2020
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany: Fivokisana amin’ny teny avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo
Ôktôbra 2020


HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA EO AN-TOERANA

Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany: Fivokisana amin’ny teny avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo

“Ny fotoanan’ny fihaonambe dia toy ny fanovozan-kery ho an’ny enim-bolana manaraka. Raha ny marina dia rehefa manohy mivoky amin’ny teny avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo isika dia lasa sakafo isan’andro ho antsika sy loharanon’ny rano velona hanovozana mba tsy hangetahetantsika intsony izany.”

Efa hatramin’ny fahagola no fanao tato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izay tena marina ny fihaonambe. Nanangona ny taranany ary naminany ny amin’ny zavatra izay ho avy i Adama, ilay rain’ny zanak’olombelona. Nanangona ny zanak’i Israely ary nampianatra azy ireo ny didy izay noraisiny teny an-tendrombohitra Sinay i Mosesy. Nanangona ny vahoakany mba hiresaka momba ny rariny sy ny hitsiny sy ny fahamarinana ary ny fomba hanompoana ny Tompo am-pahombiazana i Benjamina Mpanjaka. Nampianatra valalabemandry izay niangona tany an-tany Masina sy tany amin’ny kaontinanta Amerikana ny Mpamonjy. Nandray anjara tamina fihaonambe ihany koa ireo mpianatr’i Jesoa Kristy—toa an’i Petera sy Paoly—rehefa nivory izy ireo ka nitory teny tamin’ny valalabemandry.

Tamin’ny 9 ôktôbra 1875 nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany no nitokanana ny Efitranon’ny Tabernakelin’i Salt Lake. Novakian’i John Taylor teny amin’ny polpitra ireto teny fangatahana sy fanokanana tao amin’ny vavaka fanokanana nentanim-panahy nataon’i Brigham Young ireto: “Izahay dia manokana sy manamasina ity ampahany amin’ity trano ity izay misy ny Filohanay sy ireo mpanomponao amin’izao ankehitriny izao, mba ho toerana masina izay hijoroan’ireo mpanomponao mba hanambarana ny teninao sy hanompoana ny vahoakanao amin’ny anaran’ny Zanakalahinao mandrakizay . . . Enga anie ireo anjely masinao sy ireo fanahy mpanomponao mba hanodidina sy ho ato anatin’ity fonenana ity, amin’izay rehefa voantso mba hijoro eto amin’ireto toerana masina ireto ireo mpanomponao, mba hanompo ny vahoakanao, dia hisokatra amin’ny fahitan’izy ireo anie ny fahitana ny mandrakizay, ary ho feno ny fanahy sy ny fitaomam-panahy sy ny fanomezam-pahasoavana ary ny herin’Andriamanitra anie izy ireo; ary avelao re ny vahoakanao rehetra izay mihaino ny tenin’ireo mpanomponao hisotra maimaimpoana eo amin’ny loharanon’ny ranon’aina mba ho lasa manam-pahendrena ka ho voavonjy” (Millennial Star, 15 Nov. 1875, p. 724).

Ireo mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany manerana an’izao tontolo izao dia miangona ao amin’ilay Ivon-toeran’ny Fihaonambe mahatalanjona, ny ivon-toeran’ny tsatòka, ny trano fiangonana sy any an-tokantrano indroa isan-taona mba hihaino hafatra izay nomanina tao anatina fandalinana sy fisaintsainana lalina sy fifadian-kanina ary vavaka avy amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Araka izay voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38 dia avy amin’Andriamanitra ireo hafatra ireo raha zohina. Tena miraharaha tokoa momba izay hahasoa ireo zanany lahy sy zanany vavy ny Tompo, hany ka dia maka fotoana hampitandremana sy hanomezana torohevitra sy tari-dalana ary hampaherezana ny mponin’izao tontolo izao.

Tena fahagagana miverimberina hatrany ny fahitana ny fomba hamahan’ny fihaonamben’ny Fiangonana indray miaraka ireo filan’ny mpikamban’ny Fiangonana an-tapitrisany ary heveriko fa ny fiomanan’ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona no tsiambaratelon’izany. Mandritra ny fotoana alohan’ny fihaonambe dia maka fotoana ny mpianakavy mba hanao lisitra ireo zavatra izay antenaintsika horesahan’ireo mpandahateny mandritra ny fihaonambe. Mety ho samihafa ny lohahevitra voakasik’izany. Mety ho hita ao anatin’izany ireo zavatra izay manahirana ny mpikambana tsirairay ao amin’ny fianakaviana, mety ho zavatra izay mila hazavaina misimisy kokoa izany na fangatahana ho ana olon-tiana sy mpiara-miangona ao am-piangonana.

