2020
I Faneva ilay misiônera
Ôktôbra 2020


I Faneva ilay misiônera

Sary
Faneva the Missionary

Nijery avy teo am-baravarankeliny ny arabe hibok’olona teny ivelan’ny tranony i Faneva. Mahita olona manosika sarety kely misy legioma, vary, akanjo, ary entana hafa amidy izy. Maheno fiara mampaneno klaxon sy alika mivoavoa izy. Dia avy eo izy naheno feo hafa.

“Mama ô, misy mandondòna izany!” Hoy Faneva niteny mafy. Nosokafan’i Mama ny trano. Lehilahy tanora anankiroa manao palitao sy karavato no teo am-baravarana. Mbola tsy nahita olona niakanjo tahaka azy ireo tao amin’ny faritra nisy azy tao Madagasikara i Faneva hatramin’izay.

“Izahay dia misiônera avy amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany,” hoy ny iray tamin’izy ireo. “Mampianatra ny olona momba an’i Jesoa izahay. Afaka mizara hafatra aminareo ve izahay?”

Nientanentana ery i Faneva rehefa hitany fa nanasa azy ireo hiditra i Mama. Ny fianakaviana manontolo dia nangonona hihaino momba an’i Jesoa Kristy sy ny maha eto ambonin’ny tany ny Fiangonany indray.

Taorian’io andro io dia nitsidika ny fianakavian’i Faneva imbetsaka ireo misiônera. Nitondra boky antsoina hoe Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy ireo. Tian’i Faneva ny famakiana io boky io miaraka amin’ny fianakaviany!

Indray andro any aho dia ho misiônera ary hizara ny Bokin’i Môrmôna amin’ny hafa, hoy i Faneva anakampo.

Tamin’ny fotoana iray hafa nahatongavan’ny misiônera dia nampianatra ny fianakavian’i Faneva ny fomba ivavahana izy ireo. Nianatra i Faneva fa afaka miresaka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra izy.

Indray andro any aho dia ho misiônera ary hampianatra ny olona mikasika ny vavaka, hoy i Faneva nieritreritra.

Indray andro dia nampianatra lesona manan-danja ny misiônera.

“Hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy ve ianao ka hatao batisa? hoy ny iray tamin’izy ireo.

Nahatsiaro fahasambarana tao am-pony i Faneva. “Eny!” hoy izy.

“Eny!” hoy ny rahalahiny sy i Mama.

I Papa kosa dia nilaza fa mbola tsy vonona ny hatao batisa. Saingy tsy nampaninona azy ny hoe hatao batisa ny ambin’ny fianakaviana. Ary dia natao batisa izy ireo! Ny iray tamin’ireo misiônera nampianatra azy momba an’i Jesoa no nanao batisa an’i Faneva.

Indray andro any aho dia ho misiônera ary hanampy ny olona ho atao batisa, hoy i Faneva nieritreritra.

Isan’ny zavatra tsara indrindra amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana ny fankanesana ao amin’ny Kilonga. I Faneva dia tia an’ireo fiaraha-mientana ary tia manao namana vaovao. Saingy ny zavatra tiany indrindra dia ny mihira ireo hiran’ny Kilonga. Indray alahady tao amin’ny Kilonga dia nihira hira momba ny fizarana ny filazantsara izy ireo.

Nihira i Faneva hoe: “Mba te ho misiônera aho izao.” “Fa tsy miandry ho lehibe kokoa.”

Tonga saina i Faneva, nieritreritra hoe: Afaka manomboka manao asa fitoriana aho dieny izao. Tsy voatery miandry ny hoe efa lehibe!

Nanomboka tamin’izay dia nitady fomba hizarany ny filazantsara i Faneva. Niezaka ny ho ohatra tsara izy. Nanasa ny olona hankany am-piangonana izy. Nanampy ireo mpifanolobodirindrina taminy izy. Taona vitsivitsy taty aoriana dia nahafahany nanampy ’ireo misiônera ny taonany ka dia nampianatra ny olona tao amin’ny tanàna nisy azy izy ireo. Taona vitsy taty aoriana indray dia nandeha nitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno izy—nihaona tamin’olona vaovao ary nizara ny filazantsara, tahaka ny nizaran’ireo misiônera taminy.

Hamoaka printy