2022
Lasa mahay miarina ara-pihetsehampo
Janoary/Febroary 2022


Tanora

Lasa mahay miarina ara-pihetsehampo

Monina any Séville, Espagne ny mpanoratra.

Tsy mbola niaina izany fitebitebena izany velively aho raha tsy rehefa nody avy nanao ny asa fitoriako, ka dia tsy fantatro ny fomba handrosoana.

Sary
smiling young woman

Sary nindramana olona mba hatao maodely

Nizotra araka ny drafitra napetraka ny fiainana.

Efa akaiky ho vita ny asa fitoriako. Lasa natanjaka ny fijoroana ho vavolombelona nananako tao anatin’ny 18 volana talohan’izany ary nivelatra ny fahitako ny drafitry ny famonjena. Tsy mbola nahatsapa ho akaiky kokoa ny Mpamonjy ahy sy ny Raiko any An-danitra velively noho ny tamin’izany fotoana izany aho. Toa nahafinaritra tsotra izao ny fiainana.

Marina fa nanana ny anjara fitsapanay izaho sy ny fianakaviako, kanefa tamin’ny ankapobeny dia tena faly aho nanana drafitra maro mikasika ny zavatra ho avy manaraka. Saingy nody tany an-trano aho taorian’izany. Ary mafimafy ihany ilay fidonan-javatra nihatra tamin’ny tena. Sahirana aho teo amin’ny fiverenana niaina indray ilay fiainana andavandro. Niahiahy tsy tapaka aho teo anatrehan’ny fanaovana safidy tsara sy ny fanaovana izay hahalavorary ny fankatoavako. Nanery ny tenako loatra mba hijanona hanana ilay fiainam-panahy ambony izay nananako nandritra ny asa fitoriana nataoko aho, satria natahotra aho sao tsy hatanjaka ara-panahy raha vao tsy manao izany.

Rehefa nitombo ilay fanerena nataoko tamin’ny tenako dia nanomboka tratran’ny fitebitebena sy tahotra tampoka aho. Lasa niseho matetitetika izany ary nahatsapa ho toy ny rendrika izany aho.

Nafeniko tamin’ny fianakaviako sy ny namako anefa ireo zavatra tsapako ireo. Fantatro fa zavatra tsy tokony hahamenatra ny fananana tebiteby sy ny harerahan-tsaina amam-panahy saingy nahatsapa ho tsy nahafehy tena sy very aho, ka na ny nizara ny zavatra niainako mba hahazoana fanampiana aza tsy haiko.

Soa ihany fa eo foana ny Tompo mba hitarika antsika rehefa mitodika any Aminy isika. Rehefa avy nisaintsaina sy nivavaka aho dia nisy nanosika ahy hisokatra amin’ny anadahiko sy ny vadiny. Nampian’izy ireo aho hahatsapa fa tsy “adala” toy ny fieritreretako azy ary mety miseho amin’ny olona rehetra ny olana ara-pihetsehampo.

Nijoro ho vavolombelona mikasika an’io fahamarinana io ny Rahavavy Reyna I. Aburto, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany: “Ry namako malala, mety mitranga amintsika rehetra izany, indrindra rehefa mametraka vesatra tsy ilaina eo amintsika isika, amin’ny maha-mpino ny drafitry ny fahasambarana antsika, ka mieritreritra fa mila lavorary izao dia izao isika. Mety hampaosa ny eritreritra toy izany. Mifono dingana arahina ny fanatratrarana ny fahalavorariana izay hiseho mandritra ny fiainantsika eto an-tany sy any ankoatra ary amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy irery ihany.”1

Fampianarana nentanim-panahy

Rehefa nivavaka mba hahazo fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra aho, dia nahatsapa fa nila nampiasa ireo loharanom-panampiana natolony ho antsika aho ary nila nianatra sy niova tanteraka aho. Tena isaorana fa tamin’izany fotoana izany dia nanana fahafahana nanatrika ilay fampianarana momba ny fahaiza-miarina eo amin’ny ara-pihetsehampo atolotry ny Fiangonana aho. Toa tonga tsotra izao tamin’ny fotoana nilana azy izany fahafahana mianatra izany ary tsy mino aho hoe fifanojoan-javatra izany.

Faritana toy izao manaraka izao ny atao hoe fahaiza-miarina eo amin’ny ara-pihetsehampo ao anatin’ilay boky fampianarana:

  • “Fahaizana miatrika ireo olana ara-pihetsehampo amin-kerimpo sy amin’ny finoana izay mifantoka amin’i Jesoa Kristy.

  • “Fanampiana ny tenanao sy ny hafa araka izay vitanao.

  • “Fitadiavana fanampiana fanampiny rehefa ilaina izany.”2

Amin’ny teny hafa dia zavatra ilaintsika rehetra ny fahaiza-miarina eo amin’ny ara-pihetsehampo.

Ho ahy ity fampianarana nentanim-panahy ity dia mari-pamantarana mazava fa mahafantatra ireo fitsapana atrehintsika amin’izao fotoana izao amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra. Maniry ny hanana fahafahana hanampy antsika mba handroso hatrany eo amin’ny lalana mitondra miverina mankany Aminy Izy. Ny fahitana ireo lafin-javatra tena tsara maro tao anatin’io fampianarana io dia nanampy ahy hahatsapa tsotra izao fa mahafantatra lalina antsika tsirairay avy sy ny zavatra ilaintsika manokana ny Ray any An-danitra ary tonga dia nahatsapa fiadanana aho rehefa nanomboka nianatra. Io fampianarana io dia mampianatra fahamarinana mandrakizay mazava sy mafonja izay azo ampiharina eo amin’ny fiainantsika rehefa miatrika tsy fahasalamana ara-tsaina, na izany mahazo ny tenantsika na mahazo ny olona iray tiantsika.

