2022
Ilay ondana teo amin’ny tany
Janoary/Febroary 2022


Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ilay ondana teo amin’ny tany

Tsy nampaninona ahy ny nanampy ny reniko nanao ny raharahany ao an-trano, saingy nahoana aho no nahita foana ondana teo amin’ny tany?

Sary
cushion

Nandritra ny taona maro dia nitsidika ny tranon’ny reniko aho mba hanampy azy amin’ny raharaha fanaony ao an-trano. 80 taona izy ary mpikambana mahatoky ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro farany.

Nipetra-drery ny reniko hatramin’ny nahafatesan’ny raiko. Ny fahafinaretany lehibe indrindra dia ny mitsidika ny tokantrano tsirairain’ny zanany anankitelo, sy manokana fotoana iarahana amin’izy ireo sy ny zafikeliny ary mahandro sakafo izay mitondra fifaliana.

Isaky ny mankany an-tranon’ny reniko aho mba hanadio izany sy manao izay handaminana ny zavatra rehetra, dia mahita ondana efa tonta eo amin’ny tany aho. Alaiko foana izany ary apetrako eo amin’ny sezabe sady mimonomonona amin’ny tenako mikasika ny tsirambina ataon’ny reniko.

Rehefa miverina mankany indray aho sy manampy ny reniko, dia hitako eo amin’ny tany indray ilay ondana. Tsy nilaza na inona na inona velively mikasika an’ilay ondana tamin’ny reniko aho, saingy indray maraina dia fantatro ny antony mahatonga izany ho eo amin’ny tany foana.

Nila faritra malemilemy mba handohalihana sy hivavahana ny reniko. Vehivavy efa antitra izy, saingy ilay finoana tsy voahozongozona nananany dia nitarika azy handohalika hivavaka isan’andro. Nivavaka ho an’ny zanany sy ny zafikeliny izy. Nivavaka ho an’ny namany izy. Nivavaka ho an’ireo izay tena sahirana izy. Ary nivavaka ho an’ireo olona notiaviny foana izy sy ireo mbola nokarakarainy tamim-pahalalahan-tanana na dia efa antitra aza izy.

Ankehitriny dia tsy mimonomonona amin’ny tenako intsony aho rehefa mahita ilay ondana eo amin’ny tany. Indraindray aza aho mandohalika eo amin’ilay faritra malemilemin’ilay ondana mba hivavaka amin’ny Ray any An-danitra sy haneho fankasitrahana noho ny finoana sy ny ohatra asehon’ny reniko.

Hamoaka printy