Lesona 18
Nanao asa fanompoana tany amin’ny tontolon’ny fanahy ny Mpamonjy
Fampidirana
Rehefa niresaka momba ny Mpamonjy ny Apôstôly amin’izao fotoana, dia toy izao ny tenivavolombelona napetrak’izy ireo: “Fanomezana lehibe no nataony ho an’izay rehetra niaina na mbola hiaina eto an-tany” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, apr. 2000, 2). Noho ny Sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy sy noho ny asa fanompoana nataony tany amin’ny tontolon’ny fanahy, dia hanana fahafahana handray na handà ny filazantsara ny zanak’ Andriamanitra rehetra izay niaina na mbola hiaina eto an-tany. Ity lesona ity dia mampianatra mikasika ny anjara asa nananan’ny Mpamonjy tany amin’ny tontolon’ny fanahy sy ny anjara asa hananantsika manoloana ny famonjena ny maty.
Vakiteny Enti-mandalina
-
Spencer J. Condie, “The Savior’s Visit to the Spirit World,” Ensign, jolay 2003, 32–36.
-
Richard G. Scott, “Ny Fifaliana avy amin’ny Fanavotana ny Maty,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 93–95.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Lioka 23:39–43; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:11–24
Namangy ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy
Asehoy ny sary Fandevenana an’i Jesoa (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 58; jereo ihany koa ny LDS.orgLDS.org) sy ny sary I Maria sy ilay Jesoa Kristy Nitsangana tamin’ny Maty (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara, lah. 59).
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Loholona Spencer J. Condie ao amin’ny Fitopololahy:
“Ny zava-nitranga momba ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia raisin’ireo izay ao anatin’ny fivavahana Kristianina ho fehin-kevitra fototra. Ny zavatra nataon’ny fanahy tsy mety matin’i Jesoa taorian’ny nahafatesany sy talohan’ny nitsanganany tamin’ny maty anefa dia zava-miafina ho an’ny rehetra, ankoatran’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ary ny maha-zava-dehibe ny zavatra nataony nandritra ireo ora ireo dia mitondra ny fototra ara-potopampianarana ho an’ny fananganana tempoly manerana an’izao tontolo izao. Ankoatr’izany, ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba ny zavatra nataony dia afaka manome fampiononana lehibe ho an’ireo izay misaona ny fahafatesan’ny olon-tiana iray” (“The Savior’s Visit to the Spirit World,” Ensign, jolay 2003, 32).
Jereo ireo sary ary anontanio ny mpianatra hoe:
-
Inona no zavatra nataon’i Jesoa teo anelanelan’ny fotoana nandevenana Azy sy nitsanganany tamin’ny maty?
Asao ny mpianatra hamaky ny Lioka 23:39–43 mba hanomezana azy ireo fampahalalana ny zava-miseho.
-
Inona no zavatra notenenin’ny Mpamonjy tamin’ireo olon-dratsy teo ambonin’ny hazofijaliana? (Mariho fa nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny dikateny marina kokoa an’ny tenin’ny Mpamonjy dia toy izao: “Anio no hihaona amiko any amin’ny tontolon’ny fanahy ianao” [ao amin’ny History of the Church, 5:424–25]. Ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ilay olon-dratsy dia tsy takatry ny Kristianina maro, izay mihevitra fa ny olona iray dia afaka mibebaka amin’ny fahotana goavana rehetra mandritra ny fotoana faramparan’ny fiainany, alohan’ny fahafatesana. Ny soratra masina nefa dia mampianatra ny tsy tokony hanemorantsika ny fibebahantsika.)
-
Ahoana no hanomezan’ireo teny ireo famantarana antsika mikasika ny zavatra nataon’ny Mpamonjy nandritra ny fotoana nitoeran’ny vatany tao am-pasana? (Jereo ihany koa ny 1 Petera 4:6.)
Lazao fa ny Filoha Joseph F. Smith dia nandray fanambarana iray izay mamariparitra ny famangiana nataon’i Jesoa Kristy tany amin’ny tontolon’ny fanahy. Manaova famintinana ny fampidirana fizarana sy ny andininy 10 voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 mba hanampiana ny mpianatra hahazo tsara ny toe-javatra nisy mikasika ity fanambarana ity. Asao ny mpianatra maromaro avy eo hifandimby hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:11–12, 15–16, 18–19, 23–24. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no zavatra nataon’ny Mpamonjy teo anelanelan’ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty, araka ny voalaza ao amin’ity fahitana ity? (Tokony haneho ny mpianatra fa nandritra ny fotoana nitoeran’ny vatany tao am-pasana, dia namangy ny fanahin’ireo olo-marina tao amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa.)
-
Nahoana ireo fanahin’ny olo-marina ireo no heniky ny fifaliana sy haravoana? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia antitrantero ity fahamarinana manaraka ity: Araka ny drafitr’ Andriamanitra, dia afaka havotana amin’ny fahafatesana ireo maty niaina tamim-pahatokiana teto an-tany aorian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy amin’ny maty. Azonao atao ny manamafy fa tsy nisy mpitory voairaka hitory ny filazantsara teo anivon’ireo fanahy ao amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny Maty [jereo ny Lioka 16:19–31; Mosesy 7:36–39].)
