2020
Antsoy i Dada
Ôktôbra 2020


Antsoy i Dada

Raha mamoy mafy aho, hoy Yu tao an-tsainy, dia ho tody any an-trano mialoha ny hahadibo-drano ny arabe.

“Matokia fa hitari-dalana anareo Aho” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18).

Sary
Call Dad

Nivoaka ny sekoly fiomanana ho amin’ny oniversite i Yu ka nanjoy ny sisin-dalana feno olona. Feno zavatra mahakasika ny kajy ny ao an-dohany noho ny kilasy ataony aorian’ny fotoam-pianarana mahazatra. Nandeha haingana ny olona sady nitondra elo. Nilatsaka haingana ny ranon’orana matevitevina ary nanomboka kotsa ny arabe.

Nankeo akaikiny i Lin naman’i Yu. “Tokony hiantso ny dadanao ianao haka anao,” hoy i Lin. “I Ramose Zhang dia nilaza fa dibo-drano ny faritra sasany ato amin’ny tanàna.”

“Afaka mody irery aho ka.”

“Fa jereo anie ireto rano be dia be ireto e!” Hoy i Lin sady nanondro ny rano mikoriana haingana ao amin’ny tatatra.

Nandritra ny fotoana fohy dia nisy eritreritra nampihomehy tonga tao amin’i Yu. Marina ve ny an’i Lin? Mety hoe tokony hiantso an’i Dada izy hitondra azy hody amin’ny fiara mialoha ny hahadibo-drano ny arabe. Izy sy i Dada anefa dia nifanditra ny alina talohan’io, ary mbola tezitra i Yu. Tsy te hangataka fanampiana amin’i Dada izy.

Nesorin’i Yu ny rojo fiarovana bisikiletany ary nanao veloma an’i Lin izy. Raha mamoy mafy aho, hoy izy tao an-tsainy, dia ho tody any an-trano mialoha ny hahadibo-drano ny arabe.

Namoy mafy izy, saingy vetivety foana dia nangatsiaka ny tanany, kotsa ny akanjony, ary reraka izy. Teo indray dia tonga tao an-tsainy ny eritreritra hiantso ny Dadany. Avy amin’ny Fanahy Masina ve izany fahatsapana izany? Ireo misiônera nanao batisa azy dia nilaza fa ny Fanahy Masina dia afaka ny hitarika azy. Nijery indray mitopy maso ny lanitra izy. Nanjombona be izany hany ka tsy nahita ny tampon’ireo tranobe izy. Mbola tezitra tamin’i Dada foana izy anefa.

Nolavin’i Yu ilay fahatsapana ary nanohy ny famoizana ny bisikiletany izy. Lasa avo be ny rano hany ka tsy maintsy nanidy ny tranombarony ireo tompon’izany. Nafindran’ny olona tao amin’ireo efitra ambony ny entan’izy ireo. Mahita renim-pianakaviana iray manosika ny zanany eo ambony sambo kely vita amin’ny plastika ao anatin’ny tondra-drano i Yu.

Efa mihoatra ny eo amin’ny kitrokeliny izao ny rano, tsy afaka mamoy ny bisikiletany intsony i Yu. Nidina izy ary nanosika izany. Efa tara loatra angamba raha izao no hiantso an’i Dada, ary mbola avy foana ny orana. Nirefodrefotra ny kotro-baratra sy ny tselatra teo amboniny. Natahotra i Yu. Ary tena vizana be izy! Nijery teo anoloany izy. Mbola lavitra ny trano. Tsy tokony nanao tsinontsinona ny Fanahy Masina noho ny fifandirana tsisy dikany izy.

Niato i Yu hanaovana vavaka fohy. Tsy afaka nahare ny feony izy noho ny orana amam-baratra, saingy fantany anefa fa afaka nahare azy ny Ray any An-danitra.

“Ry Ray any An-danitra ô,” hoy i Yu nivavaka. “Mba ampio aho ho tafaverina soa aman-tsara any an-trano.” Rehefa nahavita ilay vavaka izy dia nahatsapa fa ampy ny heriny hanohizana ny dia.

Afaka nahita ny tranony teo amin’ny havoana ihany i Yu ny farany. Niakatra tsimoramora ny havoana i Yu sady nangatsiaka no reraka no very ihany koa ny ila-kirarony. Hitany ny Dadany niandry azy teo ivelany. Nihazakazaka haingana nidina ny havoana ny Dadany hitsena azy, ka nipitipitika ny rano nitsahany.

Rehefa tonga teo amin’i Yu i Dada dia napetrany nanodidina an’i Yu ny sandriny. “Tena nitaintaina be mihitsy aho!” Hoy i Dada. “Tokony niantso ahy ianao!”

“Ka nataoko hoe niady anie isika e,” hoy i Yu.

“Izaho anie tsy mba hoe tezitra loatra izany ka tsy afaka hanampy anao e,” hoy i Dada. Dia nalainy ny bisikiletan’i Yu ka natosiny raha nanao ny dia sisa tavela hiakarana ny havoana izy ireo.

Na dia nanakoako teny ampovoan’ireo trano avo be sy ny orambe mipatrapatraka aza ny kotrobaratra dia fahatsapana mafana no nameno ny fon’i Yu. Nahatsapa fiadanana sy fiarovana izy teo am-panarahana an’i Dada handeha hody.

Hamoaka printy