2022
Mampifandray
Septambra 2022


“Mampifandray,” Ho zatovo mahery! sept. 2022.

Mampifandray

Lindsey B.

15 taona, Kentucky, Etazonia

Sary
zatovovavy

Sary nalain’i Christina Smith

15 taona aho, ary kilasy faharoa aho ao amin’ny lise. Manao fanatanjahan-tena telo aho: baskety sy vôley ary softball. Fanatanjahan-tena sy fianakaviana no androm-piainako manontolo.

Nandritra ny COVID, raha tsy azo antoka ny taom-pianarana, dia tsy maintsy natoky aho fa fantatry ny Tompo izay tsara ho an’ny tsirairay. Afaka niverina tany an-tsekoly ihany ny sekoliko, izay tena tsara ho ahy satria tsy tena mahay mianatra any ivelan’ny sekoly aho.

Telo ihany no mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny sekoliko. Sarotra ihany ny hoe tsy miray kilasy amiko izy ireo. Saingy na dia tsy Olomasin’ny Andro Farany aza ny ankamaroan’ireo namako dia afaka mahita fitsipika arahana tsara amin’ny hafa aho. Manampy ahy ho eo anivon’ny olona tsy handetika ahy izany.

Mba “hihaino Azy” dia tiako ny mandany fotoana irery sy mivavaka ary mikaroka ao amin’ny soratra masina ny momba ireo olako. Ny fanaovana izany dia manampy ahy hahafantatra izay tian’ny Tompo hataoko amina toe-javatra anankiray sy hieritreritra momba ny ho fihetsiny.

Hamoaka printy