2022
I Jesoa Kristy dia afaka …
Septambra 2022


“I Jesoa dia afaka …,” Ho zatovo mahery!, Sept. 2022.

Avia, hanaraka Ahy

Ohabolana; Mpitoriteny; Isaia

I Jesoa Kristy dia afaka …

Mampianatra anao ny zavatra azon’ny Tompo atao ho anao ankehitriny ireo fahamarinana nosoratana an’arivo taona lasa.

Sary
I Jesoa Kristy sy i Petera mandeha eo ambony rano

Mpanefa ny finoana, nosoratan’i J. Alan Barrett

Tsy misy daty mahalano andro azy ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra. Ny anton’izany dia satria izy io dia fahalalana “ny amin’ny zavatra araka ny tena toetrany sy ny amin’ny zavatra araka ny ho tena toetrany” (Jakoba 4:13).

Mbola marina foana ankehitriny ireo fahamarinana nosoratana an’arivo taona maro taloha ao amin’ny Testamenta Taloha. Ary ny sasany amin’izy ireo dia manampy anao hahita ny zavatra azon’ny Tompo atao ho anao ankehitriny. Ireto misy vitsy amin’izany fahamarinana izany avy ao amin’ny bokin’ny Ohabolana sy Mpitoriteny ary Isaia (izay hohalalininao amin’ity volana ity). Mampiseho anao izy ireo fa i Jesoa Kristy dia afaka …

Mitarika ny lalanao

Misy fotoana isika rehetra dia mahatsapa ho very hevitra, na very, na mila fitarihana. Raha omenao fahatokisana sy fanetrentena ary fankasitrahana feno ny Tompo dia “handamina ny lalanao” Izy (jereo ny Ohabolana 3:5–6).

Raha mitandrina ny didiny ianao dia “mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao” Izy ary “ ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao” (Isaia 48:17–18).

Sary
Jesoa Kristy miaraka amin’ny zatovolahy

Mihaona amin’ny Mpamonjy, nataon’i Jen Tolman

Manome anao fomba fijery

Mety ho toa tsara na mahafinaritra ny toe-tsaina sy ny fomba fiainana eto amin’izao tontolo izao. Saingy ny fampianaran’i Jesoa Kristy dia afaka manampy anao hahita ny fahabangana sy ny fahafoanan’ny fomban’izao tontolo izao.

“Ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ny masoandro [dia] zava-poana sy misambo-drivotra” (Mpitoriteny 1:14). Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe mitondra fahasorenana ny fomban’izao tontolo izao. Toy ny manenjika rivotra sy miezaka ny hahazo azy. Tonga ny fahasambarana rehefa maneho fanajana an’ Andriamanitra sy mitandrina ny didiny isika (jereo ny Mpitoriteny 12:13).

Maro ireo olona amin’izao tontolo izao no “miantso ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy, … mametraka ny haizina ho hazavana ary ny hazavana ho haizina, … manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!” (Isaia 5:20) Saingy asehon’ny Tompo antsika ny fahamarinana. Rehefa manaraka ny fombany sy ny teniny isika dia ho “amin’ny fifaliana no hivoaha[ntsika], ary amin’ny fiadanana no hitondrana [antsika]” (jereo ny Isaia 55:8–12).

(Jereo koa ny Isaia 40:6–8; 51:7–8.)

Mamela ny helokao

Samy manao hadisoana isika rehetra. Samy efa nanota isika rehetra. Saingy rehefa mibebaka sy miezaka hatrany mitandrina ny didin’ Andriamanitra dia afaka manadio sy mahasitrana antsika indray i Jesoa Kristy. “Hamindra fo [amintsika] Izy, … fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” (Isaia 55:7). Nilaza Izy hoe:

“Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala. Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy” (Isaia 1:18).

“Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao … , ary tsy hotsarovako ny fahotanao” (Isaia 43:25).

Sary
Jesoa Kristy mamihina olona

Sary nalain’i Mark Mabry

Mampatanjakana anao

Mahatsiaro ho malemy na reraka isika rehetra indraindray. Afaka manome hery anao i Jesoa Kristy. “Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay” (Isaia 26:4) Rehefa manetry tena sy matoky Azy ianao dia afaka manampy anao hanohitra ny fakam-panahy, na handray fanapahan-kevitra sarotra, na handroso fotsiny eo anivon’ny fahasarotana Izy. Nilaza Izy hoe:

“Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana; fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao” (Isaia 41:10).

Tsy manadino anao velively

Nanao sorona ny ainy ho anao i Jesoa Kristy Mpamonjy satria tia ny Raintsika any An-danitra Izy, ary satria tia anao Izy. Ny sorona nataony no mahatonga anao hitsangana amin’ny maty sy manana ny fahafahana ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra. Tsy hahafoy anao na hanadino anao velively Izy. Nilaza Izy hoe:

“Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy … ? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba hanadino anao.

“Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao” (Isaia 49:15–16).

Koa satria nanao zavatra maro ho antsika Izy sy tsy hanadino antsika velively, dia tokony hiezaka ny “hahatsiaro Azy mandrakariva” (Fotompampianarana syFanekempihavanana 20:77, 79) koa isika.

Hamoaka printy