2022
Tsara ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo tany an-trano. Nahoana no tian’ny Tompo hiverina any am-piangonana isika?
Septambra 2022


“Tsara ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo tany an-trano. Nahoana no tian’ny Tompo hiverina any am-piangonana isika?,” Ho zatovo mahery! Sept. 2022.

Fanontaniana sy valiny

“Tsara ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo tany an-trano. Nahoana no tian’ny Tompo hiverina any am-piangonana isika?”

Ho iray

“Tian’ny Tompo hiverina any am-piangonana indray isika satria tiany isika hanakaiky Azy bebe kokoa. Tiany ho iray ihany koa isika amin’ny maha mpirahalahy sy mpirahavavy antsika. Rehefa mankany am-piangonana isika dia lasa iray sy mifanampy ary maneho Azy ny fankasitrahantsika noho ny zavatra rehetra nataony ho antsika. Manamafy orina ny finoantsika ihany koa isika ary mianatra fampianarana vaovao.”

Melanie M., 13 taona, Meksika

Tanjaka amin’ny alalan’ny hamaroana

Sary
zatovolahy

“Tsara ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo tany an-trano ary nanampy antsika hahita fa tokony hovolentsika ao an-tokantranontsika ny Fiangonana fa tsy mifantoka amin’izany isaky ny alahady ihany. Na izany anefa ny fiangonana any an-trano indraindray dia mety hahatonga anao hahatsapa ho mitokana. Zava-dehibe ny fandehanana any am-piangonana satria miteraka tanjaka izany amin’ny alalan’ny hamaroana.”

Nathan G., 15, Arizona, Etazonia

Manorina fifandraisana

Sary
zatovovavy

“Misy tontolo feno fitiavana any am-piangonana. Any ianao afaka manorina fifandraisana sy mitahy ny fiainan’ny hafa sady miaraka voatahy. Zava-dehibe ihany koa ny Fiangoanana hanorenana ny fahalalanao ny filazantsara. Tian’ny Tompo hitory ny filazantsara isika amin’ireo manodidina antsika ary hanorina an’i Ziona.”

Amelia W., 16, Utah, Etazonia

Tonga mba hanampy ny hafa

Sary
zatovovavy

“Rehefa nanomboka ny valanaretina dia nanahy aho ny tsy hahafahanay mandray ny fanasan’ny Tompo, saingy navelan’ny eveka nandray izany tany an-trano anefa izahay avy eo! Misy manontany tena ny olona sasany hoe nahoana isika no tokony hiverina any am-piangonana, saingy mieritreritra aho fa miverina isika mba hanazava ny hafa, mba hiresaka sy hanampy olona. Tsy maintsy mandeha any am-piangonana isika mba hanome fitiavana sy hizara ny traikefantsika.”

Tamara M., 17, Meksika

Hanavao fanekempihavanana

Sary
zatovolahy

“Tian’ Andriamanitra hiverina any am-piangonana isika satria tsy ny rehetra no afaka nandray ny fanasan’ny Tompo tany an-tranony. Nilaza tamiko ny dadabeko fa amin’ny maha mpihazona ny fisoronana ahy dia tokony haka antoka aho hoe manana io fahafahana io ny olona tsirairay. Zava-dehibe ho antsika ny mandeha any am-piangonana mba hahafahantsika rehetra manavao ny fanekempihavanana nataontsika.”

Esteban M., 16, Arzantina

Hamoaka printy