2020
Ireo pesos atao fahafolonkarena
Ôktôbra 2020


Ireo pesos atao fahafolonkarena

Monina ao Chihuahua Meksika ny mpanoratra.

Sary
Tithing Pesos

Nifoha maraina i Sofía. Andro miavaka androany. Hivarotra ranomboankazo mandritra ny varotra miserana ao amin’ny garazy ho tontosan’ny nenitoany sy ny dadatony izy androany! Nanomana tavoara lehibe feno ranomboankazo ho azy i Mamá.

I Sofía dia nanomana ny soratra famantarana. Nosoratany hoe “Ranomboankazo!” miloko volomboasary sy mavo ilay izy. Napetany tamin’ny scotch teo amin’ny latabatra kely izany. Dia nipetraka izy ary niandry.

Vetivety ihany dia tonga ny lehilahy iray. “Afaka mahazo iray kaopy ve aho?” hoy izy nangataka. Nandrotsaka pesos tao amin’ilay tavoara izy.

“Mazava ho azy!” Hoy i Sofía. Nandrotsahany ranomboankazo iray kaopy izy

Nanomboka nitsidika tsikelikely ilay varotra miserana ao amin’ny garazy ny olona. Ary nividy ny ranomboankazo matsiro tsikelikely ihany koa izy ireo. Nizotra tamim-pifaliana ny maraina. Vetivety ihany dia lany daholo ny ranomboankazo.

Nahetsiketsik’i Sofía ny tavoarany. Nikorintsana ireo pesos. Nahazo betsaka izy!

“Niasa tsara ianao!” Hoy Papá taminy.

Mbola tsy nahazo vola betsaka tahak’izao i Sofía hatramin’izay. “Ndeha hividy yoyo aho!”

Nitsiky i Papá. “Fantatrao ve ny zavatra ataonay sy Mamá rehefa mahazo vola izahay?”

Nahetsiketsik’i Sofía ny lohany.

“Mandoa fahafolonkarena izahay,” hoy Papá. “Nanome antsika ny zava-drehetra ny Ray any An-danitra. Mangataka antsika mba hamerina Aminy ny ampahany kely amin’izany Izy. Mandoa fahafolonkarena isika satria tia Azy.”

Nitsiky i Sofía. Te hampiseho amin’ny Ray any An-danitra izy fa tia Azy ihany koa.

Nanampy an’i Sofía hanisa ireo pesos i Papá. Isaky ny manisa 10 izy dia mametraka iray peso ao anaty valopy. Manampy azy hanoratra ireo tarehimarika eo amin’ny taratasy kely fotsy i Papá. Hatsofok’izy ireo ao anatin’ilay valopy miaraka amin’ny pesos ilay taratasy. Dia hidin’izy ireo tsara ilay izy avy eo. I Sofía dia mikasa hanome ilay valopy amin’ny eveka rahampitso any am-piangonana.

“Inona no tsapanao?” Hoy i Papá nanontany an’i Sofia.

“Tena faly aho! Ary mbola manana vola aho hividianana yoyo.” Nahatsapa izy fa faly tamin’ny safidy nataony ny Ray any An-danitra.

Hamoaka printy