2022
Fitsapana toetra
Septambra 2022


“Fitsapana toetra,” Ho zatovo mahery!] Sept. 2022.

Fototra mafy orina

Zatovo Olomasin’ny Andro Farany manorina ny fiainany eo ambony vatolampin’i Jesoa Kristy (jereo ny Helamàna 5:12).

Fitsapana toetra

Sary
zatovolahy mandoko vala

Sary nataon’i Katie Payne

Tsy izao no zavatra neritreretiko hatao. Efa vonona mihitsy aho ny hikarakara ny fefin’ny renibeko tamin’ny menaka mba ho fiarovana izany. Saingy rehefa nandroso anefa ny andro dia nikoriana tamin’ny tavako ny hatsembohana ary nivadika ho harerahana tao anaty hafanana ilay fahavononako.

Nanoro hevitra ahy mba hiato sy hisotro rano mialoha ny hiverenako hanao izany ny reniko, saingy nilongilongy aho, tapa-kevitra ny ho ory.

“Dallin, tsy misy valisoa marina amin’ny fananana toe-tsaina tsara rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra eo amin’ny fiainana,” hoy izy. “Tonga ny tena fitsapana ny toe-tsaina sy ny tena valisoa marina rehefa afaka manana toe-tsaina tsara ianao na dia toa mahory aza ny zava-drehetra.”

Herinandro toarin’izay dia nanontany ahy ny raibeko raha afaka nikarakara ny fefiny. Lava kokoa ny fefiny ary ny lafiny roa no ho karakarainay.

Tamin’io fotoana io aho dia vonona ny hiezaka hanana toe-tsaina tsara na dia efa mihasarotra aza ilay asa. Nanomboka vao maraina izahay, saingy azo antoka fa tsy ela dia ho kilan’ny masoandro. Toa tsy ho mety vita anefa ilay asa rehefa nibata ireo siny mavesatra misy menaka madity sy maimbo izahay. Nanindrona ny tongotray ny kirihitra feno tsilo teo amin’ny sisin’ilay fefy. Rehefa tsaroako anefa ilay nolazain’ny reniko, dia tsy nitaraina aho. Tsy niala aho. Niasa tamim-pitandremana aho ary niezaka nampiseho hatrany toetra tsara.

Rehefa nahavita izahay dia nojereko ilay fefy vao avy nokarakaraina ary nampirehareha ahy ny zavatra vitanay. Reraka sy naditidity aho, kanefa fantatro fa nandalo fitsapana lehibe momba ny toetrako koa aho. Nianatra aho afa afaka nanana toe-tsaina tsara aho na dia toa mahory aza ny zava-drehetra.

Dallin H., Oklahoma, Etazonia

Hamoaka printy