Lesona 19
Nitsangana tamin’ ny maty Izy
Fampidirana
“Nitsangana tamin’ ny maty i [Jesoa Kristy] mba ‘ho santatr’ izay efa nodimandry’ (1 Korintiana 15:20). Amin’ny maha-Tompo efa nitsangana tamin’ny maty Azy, dia namangy ireo olon-tiany teo amin’ny fiainany Izy” (“Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, apr. 2000, 3). Ity lesona ity dia hampianatra ny fotopampianarana sy ny zava-nitranga mikasika ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny Maty. Rehefa mitombo hatrany ny fahatakarana sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny mpianatra momba ny Fitsanganana amin’ny Maty, dia hanana fomba fijery tsara sy fanantenana izy ireo amin’ny fanatrehana ny fotoan-tsarotry ny fiainana.
Vakiteny Enti-mandalina
-
D. Todd Christofferson, “Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny Maty,” Ensign na Liahona, mey 2014, 111–14.
-
Dallin H. Oaks, “Resurrection,” Ensign, mey 2000, 14–16.
Sosokevitra Enti-mampianatra
1 Korintiana 15:12–29
Ny Fitsanganan’ i Jesoa Kristy tamin’ ny maty
Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith (1805–1844) ity, ary mangataha mpianatra iray mba hamaky izany mafy:
“Ireo fitsipika fototra amin’ny fivavahantsika dia ny tenivavolombelon’ireo Apôstôly sy Mpaminany, mikasika an’i Jesoa Kristy, fa maty Izy, nalevina, ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, ary niakatra tany an-danitra; ary ny zavatra rehetra izay mikasika ny fivavahantsika dia manampy izany fotsiny” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 49).
Manaova fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny mpianatra momba ity fanontaniana manaraka ity:
-
Araka ny hevitrao, nahoana ny fitsipiky ny filazantsara hafa rehetra no “manampy fotsiny” ny fahafatesana, fandevenana sy Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny Maty?
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Isaia 25:8; ny Môsià 16:7–8; ary ny Almà 33:22 , sy hijery ny faminaniana nataon’ny mpaminany fahiny momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny Maty. Asaivo zarain’izy ireo ny zavatra hitany.
Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity:
Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa, … |
Raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa, dia … |
Asaivo mandalina ny andinin-tsoratra masina eo amin’ny tsanganana ankavian’ny tabilao ny antsasakin’ny mpianatra, mba hijery ny fitahiana raisintsika noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny Maty. Asaivo mandalina ny andinin-tsoratra masina amin’ny tsanganana ankavananan’ny tabilao kosa ny antsasany hafa, mba hijery ny zavatra mety nitranga raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Rehefa nomena fotoana ampy izy ireo, dia mangataha mpanolo-tena maromaro hanazava ny zavatra nianarany. Ampio ny mpianatra hilaza ny fotopampianarana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Araka ny voalaza ao amin’ny 1 Korintiana 15:20, dia nilaza ny Apôstôly Paoly fa i Jesoa no “santatr’izay efa nodimandry.” Inona ny dikan’izany andian-teny izany? (I Jesoa no olona voalohany nitsangana tamin’ ny maty.)
Asao ny mpianatra mba hamaky indray ny 1 Korintiana 15:22 . Manontania avy eo hoe:
-
Ahoana no hamintinanao ny fitahiana ho an’ny rehetra izay raisintsika noho ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty? (Tokony hizara ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: Noho ny Sorompanavotana sy noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny Maty, dia hitsangana amin’ny maty daholo ny olona rehetra teraka eto an-tany.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireto fanambarana manaraka ireto izay nataon’ny Filoha Howard W. Hunter (1907–1995) sy ny Filoha Marion G. Romney (1897–1988) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
“Raha tsy nisy ny Fitsanganana tamin’ny Maty, dia lasa fahazarana hanonona filazana hendry sy fahagagana toa tsy hay hazavaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy—saingy filazana sy fahagagana tsy hitondra any amin’ny fandresena farany. Tsia, ny fandresena farany dia ao anatin’ilay fahagagana farany: sambany teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona no nananganan’ny olona iray ny tenany tamin’ny maty mba hankany amin’ny fiainana tsy mety maty. Izy no Zanakalahin’ Andriamanitra, Zanaky ny Raintsika any An-danitra tsy mety maty, ary ny fandreseny ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy dia ilay vaovao mahafaly tokony resahin’ny lela Kristianina rehetra” (Howard W. Hunter, “An Apostle’s Witness of the Resurrection,” Ensign, mey 1986, 16).
“Efa nitsangana Izy; tsy ato izy.’ (Marka 16:6.) Ireo teny ireo, izay kanto nefa tsotra, no nanambara ny zava-nitranga manan-danja indrindra izay voasoratra tamin’ny tantara an’izao tontolo izao” (Marion G. Romney, “The Resurrection of Jesus,” Ensign, mey 1982, 6).
