HAFATRA AVY AMIN’NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA
Mianara Amiko
“Nahoana no nanapa-kevitra ny hijanona sy hanompo amin’ny fotoana feno ianao?” Nilaza izy fa izany no zavatra tsara tsapany fa tokony hataony. Avy eo dia nampiany hoe: “Tsy ho ahy manokana no nanapahako hevitra ny hijanona fa ho an’ireo zanako sy ireo zafikeliko.”
Tamin’ny desambra 2015 tany Madziva any Zimbabwe dia nahita lehilahy iray niasa ny taniny niaraka tamina ombilahy anankiroa izahao sy i Naume. Talanjona aho raha nahita fa ilay biby iray dia ombilahy lehibe ary ny iray kosa dia vantotr’ombilahy kely. Very hevitra aho. Nanontany tena tamin’ny feo avo aho hoe: “Nahoana no hiasa ny taniny miaraka amin’ny biby mizioga anankiroa tsy mitovy ny mpamboly iray?”
Ny renin’i Naume izay nijoro tsy lavitra teo dia nanondro ilay zioga. Nandinika akaiky kokoa aho ary nahita soritra izay nampifandray ilay zioga tamin’ilay vantotr’ombilahy. Ilay ombilahy lehibe dia nisintona ny vesatra rehetra ary ilay vantotr’ombilahy kosa mbola nofolahana ary nianatra niasa tany.
Avy hatrany aho dia nieritreritra ilay fanasan’ny Tompo manao hoe: “Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo” (Matio 11:29). Raha amin’ny zioga ara-dalàna dia mitsinjara mitovy ilay vesatra. Rehefa mitondra zioga miaraka amin’i Jesoa Kristy isika dia Izy no mitondra eo Aminy ilay vesatra ary miara-mizara Aminy ilay fifaliana azo avy amin’ilay asa isika.
Ny fanasan’ny Tompo ny tsirairay amintsika ny hianatra Aminy no ilay hany loharano azo antoka fa hitondra fiadanana sy fifaliana ary mitondra valiny ho an’ireo sahiran-tsaina. Sarin’ny Mpamonjy feno fitiavana sy tsara fanahy, maninjitra ny sandriny mitolotra amiko ary manentana ahy hahatsapa ilay famihinany no azoko an-tsaina: “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
“Ento ny ziogako, ka mianara Amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.
“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako” (Matio 11:28–30).
Zava-dehibe mihitsy ny fanekena ilay fanasan’ny Tompo mandritra ny fotoan’ny fahoriana lehibe izay lalovantsika ankehitriny. Mila fiarovana sy fanantenana ary fiadanana sy fitsaharana isika izay tsy afaka ny ho tonga raha tsy amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mafy orina momba ny Mpamonjintsika, Jesoa Kristy.
Ny fianarantsika Aminy, ary indrindra amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna isan’andro dia hanampy antsika hamakivaky izao fotoana tsy azo antoka izao. Tamin’ny fotoana izay naha tao anaty loza ara-batana sy ara-panahy an’ireo Nefita dia nandeha teo anivon’izy ireo i Almà hitory ny filazantsara. Niaraka taminy i Amuleka, i Zezrôma, sy telo tamin’ireo zanakalahin’i Môzià ary ny zanany lahy anankiroa. Nizara ny filazantsara i Almà sy ireo namany satria “nanana fironana lehibe hitarika ny olona hanao izay marina ny fitorian-teny—eny, izany dia efa nanana fiantraikany mahery kokoa tamin’ny sain’ny olona noho ny sabatra, na ny zavatra hafa, izay efa nihatra taminy” (Almà 31:5).
Ny ampahany tena manan-danja izay tokony hianarantsika Aminy dia amin’ny alalan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay fotoana hiresahan’ireo mpaminany sy apôstôly eo ambany fitarihan’ny Fanahy. “Izay efa noteneniko Izaho Tompo dia efa noteneniko, ary tsy manalady ny tenako Aho; ary na dia levona aza ny lanitra sy ny tany, ny teniko dia tsy ho levona fa ho tanteraka avokoa, na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38).
Mitovy lanja amin’izay ihany, tsy ny fiomanana hijery sy handre ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ihany fa ny famerenana mamaky ireo hafatra mandritra ireo volana manaraka ary manao zavatra araka ny fitaomam-panahy voaray.
Traikefa iray izay mbola mitoetra ho mazava ato an-tsaiko izay fotoana nahatsapako ny Mpamonjy niray zioga tamiko dia nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny Ôktôbra 2010. Nisy misiônera iray izay manin-te-hody ary naniry ny hody nandritra ny enim-bolana no mihoatra. Tena nanahiran-tsaina ahy izy. Raha nanatona ny fiahaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia nangataka fitaomam-panahy aho mikasika ny fomba tokony hiatrehako izany fanamby izany. Nangataka ireo misiônera ihany koa aho hamantatra ireo olana manokana izay nanahirana azy ireo ary avy eo dia hihaino tsara izay mety ho voalaza mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Nangatahina ireo misiônera hihaino ireo teny sady voalaza no tsy voalaza.
Vao avy nijery ilay fivoriana Sabotsy tolakandro izahay ary teo am-piandrasana ilay fivoriamben’ny fisoronana. Satria nijery ireo fivoriana mivantana izahay dia efa taorian’ny misasakalina tany Harare izany. Ny sasantsasany taminay dia tany ivelany ary ity misiônera izay manin-te-hody ity dia tonga ary nijoro teo anilako. Nilaza tsotra fotsiny izy hoe: “Filoha, nanapa-kevitra ny hijanona aho.”
Saika tsy nino ny zavatra nolazainy aho. Nanontany azy aho hoe: “Nahoana no nanapa-kevitra ny hijanona sy hanompo amin’ny fotoana feno ianao?”
Nilaza izy fa izany no zavatra tsara tsapany fa tokony hataony. Avy eo dia nampiany hoe: “Tsy ho ahy manokana no nanapahako hevitra ny hijanona fa ho an’ireo zanako sy ireo zafikeliko.”
Nifamihina izahay ary niara-nifaly.
Lasa anisan’ireo misiôneranay matanjaka indrindra izany misiônera izany. Nitaona ireo misiônera hafa hitodika any amin’ny Tompo sy hanompo amim-panetren-tena sy finoana ary hery izy.
Ankehitriny dia efa voafehy tany amin’ny tempoly izy sy ilay malalany ary ray aman-dreny mendri-kaja sy marina izy ireo. Ny fanapaha-keviny hijanona tany amin’ny misiônany dia nitondra fitahiana tamin’ny fianakaviany ary hitohy mandrakizay izany.
Tsapako ny fitiavan’ny Tompo raha nandray ny ziogany teo amiko aho teo am-pihainoana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy ny nahatsapako fa nahatsapa izany koa ity misiônera ity. Eo am-pisaintsainana izany zava-nitranga izany aho dia tonga ato an-tsaiko ny tenin’ny Loholona Jeffrey R. Holland: “Raha mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy izahay ary mihaino amin’ny alalan’ny Fanahy ianareo, dia hisy hiresaka momba ny zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainanareo ny sasany aminay ary izany dia toy ny mandefa hafatra ara-paminaniana izay ho anareo manokana”1.
Ireo fitahiana azo avy amin’ny fiomanana amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ary ny fihainoana ireo hafatra zaraina dia tsy hay refesina. Ny fanekena ny fanasan’ny Mpamonjy hianatra Aminy dia afaka ny ho fanalahidy hamahàna ny fanambarana sy ny fitarihana ary ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Ny fakàna fotoana hihainoana sy hamerenana mamaky ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia afaka ny hampitony ny fanahy ory iray ary hitondra fiadanana sy fanantenana ary hamerina ny fahatokian-tena amin’ny fahafahan’ny tena handresy ireo fanambin’ny fiainana.
Manantena aho fa hahatsiaro sy hanaiky ny fanasan’ny Mpamonjy isika. Satria rehefa miezaka manatona Azy isika sy mianatra Aminy ary mandray ny ziogany eo amintsika dia manomboka mahita Azy amin’ny tena maha Izy Azy isika. Manomboka mampianatra antsika Izy hoe iza marina isika ary afaka no ho toy ny ahoana.
Ny Loholona Dube dia nantsoina ho Fitopololahy Manam-pahefana Ambony tamin’ny aprily 2013. Manambady an’i Naume Keresia Salizani izy. Manan-janaka efatra izy ireo.