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:20–37
Hanana fahafahana ny handre ny filazantsara ny zanak’ Andriamanitra rehetra
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:20–21, 25–28 sy hamantatra ny fanontaniana nananan’ny Filoha Smith. (Fanamarihana: Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny maha-zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana tsara sy ny fikatsahana valinteny rehefa mandalina soratra masina dia hazavao fa vokatry ny fametrahana fanontaniana avy amin’ny fo no nanomezana fanambarana betsaka izay voatahiry ao anaty soratra masina.) Aorian’ny valintenin’ny mpianatra dia asao izy ireo hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:29–30, sy hijery ny fomba handrenesan’ny fanahy ao an-tranomaizina ny filazantsara. Anontanio hoe:
-
Inona no zavatra nataon’ny Mpamonjy teo anivon’ny olo-marina rehefa namangy ny tontolon’ny fanahy Izy? (Ataovy izay hahitan’ny mpianatra ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa tao amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa dia nandrindra ny asa fanavotana ny maty.)
Asaivo miaraka tsiroaroa ny mpianatra. Asaivo mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:30–37 izy ireo ary manaova fifanakalozan-kevitra momba ny maha-zava-dehibe ny teny hoe rehetra izay hampiasana ao amin’ny andininy 30, 31, sy 37. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manontania hoe:
-
Inona ny tanjon’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tao amin’ny tontolon’ny fanahy? (Ny mpianatra dia tokony afaka hanazava ity fahamarinana manaraka ity: Nitondra fomba handrenesan’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ny filazantsara sy handraisan’izy ireo fifaliana feno ny Mpamonjy.)
-
Nahoana no tokony ho toriana amin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ny filazantsara? (Jereo ny F&F 138:33–34; 1 Petera 3:18–20.)
-
Inona no zavatra ampianarin’izany antsika momba ny vokatry ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (Ny vokatry ny Sorompanavotana dia miely hatrany amin’ny tontolon’ny fanahy.)
Azonao atao ny mizara ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972):
“[Ahoana] ny momba ireo olona an’arivony tsy voaisa izay maty nefa tsy mbola nandre mihitsy momba an’i Kristy, izay tsy mbola nahazo fahafahana hibebaka sy handray famelan-keloka, izay tsy mbola nifankahita tamin’ny loholon’ny Fiangonana izay mihazona ny fahefana? Ny sasantsasany amin’ireo Kristianina mpifanolo-bodorindrina amintsika dia hiteny amintsika fa very mandrakizay izy ireny. …
“Rariny ve izany? Hitsiny ve izany? Tsia! Hanome ny olona tsirairay fahafahana ny handre sy handray fiainana mandrakizay, na toerana ao amin’ny fanjakany ny Tompo” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, 3 boky. [1954–56], 2:132).
-
Nahoana no manan-danja ireo fahamarinana momba ny tontolon’ny fanahy ireo? Inona ny fahasamihafana misy rehefa mahafantatra ireo fahamarinana mikasika ny tontolon’ny fanahy ireo ny olona iray?
-
Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana momba ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy tany amin’ny tontolon’ny fanahy ho fampiononana ho anao?
Afaka manampy amin’ny fanavotana ny maty isika
Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina, “Asa ho an’ny Maty ataon’ny Olomasin’ny Andro Farany” ny mpianatra tsirairay. Zarao ho vondrona kely na tsiroaroa ny mpianatra. Asao izy ireo hamaky ny fanambarana ao amin’ny taratasy zaraina, sy hijery ary hanao fifanakalozan-kevitra momba ny fitahiana nampanantenaina an’ireo izay mandray anjara amin’ny asa fanavotana ny maty.
Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa avy nomena fotoana nandinihana ireo zavatra ireo ny mpianatra:
-
Ahoana no anampian’ny fandraisantsika anjara amin’ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana an’ireo izay efa maty mba hahazoan’izy ireo migoka ny fitahiana izay misy noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?
-
Ahoana no mahatonga antsika hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy rehefa mandray anjara amin’ny ôrdônansy isoloana tena ny hafa? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia antitrantero ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa mandray anjara amin’ny ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo razambentsika isika, dia manampy azy ireo handray ny famonjena sy mankahery ny tenantsika manoloana ny fahavalo.)
Azonao atao ny mizara ity fanazavana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) momba ny fitovian’ny asan’ny tempoly isoloana tena amin’ny asa fanavotana nataon’ny Mpamonjy:
“Izay rehetra miseho any amin’ny tranon’ny Tompo … dia manatona akaikikaiky kokoa ny fanahin’ny fahafoizan-tenan’ny Tompo mihoatra ny zavatra rehetra izay fantatro. Nahoana? Satria ataon’ireo izay manolotra maimaim-poana ny fotoanany sy ny fananany, ka tsy handraindrain’izy ireo fisaorana na valisoa izany, ny fanatanterahana ho an’ny hafa izay tsy afaka tanterahany ho azy” (“A Century of Family History Service,” Ensign, mar. 1995, 62–63; jereo ihany koa ny Obadia 1:21).
Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra ny taratasy nozaraina, ary anontanio izy ireo hoe:
-
Tamin’ny fotoana ahoana ianao no nahita na nahatsapa ny fitahiana izay nampanantenaina an’ireo izay mandray anjara amin’ny asa fanavotana ny maty?
Asao ny mpianatra hisaintsaina mangina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona amin’ireo fampanantenana ireo no irinao hananana amin’izao fotoana, ary vonona hanao inona ianao mba hahazoana an’izany?
Omeo fanamby ny mpianatra mba hanatona ny mpanoro hevitra momba ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy misy azy ary hianatra bebe kokoa momba ny fomba hanatanterahana ny asa ho an’ny razambeny. Vakio mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:22, ary mijoroa ho vavolombelona momba ny asa fanompoana mandrakizay an’i Jesoa Kristy sy momba ny asa masina ho an’ny maty izay asa efa notendrena hatry ny fanorenana an’izao tontolo izao.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
Lioka 23:39–43; 1 Petera 3:18–20; 4:6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15, 22; 138:1–37.
-
Spencer J. Condie, “The Savior’s Visit to the Spirit World,” Ensign, Jolay 2003, 32–36.