-
Araka ny hevitrao, nahoana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny Maty no ilay “zava-nitranga manan-danja indrindra izay voasoratra tamin’ny tantara an’izao tontolo izao”?
-
Inona no zavatra ao an-tsainao sy tsapanao noho ny fahafantaranao fa satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy, dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny zanaky ny Ray any An-danitra izay teraka eto an-tany rehetra?
Hazavao fa ny Fitsanganana tamin’ny Maty dia manavotra antsika tsy amin’ny fahafatesana ara-batana ihany fa amin’ny fahafatesana ara-panahy ihany koa. Raha tsy misy fitsanganana amin’ny maty, dia ho lasa tahaka ny devoly avokoa ny olona rehetra amin’ny farany (jereo ny 2 Nefia 9:6–9).
Mijoroa ho vavolombelona fa ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny Maty no nameno ny Sorompanavotana sy nanome fahafahana ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ny hiverina eo anatrehany.
Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20
Vavolombelon’ilay Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty
Omeo ity tabilao ity ho taratasy zaraina ny mpianatra:
Ireo Fisehoan’Ilay Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny Maty ao amin’ny Testamenta Vaovao
Andinin-tsoratra Masina |
Olona Novangiana |
Daty na Fotoana |
Toerana |
Ny Zavatra Nitranga |
---|---|---|---|---|
Omeo anjara andalana iray na roa ny mpianatra tsirairay. Asao izy ireo handalina ny andinin-tsoratra masina nomena azy sy hamantatra ny olona izay novangian’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty. Rehefa nahazo fotoana ampy tsara ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra izay hitany. Noho ny fahafohizan’ny fotoana, dia amporisiho ny mpianatra mba hanao teny fohy. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:
-
Inona no zavatra nianaranao momba ny fisehoana betsaka nataon’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty sy ny traikefan’ny olona tsirairay nandritra ity atrikasa ity?
-
Ankoatra ireo andininy ireo, aiza ihany koa no ahitana tenivavolombelona hafa an’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty ao amin’ny soratra masina? (Mety hilaza momba ny tenivavolombelon’ny Nefita na ny an’ny Mpaminany Joseph Smith ny mpianatra.)
-
Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa maro ny vavolombelon’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty? (Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra ity fahamarinana manaraka ity: Satria betsaka ny vavolombelon’ilay Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty, dia afaka mahazo antoka isika fa velona Izy ary, isika ihany koa, dia ho velona indray aorian’ny fahafatesana.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny tena dikan’ny fotopampianaran’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny Maty sy ny antony maha-mpanampy fotsiny ny fahafatesana sy ny Fitsangananan’i Jesoa Kristy tamin’ny Maty ny fitsipika rehetra hafa, araka ny fampianaran’i Joseph Smith, dia zarao tahadika mitovy ny fanambarana nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay fanambarana.
“Raha tena nitsangana tamin’ny maty ara-bakiteny tokoa i Jesoa, dia tsy maintsy mandeha ho azy avy amin’izany ny hoe olona iray izay andriamanitra Izy. Tsy misy olona tsotra mety maty ka hanana fahefana avy amin’ny tenany hiverina ho amin’ny fiainana indray rehefa avy maty. Koa satria Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy afaka ny ho mpandrafitra fotsiny ihany i Jesoa na ho mpampianatra fotsiny, na ho rabbin fotsiny na ho mpaminany fotsiny. Noho Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy maintsy hoe Andriamanitra i Jesoa Kristy, dia ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray.
“Noho izany, dia marina ireo zavatra izay nampianariny; tsy afaka mandainga Andriamanitra [jereo ny Enôsa 1:6].
“Noho izany, dia Izy no Mpahary ny tany araka izay nolazainy [jereo, ohatra, ny 3 Nefia 9:15].
“Noho izany, dia tena misy ny lanitra sy ny helo, araka izay nampianariny [jereo, ohatra, ny F&F 76].
“Noho izany, dia misy ny tontolon’ny fanahy izay novangiany taorian’ny nahafatesany [jereo ny F&F 138].
“Noho izany, dia Ho avy indray Izy araka ny nambaran’ilay anjely [jereo ny Asan’ny Apôstôly 1:10–11], ary ‘hanjaka eto an-tany mihitsy’ [Ireo Fanekem-Pinoana 1:10; jereo ihany koa Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jesoa Kristy, Fanjakan’i Kristy amin’ny Arivotaona”].
“Noho izany, dia misy ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana farany ho an’ny olon-drehetra [jereo, ohatra, ny 2 Nefia 9:15].