Rehefa manao ny lisitra isika dia maka fotoana ihany koa handalinana sy hivavahana ary hifadiana hanina mihitsy aza momba ireo lohahevitra ireo. Ao anatin’izany dia mivavaka ihany koa isika ho an’ireo izay mety ho nomena andraikitra mba hitondra lahateny amintsika mandritra ny fihaonambe. Lasa mifanentana mba hamahana ireo filàna samihafa an’ny isam-batan’olona ny hafatra tsirairay rehefa mandeha manerana ny faritra ny Fanahy. Aorian’ny fihaonambe rehetra dia maka fotoana ihany koa isika handalinana ny lahateny tsirairay sy hamantatarana ny fomba hamahan’izany ny filàna ao anatin’ny lisitra nataontsika. Tena zavatra niainana nitondra fanambarana ho an’ny fianakavianay izany. Izany ihany koa dia fanao mitondra finoana ho an’ny fianakavianay rehefa tsapanay fa Andriamanitra dia ao amin’ny antsipirian’ny fiainanay. Rehefa mandray anjara amin’io fanao io isika dia mitombo ny fahafahantsika hatoky ny Tompo, mialalina ny fitiavantsika Azy ary mihena ny faniriantsika hanao ny ratsy—hany ka tsy mitsaha-mitombo faniriatsika hanao ny tsara mandrakariva.

Ny fotoanan’ny fihaonambe dia toy ny fanovozan-kery ho an’ny enim-bolana manaraka. Raha ny marina dia rehefa manohy mivoky amin’ny teny avy amin’ireo mpanompon’ny Tompo isika dia lasa sakafo isan’andro ho antsika sy loharanon’ny rano velona hanovozana mba tsy hangetahetantsika intsony izany. Ny fijoroana ho vavolombelona ato amiko izay azoko antoka dia ny hoe rehefa miomana ho amin’ny fihaonambe amim-bavaka isika ka mikatsaka valiny amin’ireo fanontaniana eo amin’ny fiainana sy fampiononana avy amin’ireo fanamby izay hatrehintsika eo amin’ny fiainantsika, na koa ny fanavaozana tsotra izao ny finoantsika, dia ho toerana azo antoka hahitana ireo zavatra rehetra ireo ny fihaonambe.

Ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ihany koa dia fotoana manokana izay ananantsika fahafahana hanohanana ireo izay nantsoina ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara—ary ireo mpiandraikitra ambony eo anivon’ny fiangonana. Io fanao io dia tsy hoe resaka fananganana ny tanana an-kavanantsika fotsiny, fa a fampanantenana masina izay ataontsika kosa fa isika dia manohana ireo Rahalahy amin’ny ezaka rehetra ataon’izy ireo hanorenana ny fanjakan’Andriamanitra na aiza na aiza misy antsika. Izany dia fampanantenana fa hanaraka ny fanasana rehetra, sy ny fampitandremana rehetra ary ny fananarana rehetra izay nomena miantefa amintsika. Mety ho anisan’izany ny fanompoana amin’ny fomba masina kokoa, ny fandoavana ny fahafolonkarenantsika sy ny fanatitra, ny fanaovana sy ny fitandremana ny fanekempihavanana masina izay atao any amin’ny tempoly, ny fizarana ny filazantsara naverina amin’ny laoniny amin’ireo namana rahalahy sy rahavavy ary ireo zavatra maro samihafa.

Rehefa mihaino ny hafatry ny fihaonambe isika dia tsy ho haintsika ny tsy hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika—amin’ny alalan’ireo Rahalahy. Mahatsapa fanantenana lehibe kokoa ho an’ny ho avy mamiratra kokoa isika. Mampianatra antsika ny soratra masina hoe: “raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:30). Tena marina ireo tenin’ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020 hoe: “Ny tena katsahantsika indrindra amin’ny fiainana dia ny miomana ny hihaona amin’ilay Mpahary antsika. Ataontsika izany amin’ny fiezahana isan’andro ny ho lasa mitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Ary manao izany isika rehefa mibebaka isan’andro sy mandray ny heriny manadio sy manasitrana ary mampatanjaka. Avy eo isika dia afaka mahatsapa fiadanana sy fifaliana maharitra, na dia mandritra ny fotoana mampihotakotaka aza. Izany indrindra no antony nitalahoan’ny Tompo tamintsika mba hitsanganantsika amin’ny toerana masina ary tsy hoesorina.”1 Tena toerana masina tokoa ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny aprily 2019 i Dunstan G. B. T. Chadambuka. Manambady an’i Pertunia Mudarikwa izy. Manan-janaka telo izy ireo.

Naoty

  1. Russell M. Nelson, “Hafatra fanokafana,” Liahona, Mey 2020, 6–7.

Hamoaka printy