2022
Naoty marina
Septambra 2022


“Naoty marina,” Ho zatovo mahery! Sept. 2022.

Fototra mafy orina

Zatovo Olomasin’ny Andro Farany manorina ny fiainany eo ambony vatolampin’i Jesoa Kristy (jereo ny Helamàna 5:12).

Naoty marina

Sary
zatovovavy iray ao an-dakilasy

Sary nataon’i Katie Payne

Tany an-tsekoly dia naniry ny hampivoarana ny fahamarinan-toetra tao amin’ny kilasiny ny mpampianatra simia anay. Nilaza taminay izy fa izahay ihany no hitsara ny fitsapana nataonay ary hanao tatitra ny isa azonay. Raha nozahako ny valinteniko dia nalaim-panahy aho hanampy isa iray monja amin’ny naotiko. Izany isa iray izany monja no nilaiko hahafahako an’ilay fitsapana. Nipetraka teo aho nieritreritra izay hatao.

Raha nipetraka teo aho nieritreritra, dia tsaroako tampoka ny teny iray nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) izay napetrako tao ivohon’ny karapanondroko: “Zavatra tena manimba ny tsy fahamarinan-toetra kely. … Ny andrim-panjakana iray dia mety ho afaka mahazaka ny fahaverezan’ny vola, fa ny olona tsy afaka mizaka ny fahaverezan’ny hajan’ny tena” (“I Believe,” Ensign, Aug. 1992, 5). Teo ambanin’izany teny nambara izany dia nisy izao teny izao: “Raha nijoro teo anilako ny Mpamonjy dia hanao ireo zavatra ataoko ireo ve aho?

Nahatsapa fiadanana sy fifaliana aho rehefa nahafantatra ny zavatra tokony nataoko. Tsy novaiko ilay naotiko tsy nahomby, saingy fantatro fa afaka fanadinana iray manan-danja kokoa aho, dia ny fitsapana ny fahamarinan-toetra, ary nampirehareha ahy ny safidy nataoko.

Natalie A., Filipina

Hamoaka printy