“Noho ny fisian’ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia tsy mitombina ireo ahiahy momba ny fahatanterahan’ny hery sy ny fahalalana ary ny hatsaram-pon’ Andriamanitra Ray—izay nanolotra ny Zanany Lahitokana mba ho fanavotana izao tontolo izao—. Tsy marim-pototra ireo ahiahy mahakasika ny dikan’ny fiainana sy ny tanjony. Jesoa Kristy raha ny marina no hany anarana na fomba izay ahafahan’ny famonjena ho tonga amin’ny zanak’olombelona. Tena marina ny fahasoavan’i Kristy, izay manolotra ny famelan-keloka sy ny fanadiovana ho an’ny mpanota mibebaka. Ny finoana dia tena mihoatra noho ny zavatra heverin’ny saina na ny zavatra izay foronin’ny saina. Misy ny fahamarinana faratampony sy ho an’ny rehetra, ary misy ny fenitra ara-pitondrantena tsy mitongilana ary tsy miovaova araka izay nampianariny.
“Noho ny maha-tena nisy ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny Maty dia sady azo tanterahina no tena maika ny fibebahana amin’izay mety ho fandikana ny lalàny sy ny didiny. Tena misy ireo fahagagana nataon’ny Mpamonjy, toy izany koa ny fampanantenany tamin’ireo mpianany fa hoe afaka manao izany koa izy ireo ary asa lehibe kokoa noho izany mihitsy aza [jereo ny Jaona 14:12]. … Noho ny maha-tena nisy ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, dia tsy ny fahafatesana no hiafarantsika, ary na dia ‘rehefa levona ny hodi[tsika], izao simba izao, sady afaka amin’ny nofo[ntsika] [isika], dia hahita an’ Andriamanitra’ [Jôba 19:26]” (“Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny Maty,” Ensign na Liahona, mey 2014, 113, 114).
-
Ahoana no anehoan’ny fanambarana nataon’ny Loholona Christofferson ny maha-fotopampianarana fototra ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny Maty?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fomba hiantraikan’ny maha-tena nisy ny Fitsanganana tamin’ny Maty amin’izy ireo manokana, dia asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:
“Ny ‘fanantenana velona’ azontsika amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty dia ny fanekena fa tsy fiafaran’ny maha-isika antsika ny fahafatesana fa dingana iray fotsiny amin’ny fiampitana avy amin’ny fiainana mety maty mankany amin’ny fiainana tsy mety maty. Io fanantenana io dia manova ny fomba fijery rehetra mikasika ny fiainana mety maty. …
“Ny fahazoana toky ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia manome antsika hery sy fomba fijery hoenti-miatrika ny fotoan-tsarotra izay hitranga amin’ny tsirairay sy amin’ireo olon-tiantsika, toy ny tsy fahatomombanana ara-batana, ara-tsaina na ara-pihetseham-po izay hoentintsika amin’ny fahaterahantsika na raisintsika mandritra ny fiainana mety maty. Noho ny fitsanganana amin’ny maty, dia mahafantatra isika fa mandalo fotsiny ireo tsy fahatomombanana ireo!
“Ny fahazoana toky ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia manome antsika ihany koa zotopo mahery vaika hitandrina ny didin’ Andriamanitra amin’ity fiainana ity” (“Resurrection,” Ensign, mey 2000, 15).
-
Nahoana no zava-dehibe amintsika tsirairay ny mampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika mikasika ny maha-tena misy ny Fitsanganana tamin’ny Maty? (Tokony hitan’ny mpianatra ity fitsipika manaraka ity: Noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny Maty, dia afaka manana fanantenana sy fomba fijery ny mandrakizay isika, rehefa miatrika ny olana sy ny fitsapan’ny fiainana.)
-
Inona ireo fomba nahazoanao na nahazoan’ny olona iray fantatrao fanantenana na fifaliana rehefa nahatakatra ny Fitsanganana tamin’ny Maty?
Zarao amin’ny mpianatra ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha David O. McKay (1873–1970):
“Nandritra ny roa taona sy tapany dia nandray fanohanana sy fanentanam-panahy [ny Apôstôly] satria teo anivony i Kristy. Kanefa lasa izy ankehitriny. Lasa irery izy ireo, ary toa lasa very hevitra sy tsy ampy fanampiana. …
“Inona no zava-nitranga izay nahatonga tampoka an’ireo mpianatra ireo ho lasa feno toky sy tsy natahotra ary ho mpitory maherifo ny Filazantsara an’i Jesoa Kristy? Ny fanambarana fa i Kristy dia nitsangana avy tao amin’ny fasana” (Teachings of Presidents of the Church: David O. McKay [2003], 62).
Asao ny mpianatra hisaintsaina olona iray fantany izay mety hankaherezin’ny fahenoana ny hafatry ny Fitsanganana tamin’ny Maty. Amporisiho ny mpianatra haka fotoana ato ho ato mba hiresahany ny zavatra tsapany sy ny fijoroany ho vavolombelona amin’io olona io.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
Dallin H. Oaks, “Resurrection,” Ensign, mey 2000, 14–16.