra:

Filoha David O. McKay

“Saika ny fakampanahy rehetra izay atrehantsika sy ianao, dia mitranga amin’ny iray amin’ireo endrika ireo. Sokajio izy ireo, dia ho hitanao fa raha ao anatin’ny anankiray amin’ireo sokajy telo ireo, saika ny fakampanahy rehetra izay mahazo ahy sy anao, na dia ny bitika indrindra aza, dia tonga eo amintsika ho toy ny (1) fakampanahin’ny filan’ny vatana; na (2) fironana amin’ny hambo-po sy fomba fanao ary zava-poanan’ireo izay tsy manana anjara amin’ny zavatr’ Andriamanitra; na (3) fanomezana fahafaham-po ny firehetan’ny fo, na fitsiriritana ireo haren’izao tontolo izao, na fahefana eo amin’ny olona” (“Unspotted from the World,” Ensign, Aog. 2009, 27).

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Hebreo 2:17–18; 4:15–16. Miangavia mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:22. Asao ny mpianatra ambiny hanaraka tsara sy hanamarika izay mety mampitovy an’ireo andinin-tsoratra masina roa ireo. Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana no nilain’i Jesoa ny niaina fakampanahy?

  • Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mhahatakatra fa niaina fakampanahy mitovy amin’izay atrehantsika amin’izao andro izao i Jesoa Kristy?

Lazao amin’ny mpianatra fa ny iray amin’ireo tanjon’ny lesona androany dia hanehoana ny fiainana tsy manam-paharoan’ny Mpamonjy. Anontanio ny mpianatra hoe ahoana no fomba nanehoan’ireo andinin-tsoratra masina izay nohalalinin’izy ireo hatreto ny lafiny iray amin’izany fiainana tsy manam-paharoan’ny Mpamonjy izany. (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ireo mpianatra: Nanana fiainana tsy nanam-paharoa i Jesoa Kristy satria tsy mba nilefitra tamin’ny fakampanahy mihitsy Izy ary tsy nanota mihitsy.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Howard W. Hunter ity (1907–95), ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy an’izany:

Filoha Howard W. Hunter

“Zava-dehibe ny mahatsiaro fa i Jesoa dia afaka nanao fahotana, sy afaka nilefitra tamin’ny fahotana, ary nety ho rava ilay drafitry ny fiainana sy ny famonjena, kanefa dia nijanona ho mahatoky izy. Raha tsy nomena fahafahana izy iharan’ny fitaoman’i Satana, dia tsy ho nisy tena fitsapana marina, tsy ho nisy fandresena tena izy teo amin’ny vokatra azo. … Tanteraka sy tsy nanam-pahotana izy, tsy hoe satria tsy maintsy ho toy izany izy, fa satria tena vonona ny ho tonga tahaka izany izy” (“The Temptations of Christ,” Ensign, Nôv. 1976, 19).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Lioka 22:42, 44 sy ny 3 Nefia 11:11 ary hitady toetran’i Jesoa anankiray izay ohatra iray ihany koa amin’ny fiainany tsy manam-paharoa. (Tokony ho hitan’ny mpianatra ny fanoavan’ny Mpamonjy ny sitrapon’ny Ray.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity (1899–1994), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Filoha Ezra Taft Benson

“Nizaka ny fanaintainan’ny olon-drehetra tao Getsemane Izy, mba hahatonga azy ireo tsy hijaly raha mibebaka.

“Niaritra ny fanalam-baraka sy ny fanaratsiana nataon’ny fahavalo izy kanefa tsy mba nitaraina na namaly faty.

“Ary tamin’ny farany Izy dia nizaka ny karavasy sy ny henatra mahatsiravin’ny hazofijaliana. Teo Izy vao nitolo-tena an-tsitrapo tamin’ny fahafatesana. …

“Nankato tanteraka ny Ray any An-danitra Izy” (“Jesus Christ: Our Savior and Redeemer,” Ensign, Nôv. 1983, 7, 8).

Tohizo ny lesona amin’ny fametrahana ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana no nilain’i Jesoa Kristy tao anatin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ny ho tonga lafatra tamin’ny tsy fanaovana fahotana sy ny ho tonga lafatra amin’ny fanoavana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra? (Mety hanome valinteny samihafa ny mpianatra, kanefa tokony ho hitan’izy ireo ity fahamarinana ity: Ny drafitry ny famonjena dia nitaky an’i Jesoa mba ho mpankato tanteraka mba hahafahany manatanteraka ny Sorompanavotana.)

  • Mitondra inona eo amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy ny fahafantaranao fa tanteraka Izy teo amin’ny tsy fanaovana fahotana sy ny fankatoavana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia hamafiso fa afaka mahazo hery isika hanoherana fakampanahy sy ho mpankato rehefa manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy teo amin’ny fikatsahana ny hanao ny sitrapon’ny Ray fa tsy ny sitrapontsika manokana.)

