2020
Ry ray aman-dreny malala
Ôktôbra 2020


Ry ray aman-dreny malala,

Sary
Dear Parents

Ny ankizy tsirairay dia tokony harovana sy hokarakaraina. Nametraka ohatra momba izany i Jesoa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, nitsodrano sy nivavaka ho an’ny ankizy tsirairay (jereo ny pejy N20–23). Ahoana no fomba ahafahantsika mitahy sy miaro ireo ankizy fantatsika? Misy ohatra vitsivitsy ireto:

  • Afaka miaro azy ireo ara-batana isika ary mampianatra azy ireo hanaja ny vatan’ny olona hafa (pejy N12–13).

  • Afaka manampy amin’ny fiarovana azy ireo ara-panahy isika amin’ny famporisihana azy ireo handray ny fanasan’ny Tompo (pejy N2–3).

  • Afaka mampianatra azy ireo mba hangataka fanampiana isika rehefa mila izany izy ireo (pejy N14–15).

Azonao atao ny maka ny iray amin’ireo hafatra ireo mba hovakian’ny fianakaviana miaraka. Alaivo antoka ny ahafantaran’ireo zanakao fa tena tiana izy ireo!

Tianay ianareo,

Namana

© 2020 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved

Tadiavo ilay Liahona miafina ato!

Eo amin’ny fonon’ny Namana

Sary nataon’i Jim Madsen.

Hamoaka printy