2020
Mizara ny Filazantsara
Ôktôbra 2020


Mizara ny Filazantsara

“Mianara amiko … dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo” (Matio 11:29).

Sary
Sharing the Gospel

Nanome ahy tahadika iray an’ny Bokin’i Môrmôna ny lehilahy izay niasako. Saingy tsy novakiako izany efa ho roa taona. Indray alahady dia noraisiko ilay boky ary nandeha tamin’ny lalamby iray ivelan’ny tanàna nipetrahako tao Zimbabwe aho. Nipetraka aho ary nanomboka namaky.

Tamin’ny voalohany dia sarotra takarina izany. Saingy naveriko novakiana ombieny ombieny ny tenivavolombelon’i Joseph Smith. Nikasika ny folo ny teniny.

Taty aoriana dia nisy olona nanasa ahy ho any am-piangonana. Tamin’ny voalohany dia tsy nahazo aina aho ka nipetraka tany amin’ny seza tany aoriana. Saingy rehefa nanomboka nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna ny olona dia nahatsapa zavatra nahafinaritra aho tato anatiko.

Tsy ela taorian’izay dia tonga tao amin’ny manodidina ny nisy ahy ireo misiônera. Vetivety dia natao batisa aho. Taona maro taty aoriana dia nahazo voninahitra ny hanao asa fitoriana aho ary nizara ny filazantsara tamin’ny olona maro hafa.

Nitombo be ny Fiangonana tao Zimbabwe. Saingy mbola misy maro azontsika atao hizarana ny filazantsara, na aiza na aiza misy antsika. Amin’ny alalan’ny vavaka, sy ny fandalinana ny soratra masina, ary ny takarivam-pianakavy ianao dia afaka mampitombo ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy hijanona akaikin’ny Ray any An-danitra. Ny fijoroana ho vavolombelona ataonao dia afaka mitahy ny fiainan’ny olona maro manerana izao tontolo izao.

Hamoaka printy