2020
Ilay valanaretina: Fitahiana amin’ny endriny hafa
Ôktôbra 2020


FEON’NY MPIKAMBANA

Ilay valanaretina: Fitahiana amin’ny endriny hafa

“Nanery anay tsy hirobaroba ilay valanaretina ary nanome fotoana anay hahita tsara ny hatsara sy ny hasarobidin’ny fianakavianay izay tsy mitsaha-mitombo.”

Ho an’ny maro ny 2020 dia taona nisiana trangan-javatra maro. Tsy misy nieritreritra ny mety ho vokatry ny COVID-19 eo amintsika sy amin’izao tontolo izao mihitsy isika. Nandritra ny taona maro izahay tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia nianatra momba ny fitahirizana sakafo, sy momba ny tokony hahamailo amin’ny fandaniana ataonay, ary momba ny fitsitsiana ny volanay. Raha izaho manokana dia tsy ho nanampo hoe natao ho an’ny fotoana toy itony eo amin’ny fiainantsika ny fanomanana tahaka izany.

Maro ny voakatr’ilay valanaretina, saingy ho an’ny fianakavianay dia misy anankiray izay tena tsy nampoizina ary nanokatra ny maso, dia ny vokatry ny fihibohana. Lasa fitahiana amin’ny endriny hafa ilay fihibohana. Nanery anay tsy hirobaroba izany ary nanome fotoana anay hahita tsara ny hatsara sy ny hasarobidin’ny fianakavianay izay tsy mitsaha-mitombo. Voatahy izahay fa manana ankizilahy anankiroa izay tsy dia mifanalavitra loatra ny toetrany. Ilay zandriny dia enin-taona tia mipelipelika sy miresaka ary lian-javatra be, fa ilay zokiny kosa dia ny mifanohitra amin’izay. Ankizilahy sivy taona milamindamina sy manetry tena ary malefaka izy sady voan’ny syndrome de Dandy Walker.

Nanana fahafahana ny nahita azy niala avy tao amin’ny tontolony aho nandritra ity fotoana fihibohana ity. Nihanazava endrika izy sady nanana fatokian-tena ary mahagaga sy mahatalanjona fa nandray tsara ny andraikiny amin’ny maha-zoky azy. Sahala amin’ny lolo dia nila fotoana fotsiny izy ary izahay dia nila tsy nikoropaka mba hahitra hoe hatraiza marina ny zavatra mety ho vitany. Nandritra io fotoana io dia tena nitombo ny fitiavany pianô ary nampianan-tena hitendry ireo hira ato am-piangonana izy. Fotoana tena nanorina ny fijoroana ho vavolombelona anananay rehetra ireo fotoam-bavaka amin’ny alahady izay atao any an-trano.

Raha ilay zandriny indray dia nahita izahay fa tia mitantara zavatra sy milalao an-tsehatra izy. Rakotry ny fotoana hitalanjonana sy hahitana zava-baovao ny fotoana fandalinana ny soratra masina ary tsy misy tantara ataony very eo. Tsy ela dia tsikaritray fa ireo lesona ho an’ny herinandro dia voaomana ho an’ny Sekoly Alahady any an-trano. Ny tantara tena tiany lalaovina an-tsehatra dia ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny kilalaony dia lasa ireny mpanjaka izay tsy maintsy manana mpanjakavaviny ireny, robots matanjaka izay afaka mandresy indray mandeha ireo miaramila Lamanita ratsy fanahy. Izy dia ankizy tsy dia nandray anjara loatra tao amin’ny Kilonga, saingy ankehitriny dia tena faly aho mahita azy tia indray ny Kilonga, indrindra rehefa omena fahafahana izy ny handray anjara sy hamoron-javatra rehefa mandray anjara.

Ireo horonan-tsary ao amin’ireo leson’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga dia lasa fitaovana tena manan-danja amin’ny fanampiana anay hampianatra ireo zanakay ho tia mianatra ireo fahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, fahamarinana toy ny herin’ny fisoronana. Nahita ihany koa ny vadiko fa tia ireo hira ao amin’ny Kilonga izy ary mianatra fahamarinana betsaka kokoa avy amin’izy ireny. Na ny hatsaran’ireo fotoana hiarahana amin’ny fianakaviana aza dia nitombo be. Lasa fahazarana andavanandro ny kilalao, tsy ho an’ireo ankizy ihany fa ho an’ireo lehibe ihany koa. Efa ho lasa fanaon’ny fianakaviana koa izao ny fitantarana tantara, indrindra ny tantaran’ny fahazazanay, sy ireo kilalaonay fony mbola kely, ary hatramin’ireo tantaran’ny fomba nampianaran’ny ray aman-dreninay anay sy ny nibedesan’izy ireo anay mihitsy aza. Nampivelatra kolontsaina tena miavaka ho anay ireo fenitra vaovao ireo.

Tao anatin’ireo fiovana tampoka ireo dia nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny herin’ny fanambarana izahay. Rehefa nanambara ilay fiovana mahakasika ny fandaharam-potoana amin’ny alahady ny Filoha Nelson tamin’ny 2019 dia tsy noheverinay hoe ho haingana be amin’ny 2020 no ilana izany. Nihamafy ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Tompo sy ny fatokisako Azy, satria rehefa vonona isika dia tsy hatahotra. Ary tsy hoe fahavononana ara-batana ihany izany, fa ara-panahy ihany koa. Ny fijoroana ho vavolombelona azonay tamin’ny alalan’ny fianarana ny filazantsara nandritra ireo taona maro dia hery nanohana anay hatrany. Ary noho izany antony izany no mahatonga ahy hieritreritra fa mila matanjaka kokoa isika ho an’ireo zavatra izay mbola ho avy. Ny Fiangonana mifototra ao an-tokantrano dia mbola hanao fahagagana maro ho antsika. Mila raisintsika an-tanan-droa amim-pankasitrahana izany, satria tena mahafanatra marina ny zavatra ilain’ny vahoakany ny Tompo, na aiza na aiza misy azy ireo.

I Nisile Batengas dia mpikambana ao amin’ny paroasin’i Mbezi Beach Branch, Dar es Salaam District, Tanzania.

Hamoaka printy