2022
Manome fanantenana ho antsika i Jesoa Kristy.
Septambra 2022


“Manome fanantenana ho antsika i Jesoa Kristy,” Ho zatovo mahery!, Sept. 2022.

Manome fanantenana ho antsika i Jesoa Kristy

Rehefa manompo ny hafa isika dia manome fanantenana ho antsika i Jesoa Kristy fa hirindra tsara ny zava-drehetra eo amin’ny fiainantsika.

Sary
zatovolahy manosika borety

Zatovolahy avy ao Cusco, Pérou, miara-miasa mba hanompo.

Feno fanamby maro ity fiainana ity. Mety efa niaina vitsy tamin’izany ianao. Maro ireo antony mahatonga ny adin-tsaina sy ny ahiahy, tahotra sy tebitebin-tsaina. Rehefa miaina ireo zavatra ireo isika, dia manana fironana hijery ny tenantsika, izany hoe miraharaha ny tenantsika sy ny zavatra ilaintsika mihoatra ny zavatra rehetra. Mieritreritra isika fa rehefa lanintsika amin’ny fiezahana “manamboatra” izay tsy mety ny fotoantsika sy ny herintsika dia afaka mamaha irery ny olantsika isika.

Saingy mampiseho antsika lalana tsara kokoa i Jesoa Kristy. Nampianatra Izy hoe: “Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany” (Lioka 17:33). Ny fomba haingana indrindra hahitana fanantenana ao anatin’ny fitsapana anao dia ny mampitodika ny fonao amin’ny Mpamonjy sy manaraka ny ohatra nasehony ary manompo ny hafa.

Sary
I Kristy manasitrana ilay lehilahy tao Betesda

The Healing at Bethesda (Ilay fanasitranana tao Betesta), nataon’i Gary Smith

Ny fiainan’ny Mpamonjy dia ohatra tonga lafatra teo amin’ny fanehoana fitiavana sy fahavononana hanampy ny olona. Nanadino ny tenany foana Izy mba hanaovan-javatra ho an’ny hafa. Ireo asany feno fitiavana dia hita tao anatin’ireo zavatra rehetra izay nataony isan’andro nandritra ny fiainany fa tsy hoe nandritra ny vanim-potoana iray manokana.

Rehefa mampitodika ny fontsika amin’ny hafa isika dia manome toky anareo aho fa hahita fahafahana tsy voafetra hanampy amin’ny fomba mangingina sy mifono hatsaram-panahy an’ireo olona izay mila antsika isika.

Hanampy antsika hahafantatra kokoa ny Mpamonjy izany sy hahatsapa fiadanana eto an-tany sady mampivelatra fiantrana bebe kokoa ny hafa. Rehefa “mahavery ny tenantsika” isika amin’ny fanampiana ny hafa, fanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy, dia hanampy anao Izy.

Sary
zatovolahy milanja biriky tany

Anjely isan’andro

Matetika ny Mpamonjy dia mandefa ny hafa ho eo amin’ny fiainantsika mba hitondra ho antsika ilay fiadanana sy fampiononana ilaintsika amin’ny fotoana sarotra. Tsapantsika toy ny anjely ireo olona voatahy ireo satria tena izany tokoa izy ireo.

Niaina fahatsapana fampaherezana sy fiadanana izay azon’ny anjely maoderina iray amin’izao andro izao entina izaho sy ny fianakaviako tao anatina trangan-javatra maro samihafa. Te hizara ny iray amin’ireo trangan-javatra ireo aho. Tamin’ny taona 2003 dia nandao an’i Brésil tanindrazanay izahay ary nifindra tany Utah any Etazonia.

Niaina ny iray tamin’ireo tafiotran-dranomandry lehibe indrindra nitranga tao Utah tao anatin’ny taona maro izahay nandritra ny vanim-potoan’ny ririnina tamin’izany. Tsy mbola nahita velively zavatra toy izany izahay teo amin’ny fiainanay satria lehibe tany amina toerana ahitana hazo rofia sy moron-dranomasina be toram-pasika izahay. Teo amin’ny zoron-dalana iray teny amin’ny havoana iray no nisy ny tranonay izay nahitana sisin-dalana lava dia lava.

Rehefa nanomboka nilatsaka ny oram-panala dia navitrika ny vadiko nanomboka nitsoka ny oram-panala teo amin’ny lalana sy ny sisin-dalana. Tsy afaka nanampy aho satria nibolisatra tamin’ny ranomandry aho ary tapaka ny hato-tanako andro vitsivitsy talohan’izay. Niteraka fandidiana sy fanasiana plâtre lava be teo amin’ny tanako izany loza nitranga izany.

Rehefa nanomboka nanala ny ranomandry tamin’ny milina fanalana ranomandry ilay vady malalako, izay sambany teo amin’ny fiainany, dia tsy nahafantatra velively izy fa ilaina ovaina ny lalan’ny fantsona famoahana ranomandry rehefa avy manadio ny ilany iray amin’ilay lalan-kely izy. Dia nandeha indray teny amin’ilay faritra ilany iray hafa izy mba hanadio, saingy teny ny ranomandry no navoakan’ilay fantsona famoahana ranomandry. Nandeha nandroso sy niverina izy saingy tsy nisy vokany izany. Korontana re izao!

