Seminera sy Institiota
Lesona 8: Nanatanteraka ny Fahamarinana rehetra i Jesoa Kristy


Lesona 8

Nanatanteraka ny Fahamarinana rehetra i Jesoa Kristy

Fampidirana

Nanana fiainana tonga lafatra i Jesoa Kristy tamin’ny nanekeny ny sitrapon’ny Ray any An-danitra tamin’ny zava-drehetra. Nijoro ho vavolombelona ireo mpaminany ankehitriny hoe: “Na dia tsy nanam-pahotana aza […] i [Jesoa Kristy] dia natao batisa mba hanatanterahana ny fahamarinana rehetra” (“Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2). Tahaka ny Mpamonjy, isika ihany koa dia manatanteraka fahamarinana rehefa manaiky ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny filazantsara mandrakizay. Ity lesona ity dia mampianatra ny fomba naneken’ny Mpamonjy ny filazantsara mandrakizay sy ny fomba ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Robert D. Hales, “The Covenant of Baptism: To Be in the Kingdom and of the Kingdom,” Liahona, Ensign, Nôv. 2000, 6–9.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 3:13–17; 2 Nefia 31:4–9

Ny Batisan’ i Jesoa Kristy

Asao ny mpianatra hieritreritra ity toe-javatra ity:

Nandritra ny fifampiresahana tamin’ny mpinamana iray mikasika ny fivavahana, dia tonga tany amin’ny batisa ny lohahevitra. Rehefa avy manazava ny antony anaovana batisa antsika ianao dia manontany ny namanao hoe: “Azoko tsara hoe atao batisa isika mba ho voadio amin’ny fahotana. Kanefa i Jesoa Kristy dia tonga lafatra, tsy nanam-pahotana Izy. Koa nahoana Izy no natao batisa?”

Omeo fotoana ny mpianatra hieritreretany an’io fanontaniana io, ary avy eo dia asao izy ireo hamaly izany.

video iconAorian’ny fifanakalozan-kevitra dia miangavia mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 3:13–17 na hampiseho “Ny Batisan’i Jesoa” (2:55) avy ao amin’ny horonan-tsary hoe The Life of Jesus Christ Bible Videos. (Alaivo sy jereo mialoha ilay horonan-tsary alohan’ny fotoam-pianarana.) Raha toa ka haneho ny horonan-tsary ianao dia asao ireo mpianatra hanaraka ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

Aorian’ny horonan-tsary dia anontanio hoe:

  • Inona no antony izay nolazain’i Jesoa fa nanaovana batisa Azy? (Azonao atao ny manoratra ity fotopampianarana ity eo amin’ny solaitrabe: Natao batisa i Jesoa Kristy mba hanatanterahana ny fahamarinana rehetra.)

  • Inona araka ny hevitrao no hevitry ny hoe natao batisa i Jesoa mba “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra”? (Matio 3:15).

Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly ity fanontaniana ity dia omeo fotoana izy ireo hikarohana ao amin’ny soratra masiny. Azonao atao ny manome sosokevitra azy ireo hanoratra ny 2 Nefia 31:4–9 eo an-tsisin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Matio 3:15. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 2 Nefia 31:5–6 ary hanamarika ilay fanontaniana napetrak’i Nefia. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia hazavao fa novalian’i Nefia io fanontaniana io ao amin’ny 2 Nefia 31:7–9. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo andininy ireo, ary asaivo manaraka tsara ny mpianatra ambiny sady mitady ireo fomba nanatanterahan’ny Mpamonjy ny fahamarinana rehetra rehefa natao batisa. Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany. Rehefa mizara ny zavatra izay hitany ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanambarana ireto:

Nanetry ny tenany teo anoloan’ny Ray Izy.

Nijoro ho vavolombelona tamin’ny Ray Izy fa hankatò ireo didiny.

Nasehony tamin’ny zanak’olombelona ny vavahady izay ahafahan’izy ireo miditra ao amin’ny fanjakana selestialy.

Nampiseho ohatra ho antsika izy.

(Fanamarihana: Ity atrikasa ity dia hahafahan’ireo mpianatra manao fanazarana amin’ilay fahaizana mandalina soratra masina hoe manao lisitra, ka manampy azy ireo hitady ireo teboka manan-danja izay tian’ny mpanoratra ny soratra masina antitranterina.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay fanontaniana napetrak’i Nefia (jereo ny andininy 6). Manontania avy eo hoe:

  • Raha mieritreritra ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe isika dia ahoana no hanomezan’ny batisan’i Jesoa Kristy ohatra ny amin’ny dikan’izany hoe olo-marina?

Rehefa mamaly ireo mpianatra dia makà antoka fa hitan’izy ireo ary hifampiresahany ireto hevitra ireto (azonao soloina an’ireto ireo lisitra eny amin’ny solaitrabe):

Ny fahamarinana dia ahitana ny fanekena amim-panetrentena ny sitrapon’ny Ray.

Ny fahamarinana dia ahitana ny fanaovana fanekempihavanana amin’ny Ray fa hankatò ireo didiny.

Ny fahamarinana dia ahitana ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena.

Ny fahamarinana dia ahitana ny fanarahana ny ohatra napetrak’i Jesoa Kristy.

Anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Ahoana ny fomba ahafahantsika mampihatra ny ohatry ny fahamarinana nasehon’i Jesoa eo amin’ny fiainantsika manokana?

Mijoroa ho vavolombelona amin’ny kilasinao fa i Jesoa ihany koa dia niharan’ireo fepetra rehetra ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ny fiainany tonga lafatra dia ohatra iray tokony ho arahintsika.

2 Nefia 31:10–21

Manaraka ny ohatry ny Mpamonjy

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 31:10–12. Anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Ao amin’ny andininy 10, inona no fanasana nalefan’ny Mpamonjy ho antsika rehetra?

  • Araka ny voalazan’ireo andininy ireo, inona no nolazain’i Jesoa fa tsy maintsy ataontsika mba hahafahana manaraka Azy?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 2 Nefia 31:16–17. Manontania avy eo hoe:

  • Inona ihany koa no tokony ho ataontsika mba hanarahana ny ohatry ny Mpamonjy?

  • Inona no hevitry ny hoe maharitra hatramin’ny farany sy ny manaraka ny “ohatry ny Zanak’ilay Andriamanitra velona”? (andininy 16). (Azonao atao ny manamafy ilay teny hoe ataovy ao amin’ny andininy 17. Antitrantero ihany koa ity fitsipika manaraka ity: Rehefa manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy isika dia afaka manatanteraka ny fahamarinana rehetra, tahaka izay nataony.)

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny soratra masina izay novakian’izy ireo tao amin’ny 2 Nefia 31 dia ahitana ny toetra fototry ny filazantsara mandrakizay, izay naorin’ny Ray any An-danitra talohan’ny nahariana izao tontolo izao.

Asao ny mpianatra hamakafaka ny Romana 6:3–6, ka hijery ireo teny na andianteny manan-danja izay manamafy fa ny fanarahana ny ohatr’i Jesoa Kristy dia mitaky zavatra bebe kokoa noho ny fanaovana batisa. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

Omeo tahadikan’ity fanambarana ity ny mpianatra, izay nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao izy ireo hamaky izany mangina. Asao izy ireo handinika ny fiantraikan’ny batisan’izy ireo teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Loholona Robert D. Hales

“Rehefa takatsika ny fanekempihavanan’ny batisantsika sy ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia hanova ny fiainantsika sy hanorina ny fanoloran-tenantsika tanteraka ho an’ny fanjakan’ Andriamanitra izany Rehefa tonga amintsika ny fakampanahy, dia hampahatsiahy antsika ny Fanahy Masina, raha toa ka hihaino isika, fa nampanantena ny hahatsiaro ny Mpamonjintsika sy hankatò ny didin’ Andriamanitra isika. …

“Rehefa manaraka ny ohatr’i Jesoa isika dia mampiseho ihany koa isika fa hibebaka sy ho mpankato eo amin’ny fitandremana ireo didin’ny Raintsika any An-danitra. Manetry ny tenantsika amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina isika rehefa miaiky ny fahotantsika sy mikatsaka famelankeloka noho ireo fahotantsika (jereo ny 3 Ne. 9:20). Manao fanekempihavanana isika fa vonona ny handray ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika ary hahatsiaro Azy mandrakariva. …

“… Mivavaka aho, mba ho takatsika tsirairay izay mpikambana ao amin’ny fanjakany, fa ny batisa sy ny fandraisana antsika ho mpikambana no vavahady hidirana ao amin’ny fanjakany. Rehefa miditra amin’izany isika, dia mampanantena fa ho isan’ny ao amin’ny fanjakany—mandrakizay!” (“The Covenant of Baptism: To Be in the Kingdom and of the Kingdom,” Ensign, Nôv. 2000, 7–8, 9).

Anontanio ny mpianatra hoe:

  • Nanampy anao hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy amin’ny fanatanterahana ny fahamarinana rehetra ve ny nanaovana batisa anao? Tamin’ny fomba ahoana?

Omeo fotoana kely ny mpianatra hieritreretana hoe hatraiza ny fahatratraran’izy ireo ireo fenitry ny fahamarinana izay nasehon’ny Mpamonjy tamin’ny batisany. Asao ny mpianatra hieritreritra hoe inona koa no azon’izy ireo atao mba hanehoana ny fankatoavany ny Ray any An-danitra.

Vakitenin’ny Mpianatra