“Ny zavatra tian’i Ark hianarana,” Ho zatovo mahery!, Sept. 2022.
Ny zavatra tian’i Ark hianarana
Firenena vaovao, kolontsaina vaovao, namana vaovao … tsy maninona!
Tia sakafo masiaka i Ark. Somary vaovao aminy izany. Raha tany Philippines, izay tanàna nahalehibe azy, dia tsy dia nafana loatra ny sakafo.
Saingy nahazo asa tany Malezia avy eo ny rainy.
Tamin’izay fotoana izay i Ark dia nahazo namana tao am-piangonana izay avy amin’ny fiaviana samihafa, ary nisy avy any Inde ny vitsivitsy tamin’izany.
“Mihinana sakafo tena masiaka izy ireo!” Hoy i Ark C., 14 taona, momba ireo namany vaovao. “Mbola masika lavitra noho ny mahazatra ahy any an-trano izany.”
Ny mampihomehy dia tsy fantatr’i Ark mihitsy ny zavatra tsy ampy taminy. Izao izy dia mankafy tontolo vaovao ara-tsakafo tanteraka.
Mazava ho azy fa tsy izany ihany no fomba nanovan’ireo naman’i Ark ny fiainana ho lasa tsaratsara kokoa. “Faly aho nifindra tany Malezia, sady nalahelo ihany. Namana vaovao daholo no nisy ary sarotra ny miresaka amin’ny namana vaovao.”
Saingy nampian’ireo zatovo tao amin’ny sampana vaovao nisy azy izy nandalo izany fiovana izany. Ho tombony koa dia mahafantatra zavatra betsaka momba ny lohahevitra maro samihafa izy. “Nianatra momba ny kolontsaina maro aho,” hoy izy. “Hafa ny sakafo dia toy izany koa ny fiakanjo. Miloko marevaka ny fiakanjon’izy ireo, ary tena mahaliana ny fomba fanamboaran’izy ireo izany!”
Nisy andiana namana iray anefa nanohana azy nihoatra ny hafa rehetra nandritra sy taorian’izany fifindrana izany, dia ny fianakaviany.
Lalao miaraka amin’ny namana
Tian’i Ark ny mandany fotoana miaraka amin’ny fianakaviany, indrindra fa rehefa milalao karatra izy ireo. Ny lalao Uno no tena tiany indrindra. Ny antony? “Mandresy foana aho,” hoy izy sady mihomehy.
Tiany ihany koa ny milalao Monopoly miaraka amin’ireo ray aman-dreniny sy ny zandriny lahy, Leaf. (Mbola kely ny zandriny vavy ka mbola tsy afaka mandray anjara.) Misy zavatra hafa anefa mitranga mandritra ny lalao mihoatra ny hoe manipy kodiakely sy mandany vola kilalao. “Mampianatra ahy ny paikady fandraharahana sy fitsipika ara-bola ireo ray aman-dreniko ao anatin’ireo lalao. Torohevitra tena manampy ho an’ny hoavy izany.”
Mpandrindra rindrambaiko no asan’ny dadany, ary ny reniny kosa mpandraharaha tena ao Filipina. Manana fahaiza-manao maro hoampitaina izy ireo. Te hianatra izay rehetra azony hianarana avy amin’izy ireo i Ark. Manana drafitra lehibe mahakasika ny ho asany izy.
Biotechnologie sy ingénierie no taranja tiany indrindra any an-tsekoly. Te ho lasa biotechnicien i Ark. Miaraka amin’ny fijeriny izay avo dia araraotiny avokoa izay fahafahana mianatra zava-baovao.
Tsy ny mianatra amin’ny ray aman-dreniny foana anefa no loharanom-pianarana tian’i Ark. Tahaka ny fitiavany sakafo masiaka dia tonga taty aoriana kely tamin’ny fiainany io fahitany loharano sarobidy io.
Naditra ka lasa mpianatra
Niaiky i Ark hoe “Zaza tena naditra aho.” “Tsy tena noraharahiako ny nianatra avy tamin’ireo ray aman-dreniko.”
Naleony nandeha irery na nianatra avy tamin’ireo namany na mpampianatra azy any an-tsekoly ihany. Dia namaky zavatra tao amin’ny Bokin’ i Môrmôna izy avy eo izay nitondra fiovana lehibe tamin’ny fomba fijeriny.