Noho ny fijanonany ela loatra tao anatin’ny hatsiaka dia tratran’ny otrikaretina ny sofiny anankiroa ary saika narenina tanteraka izy nandritra ny roa volana. Tao anatin’izany fotoana izany koa dia naratra ny lamosin’ny zanako lahy 16 taona tamin’izy nanao fanatanjahan-tena fikorisana amin’ny fiaran-dranomandry ary nila nijanona teo am-pandriana izy mba ho sitrana. Dia teo izahay, ny iray tsy afa-mihetsika teo am-pandriana, ny iray narenina, ny iray nanao plâtre ary samy matin’ny hatsiaka daholo.

Azoko antoka fa hitan’ireo mpifanolobodirindrina taminay ihany izahay. Tao anatin’ny iray tamin’ireo andro vao maraina sy mamirifiry ireo, teo amin’ny 5 ora maraina teo, dia nifoha aho noho ny fahenoana milina fanalana ranomandry tany ivelan’ny varavarankeliko. Nijery teny ivelany aho ary nahita an-drahalahy Blaine Williams izay mpifanolobodirindrina tamiko nipetraka teny am-pitan’ny arabe. Nivoaka ilay tranony mafana sy mampahazo aina izy, izay 70 taona latsaka kely, ary tonga mangingina nanadio ny lalan-kelinay sy ny sisin-dalanay noho ny fahafantarany fa tsy ho afaka ny hanao izany izahay.

Sary
fitsofana ranomandry

Sary avy amin’ny Getty Images

Nisy namana iray hafa, rahalahy Daniel Almeida, tonga teo an-tranonay mba hitondra ahy any Salt Lake handeha hiasa satria tsy afaka namily fiara tamin’ilay tanako nisy plâtre izay tena nanelingelina aho. Teo foana izy ireo ho ahy isa-maraina naneho ny fitiavany tamin’ireo hatsaram-panahy tsotra ireo, mandra-pahasitran’ny fianakaviako sy mandra-pahafahanay nahavita nanao zavatra irery.

Nandritra izany ririnina tamin’ny taona 2003 izany dia nirahina ho any aminay ireo rahalahy anjely ireo. Nanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjintsika ireo rahalahy anankiroa ireo ary nieritreritra ny zavatra nilainay nialohan’ny nieritreretan’izy ireo ny zavatra nilainy.

Manome fiadanana ny Mpamonjy

Manome antsika fomba fijery avo kokoa sy masina kokoa ny fanompoana ny hafa. Rehefa manompo ny hafa isika dia manome fanantenana ho antsika i Jesoa Kristy fa hirindra tsara ny zava-drehetra eo amin’ny fiainantsika.

Ny fampitodihana ny fontsika amin’ny hafa dia hitahy antsika amin’ny fahafahana tsy voafetra hanampy amin’ny fomba mangingina sy mifono hatsaram-panahy an’ireo olona izay mila antsika. Ny fiainana tahaka ny nataon’ny Mpamonjy ihany koa dia manampy antsika hampivoatra fitiavana tahaka ny an’i Kristy bebe kokoa ho an’ny hafa. Manampy antsika hahita refim-pitiavana sy fiadanana sy fahazavana ary hery nohavaozina lehibe kokoa izany.

Sary
rahavavy

Manasa antsika ny Mpamonjy mba hikatsaka Azy amin’ny eritreritsika rehetra ary hanaraka Azy. Izany dia manome antsika ilay fampanantenana fa afaka mandeha ao amin’ny fahazavany isika, ary ny fitarihany dia misoroka antsika amin’ny vokatry ny haizina eo amin’ny fiainantsika. Rehefa “mahavery” ny ainao ao Aminy ianao dia hanampy anao hahita ny tenanao Izy.

Sary
zazalahy ao an-tsekoly

Sary avy amin’ny Getty Images

Mitodiha any amin’i Kristy, mandrakariva

Zaraiko ny fijoroana ho vavolombelona miezinezina ananako fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa ary velona Izy. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa amin’ny alalany sy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy misy fetra dia nanome antsika ny fomba handresena ny fahafatesana ny Mpamonjy, na ara-batana izany na ara-panahy.

Ankoatra izany dia nanolotra fampiononana sy toky ho antsika koa Izy ao anatin’ireo fotoan-tsarotra. Manome toky anareo aho fa rehefa matoky an’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany mahagaga isika, sady maharitra ao amin’ny finoantsika hatramin’ny farany, dia hianoka ireo fampanantenana nomen’ny Ray malalantsika any An-danitra, izay manao ny zavatra rehetra amin’ny heriny mba hanampiana antsika hiverina eo anatrehany indray andro any.

Hamoaka printy