2020
Milaza hoe tsia, maheno hoe tsia
Ôktôbra 2020


Milaza hoe tsia, maheno hoe tsia

Sary
Saying No, Hearing No

Tia antsika ny Ray any An-danitra ary tiany ho voaro isika. Ny filazana hoe tsia rehefa ilaina izany sy ny fanajana ny hafa rehefa milaza amintsika hoe tsia dia fomba ahafahantsika mihazona antsika ho voaro.

Indraindray ianao dia mila miteny hoe tsia amin’ny fomba tsara.

“Tsia fa misaotra. Afaka mahazo rano ve anefa aho?”

Anjaranao indray izao! Eritrereto hoe mila miteny tsia amin’ny fomba tsara ianao. Inona no azonao lazaina?

Indraindray ianao dia mila miteny hoe tsia amin’ny fomba hentitra kokoa.

“Tsy te hahita an’io aho. Tsy tokony hijery an’io isika.”

Anjaranao indray izao! Eritrereto hoe mila miteny tsia amin’ny fomba hentitra kokoa ianao. Inona no azonao lazaina?

Indraindray ny olona dia miteny hoe tsia amintsika mba hanampiana antsika ho voaro sy salama.

“Azafady, tsy afaka mandeha ianao. Tsy azo antoka izany.”

Anjaranao indray izao! Eritrereto hoe misy olon-dehibe iray milaza tsia aminao ka tsy tianao izany. Inona no tokony hataonao?

Indraindray ny olona dia miteny hoe tsia amintsika rehefa tsy mahazo aina.

“Ajanony! Tsy tiako io kilalao io.”

Anjaranao indray izao! Eritrereto hoe misy olona mangataka anao mba hijanona tsy hanao zavatra iray. Inona no tokony hataonao?

Ahoana raha toa ka tsy mihaino anao milaza hoe tsia ny olona? Ahoana raha toa ka mandratra anao izy na manao zavatra mahatezitra?

  • Misintaha raha azonao atao.

  • Lazao amin’ny olon-dehibe azonao antoka ny zavatra nitranga.

  • Tsarovy fa tsy fahadisoanao izany.

  • Na inona na inona mitranga, dia fantaro fa tia anao foana ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy