2022
Miala voly kely
Septambra 2022


“Miala voly kely,” Ho zatovo mahery! Sept. 2022.

Miala voly kely

Zarao ny lalao an-kalamanjana fanaonao

Sary
Miala voly kely

Inona avy ireo kilalao tianao lalaovina an-kalamanjana miaraka amin’ny namana na fianakaviana? Rigby tsy manjera ny hafa fa mitsapa fotsiny? Raosy jamba? An-kiafina? Enjeho ny saina? Kilalao an-kalamanjana vitsy ihany ireo izay lalaovina manerana izao tontolo izao, saingy fantatsika fa mbola misy maro hafa izay azonao lazaina aminay.

Alefaso amin’ny ftsoy@ChurchofJesusChrist.org azafady ny fanoritsoritana ny lalao an-kalamanjana tianao indrindra (miaraka amin’ny sary raha azo atao) mialoha ny 1 ôktôbra 2022. Hangoninay ary hozarainay ny sasany amin’ireo hevitra tsara indrindra mba hahafahantsika rehetra mianatra bebe kokoa.

Fomba mahafinaritra hamakiana soratra masina

Mba hiovana amin’ny mahazatra dia azonao andramana ny iray amin’ireto sosokevitra momba ny famakiana soratra masina ireto.

  1. Mieritrereta olona iray na roa fantatrao izay manana fahasahiranana dia mamakia soratra masina mifandray amin’ny filany.

  2. Asio tantara an-tsehatra na famakiana tantara an-tsary momba ny tantara ao amin’ny soratra masina tianao indrindra.

  3. Miaraka amin’ny fianakaviana na namana dia mifandimbiasa maka feo anareo mamaky ny soratra masina. Avy eo dia alefao amin’ny olona hafa izay tsy hitanao matetika izany rakipeo izany, tahaka ny misiônera.

  4. Manaova saribakoly bà dia manaova fampisehoana saribakoly maneho toko iray na tantara iray avy ao amin’ny soratra masina.

  5. Vakio miaraka amin’olona iray amin’ny antso an-tsary na an-tariby izany.

  6. Raha toa ka mianatra fiteny hafa ianao dia ezaho vakiana amin’izany fiteny izany ny soratra masina avy eo dia adikao amin’ny fiteninao izany.

  7. Mijereva horonan-tsary momba ny soratra masina ao amin’ny Médiathèque de l’Evangile (ao amin’ny horonan-tsary sy sary). Avy eo dia vakio ilay andalan-tsoratra masina na toko izay mifandray amin’ireo horonan-tsary.

Ravinkazo sy voninkazo

Milatsaka ny ravinkazo any amin’ny ilabolantany avaratra rehefa mamony ny voninkazo any atsimo. Mitadiava lalana avy amin’ilay ravinkazo mena eo ambony mankany amin’ilay ravinkazo mavo eo ambany. Afaka mitsambinkina ankavia na ankavanana, na ambony na ambany (fa tsy mitsivalana) ianao eo anelanelan’ireo famantarana izay mitovy endrika sy loko. Misy ohatra roa momba ny lalana azonao aleha aseho eo. Misy fomba mihoatra ny iray hamitana ilay kilalao.

Tantara an-tsary

Sary
zatovolahy ao an-dakilasy

E! tsy tian’ilay mpampianatra vaovao isika hitondra siligôma ao am-pianarana. Tandremo tsara ny amin’iny iray nomeko anao izany.

Ryan Stoker

Sary
Ankizilahy sy ankizivavy manorina lapa avy amin’ny fasika eo ambonin’ny dadany

Ny lehilahy adala dia nanorina ny tranony teo ambony fasika—koa aoriko ambony zavatra hafa ny ahy.

Val Chadwick Bagley

Valiny azo atao amin’ilay ravinkazo sy voninkazo

Sary
Vahaolana amin’ny labyrinthe
Sary
Vahaolana amin’ny labyrinthe

Hamoaka printy