2022
Tolory tanana ny hafa ary katsaho ny tsara
Septambra 2022


“Tolory tanana ny hafa ary katsaho ny tsara,” Ho zatovo mahery! Sept. 2022.

Fanampiana amin’ny fiainana

Tolory tanana ny hafa ary katsaho ny tsara

Tsy misy mitovy isika rehetra, samy zanak’ Andriamanitra avokoa isika rehetra ary tena mahafinaritra izany!

Sary
zatovovavy mijery sary hosodoko

Sary avy amin’ny Getty Images

Alaivo sary an-tsaina ny miaina ao anatina tontolo iray izay manga irery ihany no handokoana ny sary hosodoko rehetra, mitovy daholo ny tsiron’ny sakafo rehetra, ary naoty iray ihany no ao anatin’ny hira rehetra. Tsy haiko aloha ny aminao fa hitako tena mankaleo izany!

Ny fahasamihafana amin’ny zava-kanto, sy ny tsiro ary ny mozika no mahatonga izao tontolo izao tena mahaliana sy tsara tarehy. Torak’izany koa, ny olona dia samy manana ny niaviany, ny finoany, ny endrika amam-bikany, ny fireneny, ny fokony, ary ny traikefany izay mahatonga izao tontolo izao ho mahafinaritra.

Hatramin’ny fahazazako dia nipetraka tany Arabia aho, izay ampahany betsaka amin’ny finoana Silamo eto amin’izao tontolo izao, nandritra ny taona maro. Tao anatin’izany fotoana izany dia nianatra tany amin’ny sekoly kilasy mandry tany Angletera aho. Tao amin’ireo toerana roa ireo, Arabia sy Angletera, dia nifanena tamin’ny olona maro samihafa aho. Amin’ny voalohany dia mety ho sarotra ny miaraka amin’ny olona isan-karazany tsy mitovy amin’ny tena. Saingy nianatra aho nony farany tamin’ny alalan’ny zavatra niainako fa tsara ny fahasamihafana ary mahafinaritra mihitsy! Feno tsy hay refesina ny fiainako tamin’ny fifaneraserana tamin’ny olona samy hafa kolontsaina sy finoana tao amin’ny faritra maro maneran-tany.

Ireto misy zavatra vitsivitsy nianarako izay afaka manampy anao hanaja sy hahatakatra ireo izay tsy mitovy aminao.

Sary
zatovovavy sy zatovolahy

Katsaho ny tsara

Indraindray dia tsy hita mibaribary ny tsara any amin’ny olona, saingy mahatalanjona ny fahitantsika ny tsara rehefa mitady izany am-pitiavana sy amim-pangorahana isika. Rehefa manao izany ianao dia hisokatra ny fonao mba hianatra zavatra avy amin’ny hafa.

Manampy ny mahatsiaro fa ny olona sasany dia mety hanao fihetsika tsy azonao satria voaratra izy ireo. Saika ny olona rehetra no mahatsapa ho marefo na sahirana amin’ny zavatra iray. Mety mahatsapa toy izany koa angamba ianao. Rehefa takatrao izany, dia mety ho mora kokoa ny mahita ny tsara any amin’ny hafa satria afaka mahatakatra tsaratsara kokoa ny antony mahatonga ny olona ho toy izany ianao. Dia afaka mahita fomba hanampiana sy hitahiana azy ireo ianao.

Sary
zatovolahy mihaino

Mahaino tsara

Ny lalana mankany amin’ny fanajana sy ny fahatakarana dia manomboka rehefa mihaino—tena mihaino—ny hafa isika. Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia mailaka ery isika matetika mizara ny filazantsara, ary zavatra tsara izany! Sady ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no fanomezana be voninahitra indrindra sy mandrakizay azontsika zaraina. Saingy indraindray isika dia mizara ny finoantsika amin’ny hafa mialoha ny ahatakarantsika ny momba izany. Mila mihaino tsara ny hafa isika ary mianatra zavatra avy amin’izy ireo. Afaka manitatra ny fahatakarantsika—sy ny fankasitrahana—ny olona rehetra sendra antsika isika.

Sary
vehivavy maneho sary fo ny tanany

Tadiavo ny marimaritra iraisana

Nandritra ny fitsidihako vao haingana tany amin’ny golfe Persique, dia nifankahita tamin’olona maro tsy mitovy amiko aho. Saingy rehefa nahafantatra azy ireo anefa aho dia hitako fa tsy mifanalavitra be ny zavatra tena inoanay. Nahazo aingam-panahy avy tamin’ny fitovianay aho.

Ny zavatra iray hitako fa itovizanay dia ny faniriana hanampy ireo mpitsoa-ponenana nafindra toerana sy naratra noho ny fifandonana. Tena zava-dehibe tokoa ny fahitana an’io fitoviana io. Nahafaly ahy izany ary nahatsapa fitiavana lehibe ho an’ireo olona nifankahita tamiko aho.

Rehefa nahita marimaritra iraisana izahay dia afaka niresaka momba ny tsy fitovizanay, ary koa ny soatoavina iombonanay, miaraka amin’ny fahalianana marina hifampidinika. Nampahatsiahy ahy io zavatra niainako io fa ny olona tsara manerana izao tontolo izao dia miezaka manao ny tsara arakaraka ny finoany.

Sary
zatovolahy mitaingina bisikileta

Mahaiza mandinika

Ny fomba tsara hifaneraserana amin’ny hafa dia ny mandinika sy mitady fomba hanombohana resaka. Ohatra, raha misy olona hitanao fa manana bisikileta tsara dia lazao hoe: “Tena tiako izany bisikiletanao izany a!” dia anontanio azy ny momba izany.

Ny fanontaniana tsotra iray toy ny hoe “Nanao ahoana ny tontolo andronao?” dia afaka manampy anao hifandray amin’ny olona iray. Mety tsy hahazo aina ianao amin’ny voalohany. Mila fampiharana izany saingy mahafinaritra rehefa anananao traikefa tsara.

Sary
finday avo lenta (smartphone)

Jereo ny hafa

Nihaona tamin’olona avy amin’ny kolontsaina samihafa ny Mpamonjy. Nanatona an’ireo izay nolavin’ny rehetra ihany koa izy. Nanao izay ho afany izy hihaonana amin’ny marary sy ny voaroaka. Niresaka tamin’izy ireo izy, ary nanasitrana azy ireo Izy.

Raha raisintsika ny fomba fiasany tsy misy fitiavan-tena, dia ho toerana tsara kokoa izao tontolo izao. Ampio ny hafa na amin’ny fomba lehibe na amin’ny fomba kely. Mandefasa hafatra feno hatsaram-panahy, mizarà fanomezana, raiso ny olona izay ailiky ny hafa. Hanampy anao hifandray amin’ny manodidina anao ny zavatra feno hatsaram-panahy toy izany. Mahavariana fa mahatonga antsika hanana fahatsapana tsara koa ireo asa ireo.

Sary
Jesoa Kristy

Aza avela handalo

Ny didy lehibe faharoa dia hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:39). Tsarovy fa zanak’ Andriamanitra avokoa isika rehetra. Mivelatra ny fahitako izao tontolo izao ary lasa tsara kokoa aho rehefa mihaona amin’ny hafa, ireo mpifanolobodirindrina amiko, izay tsy mitovy amiko. Aza avela handalo fotsiny ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny hafa.

Rehefa manolo-tanana ny hafa ianao ary mianatra mitia sy manaja ny tsy fitoviana amin’ny tsirairay manodidina anao dia ho talanjona amin’ny famirapiratana sy ny fahatsaran’izao tontolo izao.

Hamoaka printy