2020
Nanaraka an’i Jesoa ireo olona mahatoky
Ôktôbra 2020


Tantara ao amin’ny soratra masina

Nanaraka an’i Jesoa ireo olona mahatoky

Vakio ny momba an’ity ao amin’ny 3 Nefia 17 hatramin’ny 4 Nefia 1.

Sary
Jesus breaking bread

Sary nataon’i Apryl Stott

Rehefa nitsidika ny Nefita i Jesoa dia nampianatra azy ireo momba ny batisa sy ny fomba fandraisana ny fanasan’ny Tompo Izy. Nanangana ny Fiangonany Izy.

Sary
Jesus blessing children

Nitsodrano ny zaza tsirairay i Jesoa. Nisy anjely tonga! Nanasitrana ny vahoaka i Jesoa ary nivavaka ho azy ireo. Dia niverina any an-danitra Izy avy eo.

Sary
woman sharing food

Rehefa nandeha i Jesoa dia nanohy nanao ny zavatra nampianariny ny vahoaka. Niara-niasa ny rehetra ary nizara ny zavatra nananany mba tsy hisy olona mahantra na dia iray aza. Nitsodrano an’ireo izay marary ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana.

Sary
people talking around a fire

Tsy niady izy ireo fa nisafidy ny hifampinamana kosa. Samy nanaraka ny didin’ Andriamanitra ny tsirairay. Ary sambatra izy ireo nandritra ny fotoana naharitra.

Sary
children blowing bubbles

Ho falifaly kokoa ny fiainako rehefa manaraka ny didin’ Andriamanitra aho. Afaka mizara izay ananako amin’ny hafa aho. Afaka manampy ny olona hinamana aho. ●

Hamoaka printy