2022
Ny olana tamin’ny fifindrana
Septambra 2022


“Ny olana tamin’ny fifindrana,” Ho zatovo mahery!, Sept. 2022.

Fototra mafy orina

Zatovo Olomasin’ny Andro Farany manorina ny fiainany eo ambony vatolampin’i Jesoa Kristy (jereo ny Helamàna 5:12).

Ny olana tamin’ny fifindrana

Nifindra monina imbetsaka ny fianakaviako raha nihalehibe aho. Sarotra ny nanazatraireo toerana vaovao, saingy tamin’ny taona voalohany naha tao amin’ny lise ahy dia tiako ny toerana nipetrahanay. Niova anefa ny zava-drehetra, rehefa nodimandry ny raibeko ary nanapa-kevitra ny hifindra akaiky kokoa an-drenibeko ny ray aman-dreniko. Nanahy mafy ny hifindranay indray aho. Efa niasa mafy aho mba ho tamana tsara tao an-tsekoly sy hahazo namana.

Lasa tezitra aho ary nifamaly tamin’ny ray aman-dreniko mikasika ny fifindrana. Namporisika ahy ny ray aman-dreniko mba hivavaka momba izany. Nanandrana aho saingy tsy naharay valiny. Na dia teo aza ny fahasorenako dia nanapa-kevitra ny hivavaka indray aho. Talohan’ny nanombohako izany dia nahare feo mazava tsara tao an-tsaiko aho nilaza hoe: “Rachel, tsy hahazo valiny ianao satria tsy te hahazo izany.” Gaga aho. Fotoana kely taorian’izay dia nanomboka nivavaka tamin’ny fomba hafa aho. Namboraka ny foko tamin’ny Ray any An-danitra aho ary nanontany Azy izay tiany hataoko.

Ny fahatsapana nananako dia hoe nila nifindra ny fianakaviako. Rehefa nanetry ny tenako sy nanaiky izay tian’ny Ray any An-danitra aho dia nahatsapa fiadanana. Tsy mora foana izany saingy fantatro fa teo amin’ny toerana izay tian’ny Tompo hisy anay izahay. Nanampy ahy hanatona akaiky kokoa ny Mpamonjy io zavatra niainana io ary nanampy ahy hanakaiky kokoa an’ilay olona tiany hahatongavako.

Rachel H., Washington, Etazonia

Hamoaka printy