Ao amin’ny Almà 36 sy 37 i Almà dia manome torohevitra an’i Helamàna zanany. Mampianatra ny zavatra rehetra an’i Helamàna i Almà, nanomboka tamin’ny tantaran’ny fiovam-pon’i Almà izay mahavariana (izay nahitana tsy fahatsiarovan-tena nandritra ny telo andro taorian’ny nilazan’ny anjely iray azy ho tsy nandray safidy tsara [jereo ny Almà 36:6–10]) ka hatramin’ireo loza naterak’ireo mpanao tsikombakomba miafina.
Teo anivon’izany rehetra izany dia nisy andininy iray nahasarika an’i Ark manao hoe: “Ô tsarovy anaka, ary mianara fahendrena amin’ny fahatanoranao; eny, mianara ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra amin’ny fahatanoranao” (Almà 37: 35).
Nisy zavatra nanitikitika ny sain’i Ark tamin’ireo teny ireo. “Afaka mampianatra fahendrena ahy koa ny ray aman-dreniko,” hoy izy. Tonga dia tonga saina izy fa nanana fampahalalana be dia be teo anoloany. “Miraharaha betsaka ny fahendren’izy ireo aho izao. Tia ahy izy ireo ary afaka manampy ahy hanomana ny hoaviko.”
Ary mihoatra lavitra noho ireo torohevitra momba ny fandraharahana zarainy mandritra ireo lalao ny fahendren’izy ireo.
Ny fahendren’i Dada sy i Neny
Anisan’ny lesona iray sarobidy nampianarin’ny ray aman-dreniny an’i Ark ny tsy hamela ireo fitaoman-dratsy hitarika azy hanao zavatra tsy mety. “Aty an-tsekoliko dia ankizy maro no maniry ahy hanandrana kafe, dite, sigara, sy ny sisa.”
Lohahevitra mahazatra resahina any an-trano izany. “Efa imbetsaka aho no niresaka momba izany tamin’ny ray aman-dreniko . Averimberin’izy ireo imbetsaka ny tenin’izy ireo,” hoy izy misangisangy.
Na izany aza, dia nisy vokany avokoa izany famerimberenana izany. Isaky ny angatahina hanao zavatra mifanohitra amin’ny finoany i Ark dia mahazo hery avy amin’ny zavatra nampianarin’ny ray aman-dreniny azy.
Lesona iray hafa noraisiny am-po koa ny fomba fiakanjo. Tsia, tsy nila torohevitra momba ny lamaody avy tamin’ny ray aman-dreniny i Ark mba hifanaraka tsara amin’ny any an-tsekoly. Raha ny marina, dia tena hainy indray ity sehatra iray ity. “Akanjo tsara manara-damaody daholo no fiakanjoko,” hoy i Ark. “Nanao izay hanintonana ankizivavy aho.”
Nanampy azy hahita anefa ny ray aman-dreniny fa nisy vokany tsy nampoizina ihany koa ny fiakanjo toy izany. “Ny akanjo anaovantsika dia misy fiantraikany amin’ny fomba fieritreretan’ny olona anao,” hoy i Ark manazava. Rehefa nandinika akaiky i Ark dia tsapany fa tsy tiany ny sasany amin’ireo fomba fiheveran’ny olona azy rehefa niakanjo toy ny nataony teo aloha izy.
Ankehitriny izy dia misafidy akanjo mitana ny lanja nentin-paharazana sy maotina kokoa, na araka ny fiantsony azy hoe, akanjon’ny “Adalam-pahaizana.” Tiany ny endriny vaovao ary izy dia mahatsapa tsaratsara kokoa ara-panahy ny amin’ny fomba fiakanjony. (Sady tsara anie ny adalam-pahaizana ry Ark e! Tsy azo ihodivirana izany.)
Fianarana Maharitra Mandrakizay
Tian’i Ark ny toerana ipetrahany, tiany ny fianakaviany, ary tiany ny mianatra amin’ny ray aman-dreniny.
Tiany ihany koa ny mianatra ny filazantsara.
“Mino aho fa velona i Jesoa Kristy,” hoy izy. “Mino aho fa ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminanintsika velona ary tamin’ny alalan’i Joseph Smith dia namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany i Jesoa. Mino aho fa afaka manampy antsika hamakivaky ny fiainantsika sy izay sakana na fitsapana iainantsika ny filazantsara.”
Na inona na inona zavatra mahagaga hianaran’i Ark amin’ny ho avy, dia efa nianatra ny sasany amin’ireo izay manan-danja indrindra izy. Anisan’ny voalohany amin’izany ny hoe: mitondra tsirony eo amin’ny fiainana ny fandaniana fotoana miaraka amin’ny fianakaviana.