2020
Nahoana no manan-danja ny mandray anjara amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?
Ôktôbra 2020


FIHAONAMBEN’NY FIANGONANA MANERAN-TANY

Nahoana no manan-danja ny mandray anjara amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?

“Ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany no fotoana iray iarahan’ny olona rehetra maneran-tany mihaino ireo mpaminany sy apôstôly ka hianarany ny teny sy ny sitrapon’ny Tompo.”

Nahoana no manan-danja ny mandray anjara amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany? Efa hatrany am-piandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny no nisian’ny fihaonambe tato amin’ny Fiangonana ary voatonona im-betsaka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany. Ohatra iray manokana amin’izany ny ao amin’ny fizarana 124 izay ahitana an’i William Law, mpikambana iray voalohany tato amin’ny Fiangonana, naharay toromarika manokana: “Hiandry amin’ny faharetana sy ny zotom-po ireo toromarika hafa amin’ny fihaonambe, hoy ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:88, nampiana fanamafisana amin’ny endrika sora-matevina).

Mazava tsara fa nanana hafatra manan-danja ho an’i William ny Tompo.

Na dia tsy antenaina firy aza ny ahitana fanasana antsika manokana mba hanatrika ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ho voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, tahaka ny tamin’i William, ny fanasana ataon’ny Tompo antsika hiandry amin’ny faharetana sy amin’ny zotom-po mba hahazoana toromarika fanampiny amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia tokony ho re mazava tsara ao an-tsofintsika sy ho tsapa lalina ao am-pontsika. Satria ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany no fotoana iray iarahan’ny olona rehetra maneran-tany mihaino ireo mpaminany sy apôstôly ka hianarany ny teny sy ny sitrapon’ny Tompo.

Ny vahoakan’i Zarahemlà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, araka ny voarakitra ao amin’ireo toko voalohan’ny Bokin’i Môzià dia nasaina, izany hoe nasain’ny mpitarika azy ireo, i Benjamina mpanjaka marina, hanatrika fihaonambe. Afaka nanatrika nivantana niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny namany ny ankabeazany. Tamin’izany izy ireo dia nihaino ny mpanjaka malalan’izy ireo niresaka momba-na zavatra maro, anisan’izany ny momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny Sorompanavotana nataony, ny fizarana ny fananan’izy ireo amin’ny mahantra, sy ny fanaovana ny zavatra rehetra amim-pahendrena sy am-pilaminana.

Ny sasany kosa—noho ny antony maro—dia tsy afaka nanatrika mivantana kanefa “. . . ny teny nolazainy dia nasai[n’i Benjamina] nosoratana sy nalefa tany anivon’ireo izay tsy takatry ny hiakan’ny feony mba hahazoan’ireny koa mandray ny teniny” (Môzià 2:8). Ireny firaketana ireny dia natao araka ny toromarika nomeny ary isika indrindra indrindra, 2000 taona taty aorina, dia voatahy noho ny jery lavitra nananan’i Benjamina ny hiraketana ireo teniny mba hahafahan’i Môrmôna mampiditra azy ireny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mba hovakintsika sy halalinintsika.

Ankehitriny, amin’izao fotoan’ny fahafenoan’ny fotoam-pitantanana izao, dia manana fitaovam-pifandraisana sesehena avy amin’ny teknôlôjia sy fomba maro isika mba hisitrahana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Afaka mijery horonan-tsary mivantana ampitaina amin’ny fahitalavitra na amin’ny alalan’ny internet isika. Afaka mihaino mivantana amin’ny alalan’ny onjampeo amin’ny internet isika. Afaka mamaky ireo teny voasoratra amin’ny alalan’ny smartphone, sy ao amina tranon-kala, ary ao amina gazety boky vita printy isika. Eny fa na dia ireo mipetraka any amin’ireo faritra eo amin’izao tontolo izao izay mifanojo amin’ny misasak’alina any aminy aza no handehanan’ireo fotoan’ny fihaonambe mivantana, dia afaka mijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aorian’izany fotoan’izany, amin’ny fotoana izay maha-mety kokoa izany, eny afaka mamerina mijery izany hatrany hatrany.

Ahoana no maha-samihafa ilay zavatra niaina tao Zarahemlà amin’ny fiahaonamben’ny Fiangonana maneran-tany amin’izao andro iainantsika izao? Iza no afaka mitohika ny amin’ireo fitahiana azontsika amin’ny fihainoana ny tenin’ny Tompo mivantana avy amin’ny vavan’ireo mpanompony? Na koa, iza no afaka mandà ny tombontsoa noho ny fahafahana misaintsaina ireny teny ireny mandritra ny fandalinan’ny tena manokana ataontsika, sy miaraka amin’ny fianakaviantsika, ary mandritra ireo fivorian’ny Kôlejin’ny Loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana?

Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, October 2007 ny Filoha Henry B. Eyring, izay Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nilaza toy izao: “Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ireo fahatsapana tsara nanananareo teo am-pihainoana ny fahamarinana noresahina nandritra ity fihaonambe ity dia avy amin’ny Fanahy Masina. Ny Mpamonjy, Izay nampanantena fa ny Fanahy Masina dia ho tonga, no ilay Zanaka malala be voninahitry ny Ray any An-danitra. Anio alina, sy rahampitso alina dia mety hivavaka sy hisaintsaina ianao, hametraka fanontaniana toy izao: Nandefa hafatra ho ahy manokana ve Andriamanitra?1.

Nampianatra ny Filoha Eyring fa rehefa mampihatra finoana an’Andriamanitra isika dia mianatra avy amin’ireo hafatry ny fihaonambe ary mandray fitaomam-panahy. “Mampiseho fahatokiana Azy ianao rehefa mihaino omban’ny nahim-po hianatra sy hibebaka ary avy eo mandeha sy manao izay angatahiny. Raha ampy ny fatokianao an’Andriamanitra ka hikaroka ny hafany ao anatin’ny lahateny, sy hira ary vavaka rehetra mandritra ity fihaonambe ity ianao, dia hahita izany.2

Koa mihomàna ho amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Halalino ny soratra masina, vakio sy saintsaino ireo torohevitra avy amin’ireo fihanaonamben’ny Fiangonana maneran-tany teo aloha, takaro ny torolalana avy amin’ireo mpitarika eo an-toerana, ary mikatsaha fitaomam-panahy ho an’ny tena manokana.

“[Miandrasa] amin’ny faharetana sy ny zotom-po ireo toromarika hafa amin’ny fihaonambe, hoy ny Tompo.”

Naoty

  1. Henry B. Eyring, “Ô tsarovy, tsarovy”, Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, Ôktôbra 2007, nampiana fanamafisana amin’ny endrika sora-matevina.

  2. Henry B. Eyring, “Matokia an’Andriamanitra, ary Mandehana dia Tanteraho,” Liahona, Nôvambra 2010, 73; Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, Ôktôbra 2010, nampiana fanamafisana amin’ny endrika sora-matevina.