2022
Fitsipika fototra efatra nahatakaran’i Nefia ny Isaia
Septambra 2022


“Fitsipika fototra efatra nahatakaran’i Nefia ny Isaia,” Ho zatovo mahery! Sept. 2022.

Avia, hanaraka Ahy

Isaia

Fitsipika fototra efatra nahatakaran’i Nefia ny Isaia

Sahirana ve ianao mamaky ny Isaia? Indro i Nefia hanampy anao!

Sary
Nefia manoratra eo amin’ireo takela-bolamena

Sary nataon’i Kevin Keele

Miharihary fa tena manan-danja ny asa soratr’i Isaia ao amin’ny Testamenta Taloha satria voaresaka imbetsaka loatra ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny Bokin’i Môrmôna izy ireo. Ny Mpamonjy mihitsy no nilaza hoe: “Lehibe ny tenin’i Isaia” (3 Nefia 23:1).

Kanefa nahoana izy ireo no natao sarotra takarina?

Aza kivy! Efa fantatr’i Nefia ny ho fahasahiranantsika. Niaiky izy fa “i Isaia dia nilaza zavatra maro izay sarotra … ny mahazo izany” (2 Nefia 25:1). Soa ihany fa nanome fitsipika fototra efatra i Nefia izay afaka manampy antsika hahatakatra ny dikan’ireo tenin’i Isaia.

Fitsipika fototra voalohany: Miaina amin’ny andro farany

Nanoratra i Nefia fa ireo izay miaina amin’ny “andro farany” dia ho afaka ny “hahazo” ny tenin’i Isaia (2 nefia 25:8). Satria angamba ny olona amin’ny andro farany dia hanana fomba fijery izay tsy nananan’ireo olona tamin’ny andron’i Isaia. Taloha ela be tany dia mety tsy azon’ny olona ny fomba ahafahan’ny olona “milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy” (Isaia 5:20) nefa dia hitantsika mitranga eny amin’ny manodidiana antsika rehetra eny izany.

Mety tsy takatry ny olona tany aloha ihany koa ny tian’ny Tompo nolazaina raha nilaza Izy hoe: “Mbola hanao zava-mahagaga amin’ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona” (Isaia 29: 14).

Nampianatra antsika ireo mpaminany maoderina fa io “zava-mahagaga sy mahatalanjona” io dia miresaka momba ny fivoahan’ny Bokin’ i Môrmôna sy ny famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Voatahy ianao fa miaina amin’ny fotoana ahafahanao manatri-maso ny fahatanterahan’ny maro amin’ireo faminanian’i Isaia.

Fitsipika fototra faharoa: Manàna ny fanahin’ny faminaniana

Nilaza i Nefia fa ny tenin’i Isaia dia mety ho “mazava … ho an’ireo rehetra izay heniky ny fanahin’ny faminaniana” (2 Nefia 25:4). Mety ho mampatahotra izany amin’ny voalohany, nefa tsy midika akory izany fa ny mpaminany irery ihany no afaka mahatakatra ny Isaia. Mampianatra ny soratra masina fa “ny filazana an’i Jesoa no fanahin’ny faminaniana” (Apokalypsy 19:10). Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe rehefa mino an’i Jesoa Kristy ianao dia efa manana sahady ny fanombohan’izay ilaina mba hahatakarana ny Isaia.

Ny asa soratr’i Isaia dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Na ny anarany aza dia mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy! Ny anaran’i Isaia dia midika hoe “ny Tompo no famonjena” na “mamonjy i Jesoa.”

Fitsipika fototra fahatelo: Mahatakatra tononkalo sy sariohatra

Nanazava i Nefia fa ny tenin’i Isaia dia sarotra ho an’ireo izay tsy zatra ny “fomban’ny faminaniana teo amin’ny Jiosy” (2 Nefia 25:1). Mora takatra kokoa ny tenin’i Isaia rehefa mianatra bebe kokoa momba ny fomba fanoratra tatsinanana tamin’ny andron’i Isaia isika, toy ny tononkalo sy ny sariohatra. Matetika i Isaia no nampiasa sariohatra sarotra ao anatin’ny asa sorany.

Ohatra, nanoratra i Isaia momba ireo izay “avo … sady manerinerina” ho toy ny “sedera rehetra any Libanona” sy “oaka rehetra any Basana [Syria]” (2 Nefia 12:13). Ny sedera sy ny oaka dia hazo be raviny. Nampiasa tononkalo izy hilazana fa ny olona miavonavona sy mieboebo dia tahaka ny hazo avo satria nanamafy ny fony izy ireo ary mieritreritra fa tsara noho ny hafa izy ireo. Ny famakiana ny Isaia tahaka ny tononkalo dia afaka manampy antsika hahatakatra tsara ny zavatra ampianariny.

Fitsipika fototra fahefatra: Fantaro ny toerana

Milaza anaran-toerana 108 i Isaia ao anatin’ny asa sorany. Mety hampisavoritaka ny fanaraha-maso izany, indrindra raha mbola tsy nipetraka tany ianao! Ny fitsipika fototra fahefatr’i Nefia dia ny mahafantatra “ireo toerana manodidina” an’i Jerosalema (2 Nefia 25:6).

Mbola amin’ny toerany hatrizay no misy an’i Jerosalema, saingy taloha izy dia teo anivon’ireo firenena matanjaka telo nifanandrina. Teo antsinany no nisy an’i babylona, ivontoeran’ny zavakanto sy ny lamaody. Teo avaratra no nisy an’i Asyria, izay nanana ny tafika natanjaka tamin’ny andron’i Isaia. Teo atsimo andrefany no nisy an’i Egypta, ivon-terana ara-barotra. Ny fahafantarana izany zavatra izany fotsiny dia afaka manampy antsika hanara-maso izay nandrahona hanafika an’i Israely sy hitondra azy ho babo. Amin’ny heviny an’ohatra, i Babylona dia maneho ny fanaon’izao tontolo izao, i Asyria ny fireharehana, ary Egypta ny harena.

Natao ho anao ny tenin’i Isaia

I Isaia dia nampianatra zavatra maro hafa izay zava-dehibe ho antsika ny mahatakatra azy. Nijoro ho vavolombelona momba ny fanangonana an’i Isiraely izy, izay nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson ho ny “zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. … Ary raha misafidy ianao, raha tianao izany, dia afaka ny ho mpandray anjara lehibe amin’izany ianao” (“Fanantenana ho an’Isiraely” [fivoriana fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], 8, HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org; jereo ny Isaia 49:13–23).

Sary
Ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany

Nijoro ho vavolombelona momba ny fanorenana an’i Ziona ihany koa i Isaia ho fiomanana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy fanindroany sy ny fanjkany amin’ny arivotaona (jereo ohatra ny Isaia 5152). Amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy dia afaka mijoro ho vavolombelona aminao ny amin’ny maha-zava-dehibe ny tenin’i Isaia sy ny fomba ahafahan’izany manampy sy mitahy ny fiainanao ankehitriny ny Fanahy.

Hamoaka printy