Ny iray amin’ireo fampianarana izay tena nanaitra ahy dia hita ao amin’ny toko 9, “Providing Strength to Others (Manolotra hery ho an’ny hafa).” Io toko io dia nanampy ahy hitady fanampiana bebe kokoa tamin’ny farany. Mampianatra ny fitsipiky ny fifanompoana izany. Nianatra ny maha-zava-dehibe ny fanompoana ny hafa aho amin’ny alalan’ny fanomezana lanja ny zavatra tsapan’izy ireo, sy ny fihetsehampon’izy ireo ary ny hevitr’izy ireo sy ny fanoloran-tanana miaraka amin’ny fanehoana fifandraisam-po sy fahatakarana an-tsaina. Tsapako koa fa nila natoky ny hafa mba hanampy ahy aho tao anatin’ilay tolona natrehako.

Rehefa afaka nampihatra ireo hevitra ireo sy niresaka malalaka tamin’ny fianakaviako sy ny namako mikasika ilay tsy fahasalamana ara-tsaina nianjady tamiko aho, dia gaga satria tena feno fangorahana sy tsy nitsaratsara izy ireo. Nahazo fanohanana be dia be avy amin’izy ireo aho.

Nahatsapa aho fa ho nihombo sy niharatsy ilay tebitebiko raha toa ka tsy nozaraiko tamin’ireo olona akaikin’ny foko ireo olako. Ary io zavatra niainana io dia nanampy ahy hanolo-tanana sy haneho fifandraisam-po amin’ny hafa eo anatrehan’ireo ahiahin’izy ireo sy ny olan’izy ireo koa.

Afaka miatrika ny hoavy amim-panantenana isika

Hitako hoe nampihomehy ilay rehefa niverina avy nanao asa fitoriana aho ka dia tena niahiahy ny hamoy ilay “fivoarana ara-panahy” izay azoko nandritra ny asa fitoriana nataoko, satria tsapako amin’izao fotoana izao fa ny fiverenana mody dia fiantombohan’ny toko iray vaovao ihany izay ahafahako mahita fomba vaovao hampahalalim-paka ny finoako.

Tena nitombo sy nihalalina ny fifandraisako manokana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hatramin’izay nodiako izay, indrindra noho ireo fitsipika nianarako tao anatin’ity fampianarana momba ny fahaiza-miarina ara-pihetsehampo ity sy tamin’ny alalan’ny fianteherana amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy mba hahazo fanampiana. Tsapa kokoa ho tena misy sy manatrika Izy ireo eo amin’ny fiainako andavanandro.

Nianatra sy nanaiky aho fa amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra dia miovaova sy mianatra ary mivoatra tsy tapaka isika. Kanefa eo anatrehan’ireo fiovaovan’ny fiainantsika ireo, ny Ray any An-danitra kosa dia tsy miova. Tsy niandrandra ny hahalavorary ahy Izy nandritra ny asa fitoriana nataoko ary tsy miandrandra izany izy amin’izao fotoana izao. Tiany tsotra fotsiny aho, ary tiany mba hiezaka hatrany hanakaiky Azy sy hanao izay vitako eo amin’ilay diako miverina any Aminy.

Ankehitriny, tsy hoe nanaraka ilay fampianarana momba ny fahaiza-miarina eo amin’ny ara-pihetsehampo akory aho dia midika fa tsy tratran’ny fitebitebena na tahotra tampoka na fahatsapana fikorontanan-tsaina noho ny fahatahorana ny hoavy intsony. Mbola tratran’izany aho indraindray. Saingy fantatro amin’izao fotoana izao ny fisehon’ireo zavatra ireo ary efa nianarako ny momba ireo fomba izay hanampy ahy hiatrika azy ireo amin’ny fomba mahasalama kokoa, izay manatsara ny endriky ny fiainako isan’andro.

Farany, io fampianarana io dia nampianatra ahy ny fiatrehana ny fomba fiasan’ny vatan’olombelona ao anatin’ireo fotoana izay hiainako fitebitebena sy olana. Nampianatra ahy izany mba hanana faharetana sy fangorahana ho an’ny tenako sy ny tsy fahalavorariako. Ary nahazo fahatakarana ny fomba fahitan’ Andriamanitra ahy aho sy tsy nihorohoro intsony mahasika ireo zava-tsy fantatra fonosin’ny hoavy.

Tamin’ny alalan’ny fanampian’ny matihanina sy ny avy an-danitra, dia lasa nahafantatra aho fa manana ireo fitaovana ilaina isika mba hahafantarana ny fomba “[hihetsehana] … fa tsy hetsehin’ireo” (2 Nefia 2:26) fihetsehampontsika sy ireo zavatra tsapatsika eo am-panohizantsika ny fandrosoantsika mankany amin’i Kristy.

Fanamarihana

  1. Reyna I. Aburto, “Na inona re miseho, mitoera eto!,” Liahona, nôv. 2019, 58.

  2. Finding Strength in the Lord: Emotional Resilience (2021), 8, ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy