Seminera sy Institiota
Lesona 15: Nampiorina ny fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy


Lesona 15

Nampiorina ny fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy

Fampidirana

Ny“Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly” dia milaza hoe: “Nanao ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo i [Jesoa Kristy] ho fahatsiarovana ny sorompanavotany lehibe” (Ensign na Liahona, apr. 2000, 2). Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mahatsiaro fa nivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra sy maty ho antsika ny Mpamonjy; manavao ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo ihany koa isika.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Dallin H. Oaks, “Sacrament Meeting and the Sacrament,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 17–20.

  • Jeffrey R. Holland, “This Do in Remembrance of Me,” Ensign, nôv. 1995, 67–69.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 26:26–28; Lioka 22:15

Nampitoetra fanekempihavanana vaovao i Jesoa Kristy

Fiaraha-misakafo Farany

Asehoy ny sary maneho ny Fiaraha-misakafo Farany na sary hafa mamariparitra izany, ary asao ny mpianatra iray mba hanazava ny zavatra nitranga ao amin’ilay sary:

Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Ahoana no mety ho tsapanao raha ny Mpamonjy no manomana, manamasina ary mizara ny fanasan’ny Tompo ho anao?

Asao hamaky mafy ny Lioka 22:15 ny mpianatra iray. Amporisiho ireo mpianatra mba handinika mandritra ny lesona ny antony nahatonga ny Mpamonjy naniry ny hiaraka amin’ny Apôstôliny nandritra ny Paska.

Asao hamaky mafy ny Matio 26:26–28 ny mpianatra iray ary asaivo manaraka ny mpianatra hafa. Farito ny teny hoe fanekena ary hazavao fa nadika avy tamin’ny teny Grika iray izay midika hoe “fanekempihavanana” izany (azonao atao no manoro hevitra ny mpianatra hanoratra ity famaritana ity eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masin’izy ireo). Apetraho izao fanontaniana manaraka izao:

  • Raha nanorina fanekena na fanekempihavanana vaovao i Jesoa, dia fanekempihavanana inona no mety ho soloin’izany?

Ity fampahafantarana manaraka ity dia hitondra fampahalalana na fanazavana toe-javatra izay mety hanampy amin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo: Tamin’ny andro fahagola, rehefa nanao ny fanekempihavanany tamin’ny zanak’i Isiraely i Jehovah, dia nampianatra azy ireo ny tenin’i Jehovah i Mosesy ary nanao fanekempihavanana fa hankatò ireo teny ireo ny vahoaka. Dia nanolotra fanatitra biby i Mosesy, naka rà tamin’ilay biby ary nanopy izany tamin’ny olona nanao hoe: “Indro ny ran’ny fanekena izay nataon’i Jehovah taminareo.” (Jereo ny Eksodosy 24:3–8.) Niresaka momba ny fanambarana nataon’i Mosesy i Jesoa rehefa nampianatra fa eo andalan’ny fampitoerana fanekempihavanana vaovao amin’ny zanak’ Andriamanitra Izy amin’ny fandatsahana ny rany (tahaka ny fanopiana ny ran’ny biby izay naneho ny fidiran’ny zanak’i Isiraely tamin’ilay fanekempihavanana taloha tamin’i Jehovah). Rehefa nanolotra ny divay tamin’ny kapoaka ho an’ny Apôstôliny i Jesoa, dia nampahafantatra Izy fa tanteraka ilay fanekempihavanana taloha ary tafapetraka ilay vaovao (jereo ny Hebreo 9:12–15). Ny Lalàn’i Mosesy (ilay fanekempihavanana taloha) dia faminaniana lehibe amin’ny fomba maro momba ny Mesia. I Jesoa Kristy no fahatanterahan’io faminaniana io (jereo ny 2 Nefia 11:4; Jakôba 4:5; Almà 34:13–14), indrindra indrindra noho ny nahatanterahany ny tanjona manan-danja indrindra an’io lalàna io tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

  • Mahatonga antsika hifantoka amin’inona ny fanatitra ra ao amin’ny fanekempihavanana taloha sy vaovao? (Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fandatsahana ny rany ho famelana ny helotsika.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Loholona Dallin H. Oaks

“Ny fanasan’ny Tompo no ôrdônansy nisolo ny sorona amin’ny alalan’ny rà sy ny fanatitra odorana tao amin’ny lalàn’i Mosesy, ary niaraka tamin’izany ny fampanantenana nomen’ny Mpamonjy manao hoe: ‘Ary na zovy na zovy no mankatỳ Amiko amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina, dia izy no hataoko batisa amin’ny afo sy ny Fanahy Masina’ (3 Nefia 9:20)” (“Sacrament Meeting and the Sacrament,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 19).

  • Ahoana no hamintinanao ireo fahamarinana noresahina hatramin’izao momba ny Fiaraha-misakafo Farany? (Rehefa mamaly ny fanontaniana ny mpianatra, dia antitrantero fa Notanterahin’i Jesoa Kristy ilay fanekempihavanana taloha, ary nampitoetra fanekempihavanana vaovao tamin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo Izy.)

Lioka 22:14–20; 3 Nefia 18:7, 11

Manampy antsika hahatsiaro ny Mpamonjy ny fanasan’ny Tompo

Zarazarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay hamaky ny Lioka 22:19–20 sy ny 3 Nefia 18:7, 11. Asao izy ireo hitady antony hafa (ankoatran’ny fampitoerana fanekempihavanana vaovao) nanaovan’ny Mpamonjy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto

  • Inona no antony nolazain’ny Mpamonjy izay nahatonga Azy nampiorina ny fanasan’ny Tompo? (Tokony hitan’ny mpianatra ireto fahamarinana manaraka ireto: Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia tokony hahatsiaro ny Mpamonjy.)

  • Inona ny maha-zava-dehibe ny fanaovantsika ezaka ny hahatsiaro ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika?

  • Inona no dikan’ny fanasan’ny Tompo raha toa isika tsy mahatsiaro ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony ho antsika?

taratasy zaraina, lahateny nataon’i Holland

handout iconZarao amin’ny mpianatra tsirairay ny taratasy zaraina izay hahitana ampahan’ny lahateny nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny taratasy. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa avy nomena fotoana nandinihana ireo zavatra ireo ny mpianatra:

  • Inona ny torohevitra homenao ny olona iray izay manana olana amin’ny fifantohana amin’ny Mpamonjy sy ny sorona nataony mandritra ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manamarika fa rehefa mitady ireo fomba izay hahatsiarovana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nataony isika mandritra ny herinandro, dia ho mora kokoa ny hifantoka Aminy mandritra ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo amin’ny alahady.)

  • Inona avy ireo fitahiana tsapanao rehefa nanandrana ny hahatsiaro ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ianao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao?

1 Korintiana 11:27–30; 3 Nefia 18:28–29; 20:8–9

Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo am-pahamendrehana dia manavao ny fanekempihavanana nataontsika

Asao ireo mpianatra hamaky mangina sy hampitaha ny 1 Korintiana 11:27–30 sy ny 3 Nefia 18:28–29; 20:8–9. Asao izy ireo hitady ny fampitandremana nomena mikasika ny fanasan’ny Tompo. Manontania avy eo hoe:

  • Nahoana no tsy fahendrena ny mandray ny fanasan’ny Tompo tsy am-pahamendrehana?

Mety hanampy ny mizara ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona John H. Groberg tao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy ity, izay manazava ny dikan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo am-pahamendrehana:

Loholona John H. Groberg

“Raha toa isika maniry ny hivoatra (izany hoe hibebaka) ka tsy iharan’ny famerana avy amin’ny fisoronana, dia mendrika isika, araka ny hevitro. Kanefa, raha tsy maniry ny hivoatra isika, raha tsy manana faniriana ny hanaraka ny torolalan’ny Fanahy, dia mila manontany tena hoe: Mendrika ny handray ve isika, sa manaraby fotsiny ny tena tanjon’ny fanasan’ny Tompo, izay fomba fanatanterahana ny fibebahan’ny tena manokana sy fomba enti-mivoatra?” (“The Beauty and Importance of the Sacrament,” Ensign, mey 1989, 38).

  • Inona ny fitahiana azon’ireo izay mandray am-pahamendrehana? (jereo ny 3 Nefia 20:8–9). (Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa raha mandray ny fanasan’ny Tompo am-pivavahana sy amin’ny fanahy te hibebaka isika, dia afaka hahazo famelan-keloka, tahaka ny tamin’ny fotoana nanaovana batisa antsika.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary mangataha ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Loholona Dallin H. Oaks

“Raha tsy misy fepetra amin’ny fanadiovana bebe kokoa aorian’ny batisa dia ho very isika tsirairay raha ny amin’ireo zavatra ara-panahy. Tsy afaka hiaraka amin’ny Fanahy Masina isika, ary tsy maintsy ho ‘roahina mandrakizay’ isika amin’ny fitsarana farany (1 Ne. 10:21). Tena feno fankasitrahana tokoa isika fa nomen’ny Tompo dingana harahina ho an’ny mpikamban’ny Fiangonany tsirairay izay vita batisa mba ho voadio matetika amin’ny voka-dratsin’ny ota. Ny fanasan’ny Tompo dia fizarana iray manan-danja ao amin’io dingana io” (“The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” Ensign, nôv. 1998, 38).

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Oaks, nahoana ny fanasan’ny Tompo no ôrdônansy tena manan-danja tokoa ao amin’ny filazantsara?

Zarao ity fanambarana fanampiny ity izay nataon’ny Loholona Oaks:

Loholona Dallin H. Oaks

“Nodidiana isika mba hibebaka amin’ny fahotantsika sy hanatona ny Tompo amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina ka handray ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny fankatoavana ny fanekempihavanana ao anatin’izany. Rehefa manavao ireo fanekempihavanantsika tamin’ny batisa amin’izany fomba izany isika dia manavao ny fandairan’ny fanadiovana tamin’ny batisantsika ny Tompo. Amin’ny alalan’izany fomba izany no hahafahantsika ho voadio sy afaka manana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika. Ny maha-zava-dehibe an’izany dia miariary noho ilay didin’ny Tompo ny handraisantsika ny fanasan’ny Tompo isakin’ny herinandro (jereo ny F&F 59:8–9)” (“The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” Ensign, nôv. 1998, 38).

Mety hanazava ianao fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo am-pahamendrehana isika, dia “manavao ny fanekempihavanana rehetra izay nataontsika tamin’ny Tompo” (Delbert L. Stapley, ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1965, 14; soramandry fanampiny; jereo ihany koa ny L. Tom Perry, “As Now We Take the Sacrament,” Ensign na Liahona, mey 2006, 41).

Asao ireo mpianatra hanao famerenana ny Lioka 22:15. Manontania avy eo hoe:

  • Inona no valinteninao raha misy olona manontany anao ny antony nanirian’ny Mpamonjy ny hiaraka amin’ny Apôstôliny mandritra ny Paska? Inona no hijoroanao ho vavolombelona?

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mahatsiaro an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika, ary rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo am-pahamendrehana isika, dia manavao ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra. Hamporisiho ny mpianatra mba handinika ny fomba hahafahany manolotra avy amin’ny tenany manokana “fo torotoro sy fanahy manenina” rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Omeo fanamby izy ireo mba hahatonga ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ho traikefa ara-panahy tsy tapaka.

Vakitenin’ny Mpianatra

Teny notsongaina nataon’i Jeffrey R. Holland, “This Do in Remembrance of Me”

Loholona Jeffrey R. Holland

“Inona no mety hotadidintsika rehefa tonga eo amintsika ireo tandindona tsotra sy sarobidy ireo raha ny fahatsiarovana no anton-draharaha asaina hataontsika?

“Azontsika atao ny mahatsiaro ny fiainan’ny Mpamonjy talohan’ny nahaterahany sy ny zavatra rehetra izay fantatsika fa nataony amin’ny maha Jehovah Lehibe Azy, izay nahary ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra izay eo aminy. Azontsika atao ny mahatsiaro fa na dia nandritra ny Filankevitra Lehibe an’ny Lanitra aza dia tiantsika izy ary nahatalanjona ny heriny, hany ka nandresy isika tany tamin’ny alalan’ny fahefan’i Kristy sy ny finoantsika tamin’ny ran’ny Zanak’ondry (jereo ny Apô. 12:10–11).

“Azontsika atao ny mahatsiaro ny halehibeazana tsotra mikasika ny fahaterahany teto ambonin’ny tany. …

“Azontsika atao ny mahatsiaro ny fahagagana nataon’i Kristy sy ny fampianarany, ny fahasitranana nataony ary ny fanampiany. Azontsika atao ny mahatsiaro fa nampahiratra ny jamba, nampalady ny marenina ary nanafaka ny mandringa, ny kilemaina sy ny mati-ila izy. Ary rehefa tonga ny fotoana hahatsapantsika fa nitsahatra ny fivoarantsika na hahatsapantsika fa nihena ny fifaliantsika sy ny fomba fijerintsika, dia afaka mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy isika. …

“Azontsika atao ny mahatsiaro fa na dia nomena an’izany iraka feno voninahitra izany aza ny Mpamonjy, dia nahita fahafinaretana tamin’ny fiainana izy; nankafỳ ny olona izy ary nilaza ny mpianany izy mba hahery. Nilaza izy fa tokony hanana fientanentanam-po amin’ny filazantsara tahaka ny olona iray nahita harena lehibe, izay voahangy lafo vidy eo amin’ny varavarantsika isika. …

“Azontsika atao ny mahatsiaro fa niantso ny mpianany hoe namana i Kristy. …

“Azontsika atao—ary tokony—mahatsiaro isika an’ireo zavatra mahafinaritra izay tonga amin’ny fiainantsika ary tokony mahatsiaro isika fa ‘ny zavatra rehetra izay tsara dia avy amin’i Kristy’ (Môrô. 7:24). …

“Ho avy ihany koa ny fotoana hahatsiarovantsika ny fomba feno faharatsiam-panahy noheverana azy, ny nolavian’ny olona azy, sy ny tsy rariny—eny, ny tsy rariny—izay niainany. Rehefa miatrika ny sasany amin’izany ihany koa isika amin’ity fiainana ity, dia afaka mahatsiaro fa i Kristy dia voageja manodidina nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy namoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy; potraka, nefa tsy maty (jereo ny 2 Kôr. 4:8–9).

“Rehefa tonga amintsika ireo fotoan-tsarotra ireo, dia afaka mahatsiaro isika fa mila nidina ho ambanin’ny zava-drehetra i Jesoa alohan’ny nahafahany niakatra ho ambonin’ny zava-drehetra, ary niaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po ary mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny (jereo ny F&F 88:6; Almà 7:11–12).

“Ho an’ireo rehetra izay mivembena na tafintohina ka mianjera dia eo izy hanohana sy hankahery antsika. Rehefa tonga ny farany dia hamonjy antsika izy, noho izany rehetra izany no nanomezany ny fiainany. …

“… Azontsika atao ny mahatsiaro an’izany rehetra izany rehefa manasa antsika ny hahatsiaro an’i Kristy mandrakariva ny mpisorona tanora iray izay mivavaka eo am-pandohalihana” (Ensign, nôv. 1995, 67–69).