Jaona 4: 1–29

Ny fitaomana lalina ananan’ny Mpamonjy

Soraty eny amin’ny solaitrabe na asehoy ity teny ity izay avy ao amin’ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2):

“Tsy nisy olona hafa nanana akony lehibe mihoatra noho izany teo amin’ ireo rehetra efa niaina sy ireo mbola hiaina eto an-tany.”

Asao ny mpianatra handinika an’io teny io amin’ny fametrahana amin’izy ireo ity fanontaniana ity:

  • Inona amin’ireo toetran’i Jesoa Kristy no nahafahany nanana akony lehibe toy izany teo amin’ireo rehetra efa niaina sy mbola hiaina eto an-tany?

Lazao amin’ny mpianatra fa ny iray amin’ireo olona izay niantefan’ny herin’i Jesoa tamin’ny fomba lalina nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia vehivavy Samaritana iray. Ampio ireo mpianatra hampiasa ireo fitaovana manampy amin’ny fandalinana ao amin’ny soratra masin’izy ireo mba ahitana fampahalalana mikasika ireo Samaritana (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Samaritana”; scriptures.lds.org). Fintino ny Jaona 4:1–8, ary avy eo dia iangavio ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 4:9. Hazavao fa ny fomba firesak’ilay vehivavy tamin’i Jesoa dia manambara ny sombiny amin’ny fifankahalana izay nisy teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritana tamin’izany andro izany. Avy eo dia asao ny mpianatra hamaky mangina ny Jaona 4:10–15. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa avy nanome fotoana ahafahan’ny mpianatra mandinika:

  • Ahoana no hamaritanao ny fifandraisana teo amin’i Jesoa sy ilay vehivavy?

  • Inona no natolotr’i Jesoa azy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 4:16–19 mandritr’izany, dia manaraka tsara ny mpianatra sisa ary haka sary an-tsaina hoe tahaka ny ahoana izany hoe teo amin’ny toeran’ilay vehivavy ao amin’io fifampiresahana io. (Fanamarihana: Ny fakana sary an-tsaina dia mahatonga ny soratra masina hiaina sy ho velona kokoa.) Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no mety ho eritreritra nanananao raha toa ka ianao ilay vehivavy Samaritana? Nahoana?

  • Inona no porofo eto fa nisy fiantraikany taminy i Jesoa? (Hazavao ny fivoaran’ny fomba fiantson’ilay vehivavy Azy: “Jiosy” [andininy 9]; “Tompoko” [andininy 11, 15]; ary avy eo dia “mpaminany” [andininy 19].)

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Jaona 4:20–29. Asao ny mpianatra hamantatra ireo anarana iantsoana ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 25 sy ny andininy 29. Avy eo dia asao ny mpianatra handinika fohy mialohan’ny hamaliana ity fanontaniana ity:

  • Inona no nataon’ny Mpamonjy tao anatin’izany fotoana fohy izany hanovana ny fandraisan’ilay vehivavy Azy, niainga tamin’ny hoe “Jiosy” (andininy 9) ka lasa hoe “Kristy” (andininy 29)? (Asao ny mpianatra hizara izay tsikariny tao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Mety ahitana ireto ny valiny: naneho fanajana azy Izy, nampianatra fotopampianarana taminy Izy, nampianatra tamin’ny fomba izay nahafahan’ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona taminy, nanambara zavatra momba ny fiainan’ilay vehivavy manokana Izy, ary nifantoka taminy Izy.)

  • Inona no ampianarin’ny tantaran’ny Mpamonjy sy ilay vehivavy Samaritana mikasika ny fomba fieritreretan’ny Mpamonjy anao sy ny fitaomana izay ananany aminao?

  • Ahoana no fomba nahitanao ny fitaomana nananan’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny olona iray izay fantatrao? Inona no vokatry ny fitaomana izay ananan’ny Mpamonjy?

  • Inona no ezahinao ho atao mba hamantarana bebe kokoa ny fitaoman’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao, ary mba hahafahanao mamela izany fitaomany izany hanova anao?

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mampitodika ny fiainantsika mankany amin’ny Mpamonjy isika dia hanana akony lehibe eo amintsika Izy. Hitranga ny fitaomana lehibe indrindra entin’ny Mpamonjy rehefa manasa ny herin’ny sorompanavotany isika mba hanadio sy hampitraka ary hanova antsika. Entano ny mpianatra handinika izay zavatra azon’izy ireo atao mba hanehoana fankasitrahana an’ny Mpamonjy noho ny fitaomana ananany teo amin’ny fiainan’izy ireo. Asao izy ireo hanao asa mifanaraka amin’izay zavatra tsapan’izy ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra