2020
Izaho sy ny fanasan’ny Tompo
Ôktôbra 2020


Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Izaho sy ny fanasan’ny Tompo

Notsoahina avy amin’ny “Ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny fanasan’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2008, 17–20.

Sary
The Sacrament and Me

Ny fanasan’ny Tompo no ampahany manan-danja indrindra ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mampanantena ny hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy. Mba hampiavaka ny fanasan’ny Tompo, isika dia …

  • Manao akanjo mampiseho ny fanajantsika ny fanasan’ny Tompo.

  • Mipetraka am-pahanginana mialoha ny fiantombohan’ny fivoriana.

  • Mihira ny hiran’ny fanasan’ ny Tompo.

  • Mieritreritra an’i Jesoa ary manao fampanantenana ny hahatsiaro Azy mandrakariva.

Ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika hahatsapa ny Fanahy Masina. Manampy antsika hijanona eo amin’ny lalana miverina any amin’ny tokantranontsika any an-danitra izany. ●

Fampisehoana fitiavana an’i Jesoa

Afaka mampiseho ny fitiavantsika an’i Jesoa isika amin’ny alalan’ny fanehoana fanajana mandritra ny fanasan’ny Tompo. Inona no ataonao mandritra ny fanasan’ny Tompo?

  • Mipetraka am-pahanginana.

  • Mieritreritra ny hiran’ny fanasan’ny Tompo tiako indrindra.

  • Mieritreritra tantara momba an’i Jesoa.

  • Mivavaka amin’ny Ray any An-danitra.

Hamoaka printy