2020
Misakafo irery
Ôktôbra 2020


Misakafo irery

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Te hanana namana fotsiny i Kali

“Ny feon’ny Fanahy malefaka tokoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 105).

Sary
Lonely Lunchtime

Niditra tao amin’ny efitra fisakafoana i Kali ary nijery manodidina. Samy nihazakazaka nanatona ny namany avokoa ireo ankizy hafa ary nivory teo amin’ny latabatra. Naresaka ilay efitra miaraka amin’ny feo mientanentana sy faly mihomehy. Vao andro faharoa tany an-tsekoly tamin’izay, saingy toa samy nanana olona niara-nipetraka taminy ny tsirairay.

Nofihininy mafy ny fihazonana ny fitoeran-tsakafony dia nandeha teny amin’ny latabatra iray izy. “Afaka mipetraka eo akaikinao ve aho?” hoy i Kali nanontany.

Dia nisy ankizivavy lava volo miloko volon-tany nijery. Sady nitsefotra izy no nihifi-doha. “Tsia. “Efa misy tompony io,” hoy izy.

“Eny ary.” Nifindra teny amin’ny seza hafa tsy misy mipetraka i Kali dia nametraka ny fitoeran-tsakafony.

“Tsy afaka mipetraka eto ianao! Miambina ity seza ity aho,” hoy ny ankizilahy iray nanao ankanjo mitsipitsipika maitso. Natosiny tamin’ny tany ny fitoeran-tsakafon’i Kali. Nihomehy avokoa ny namany rehetra.

Niondrika i Kaly ary nalainy indray ny fitoeran-tsakafony. Nandeha nanerana ilay efitra fisakafoana izy ary nipetraka tamin’ny latabatra tsy misy olona. Nahita olona iray nifanila taminy izy ary niezaka nikopaka, fa nitodika tany an-kafa izy. Nikentrona i Kali. Nahoana no tsy nisy olona te ho namany?

Nojeren’i Kali ny sakafony. Tsy te hihinana intsony izy. Nofafany ny ranomasony, dia nakatony ny fitoeran-tsakafony, ary nivoaka izy.

Efa samy nilalao niaraka tamin’ny namany avokoa ny tsirairay. Nipetraka irery teo amin’ny seza iray i Kali ary nijery ireo ankizy hafa nifalifaly tsy niaraka taminy. Dia nahatsikaritra ankizilahy iray i Kali avy eo izay nitovitovy taona aminy nipetraka irery teo amin’ny bozaka. Nanao akanjo mavo maloto izy ary mitsangana ny volony aoriana.

Nijery any an-kafa i Kali. Nahita andian’ankizy vavy miray kilasy aminy izy milalao baolina quatre carrés. Naniry ny hanasan’izy ireo azy mba hilalao miaraka amin’izy ireo izy.

Nijery tany amin’ilay ankizilahy indray i Kali. Nihantona ny lohany, ary naka ny ahitra teo amin’ny tongony izy. Dia nahatsiaro zavatra izay nolazain’i Neny azy i Kali manao hoe: Jereo ireo ankizy izay irery.

Nikentrona i Kali. Irery ihany koa izy. Tsy misy olona mba niezaka ny ho namany!

Saingy avy eo i Kali dia nieritreritra ny fotoana nanaovana batisa azy tamin’ny taon-dasa. Nampanantena ny hihaino ny Fanahy Masina izy. Mety hoe nanampy azy ny Fanahy Masina mba hahatsiaro ny zavatra nolazain’i Neny. Mety hoe niezaka nilaza taminy ny Fanahy Masina mba hilalao niaraka tamin’ilay ankizilahy manao akanjo mavo.

Nisento i Kali dia nitsangana. Nahatsapa hafanana tao am-pony izy. Nandeha izy ary nipetraka teo akaikin’ilay ankizilahy teo amin’ny bozaka.

“Manahoana,” hoy izy.

“Manahoana,” hoy izy ningonogonona.

“Inona no loko tena tianao indrindra?”

“Mm … maitso.”

“Tsara izany. Mavokely no tiako,” hoy i Kali. “Misy biby tena tiana indrindra ve?”

Nipetraka somary niarina ilay ankizilahy sady nijery azy. “Ie. Tena tiako ny dinosaure.”

“Ô, izaho koa. Ny tricératops no tena tiako indrindra.”

Nitsiky ilay ankizilahy.

Dia naneno avy eo ny lakolosy. Nitsangana i Kali ary nikopa-tanana nanao veloma an’ilay ankizilahy. Nitsiky izy raha nandeha niverina irery tao an-dakilasy. Mety tsy nanana namana izy, saingy nahatsapa fifaliana izy nahafantatra fa nanao izay hahatsara ny fakan-drivotry ny olona iray hafa. ●

Hamoaka printy