2022
Mianara momba an’i Jesoa Kristy ary raiso ny heriny
Septambra 2022


“Mianara momba an’i Jesoa Kristy ary raiso ny heriny,” Ho zatovo mahery!, Sept. 2022.

Teny farany

Mianara momba an’i Jesoa Kristy ary raiso ny heriny

Te hizara ny fomba ahafahantsika misintona ny herin’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpampianatra antsika ho eo amin’ny fianantsika aho.

Atombotsika amin’ny fianarana momba Azy izany.1 “Tsy azo heverina ny hamonjena [antsika] ao amin’ny tsy fahalalana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:6). Arakaraka ny ahatakarantsika ny fotopampianaran’ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony ho antsika, no ahafantarantsika bebe kokoa fa Izy dia afaka manome ny hery izay ilaintsika ho an’ny fiainantsika.

Isika Olomasin’ny andro farany dia miantso izany iraka nampanaovina Azy izany hoe ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy, izay nahatonga ny fitsanganana amin’ny maty ho tena misy ho an’ny rehetra ary nanome fahafahana an’ireo rehetra izay mibebaka amin’ny fahotany sy mandray ka mitandrina ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana lehibe mba hahazo ny fiainana mandrakizay.

Ao anatin’ilay drafitra lehibe sy mandrakizain’ny Ray dia ny Mpamonjy no nijaly. Ny Mpamonjy no namaha ny famatoran’ny ny fahafatesana. Ny Mpamonjy no nanefa ny onitra ho an’ny fahotantsika sy ny fandikan-dalantsika ary mamafa ireny raha toa ka mibebaka isika. Ny Mpamonjy no manafaka antsika amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy.

Ny voambolana masina toy ny hoe Sorompanavotana sy ny Fitsanganana amin’ny maty dia entina hamaritana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy, araka ny drafitry ny Ray mba hahafahantsika manana fanantenana eto amin’ity fiainana ity ary hahazo fiainana mandrakizay amin’ny fiainan-ko avy.

Hamoaka printy