2022
Misy fetrany ve ny hoe impiry aho no afaka mibebaka?
Septambra 2022


“Misy fetrany ve ny hoe impiry aho no afaka mibebaka?,” Ho zatovo mahery! Sept. 2022.

Valiny fohy sy mivantana

Misy fetrany ve ny hoe impiry aho no afaka mibebaka?

Sary
zatovolahy mandray ny fanasan’ny Tompo

Rehefa maniry marina ny hibebaka ianao dia mety hahasorena raha solafaka indray ianao. Saingy noho ny Sorompanavotana tsy manam-petran’i Jesoa Kristy, dia tsy manam-petra ny famindram-po sy ny fahasoavan’ Andriamanitra, ary mbola afaka mibebaka sy ho mendrika foana ianao. Tsarovy fa “ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina” ary “rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny … hahazo fifaliana.”1

Afaka mibebaka foana ianao na dia fahadiasoana mitsovy ihany aza no naverinao natao. Hoy ny Tompo hoe: “Isaky ny mibebaka ny oloko dia Izaho hamela ny fahadisoany Tamiko” (Môzià 26:30). Miraisa amin’ny “vahoakany,” ary na oviana na oviana ianao no mivily lalana dia miverena amin’ny Tompo. Miresaha ihany koa amin’ny ray aman-dreninao sy ny evekanao. Afaka mankahery anao ny fanampiana sy ny fanohanan’izy ireo.

Raha sahirana mandresy fahotana iray ianao dia aza milavo lefona. Mety ho tian’ny Satana hino ianao hoe efa tsy misy fanantenana ny aminao na hoe efa azonao avokoa ny fahafahana rehetra tokony ho anao. Saingy tsy marina izany. Miezaha hatrany. Raisin’ny Tompo lalandava ny fibebahana avy amin’ny fo.

Hamoaka printy