2020
Maneho ny fiarahabana avy aty Madagasikara!
Ôktôbra 2020


Maneho fiarahabana avy aty Madagasikara!

Sary
Hello from Madagascar

Salama ô, izahay no Margo sy Paolo.

Mandeha manerana izao tontolo izao izahay mba hahafantatra ireo zanak’ Andriamanitra. Andao hiaraka aminay mandritra ny fitsidihanay an’i Madagasikara!

Madagasikara dia nosy iray ao atsinanan’i Afrika. Misy zava-maniry sy biby maro izay tsy hita any an-toeran-kafa eto amin’izao tontolo izao any, toa an’ity maki misy soritra miodidina eo amin’ny rambony ity!

Ireo ankizilahy ireo dia manampy amin’ny fitaterana fasian-drano plastika ho an’ny fianakavian’izy ireo. Amin’ny fomba ahoana no hanampianao ny fianakavianao?

Kely ny Fiangonana ao Madagasikara, saingy eo an-dalam-pitomboana. Amin’izao dia misy paroasy miisa 14 ary sampana miisa 26 any.

Misy karazana tana betsaka noho ny hita any an-toeran-kafa manerana izao tontolo izao ao Madagasikara!

Ireo hazo baobab ngeza be ireo dia afaka mitahiry rano betsaka ao anatiny, mahatratra hatramin’ny 120.000 litatra!

Ny ankamaroan’ny olona ao Madagasikara dia mihinam-bary in-droa na in-telo isan’andro, matetika miaraka amin’ny anana, na tsaramaso, na hena.

 Raha manana namana vaovao ianao any Madagasikara dia inona no holazainao aminy?

Andao hamantatra ny sasany amin’ireo namantsika avy ao Madagasikara!

Fantatro fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika.

Nathan, 7 taona, Antananarivo, Madagasikara

Mpaminanin’ Andriamanitra i Russell M. Nelson.

Nomena, 6 taona, Antananarivo, Madagasikara

Avy any Madagasikara ve ianao? Manorata aminay! Mba tianay ny handre vaovao avy aminareo.

Misaotra tamin’ny fitsidihana an’i Madagasikara niaraka taminay. Amin’ny manaraka indray!

Hamoaka printy