2022
Manao izay hampanan-danja ny fanompoana
Janoary/Febroary 2022


Fitsipika momba ny fanompoana

Manao izay hampanan-danja ny fanompoana

Raha manontany tena ianao hoe manan-danja ve ny fanampoana ataonao, dia diniho ireto hevitra manaraka ireto.

Sary
woman hugging a young woman in a wheelchair

Mora ny manontany tena raha toa ka mitondra fiovana ny fanompoana ataontsika, indrindra rehefa miatrika ny olantsika manokana isika.

Talohan’ny fotoana mbola tsy niainako ilay tsy maintsy hipetrahako amin’ny sezabe misy kodia, dia tiako ery ny mahita ilay fanindri-taratasy alefa mandehandeha ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Matetika aho no nanoratra anarana mba hanao asa fanompoana. Fomba iray nanehoako ny fahavononako “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay” izany (Môzià 18:8).

Tsy fahadisoan’ilay fanindri-taratasy akory raha toa ka tsy afaka nanoratra intsony ny anarako aho. Raha ny marina dia tsy afaka nanoratra ny anarako mihitsy aho. Noho ny kilemam-batana nahazo ahy, dia na ilay fanindri-taratasy aza tsy vitako ny nihazona azy. Tsy nisy niandrandra ny hanoratako ny anarako ao anatin’izany. Kanefa tena naniry mafy ny hanao izany tokoa aho! Voahodidin’ny fitiavan’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny asa fanompoana ary mampifandray antsika amin’ny hafa izany. Tena nilaiko mafy izany fahatsapana fifandraisana amin’ny hafa izany.

Noho ny filako olona mba hikarakara ahy dia toa tsy dia nanan-danja ny asa fanompoana hataoko raha oharina amin’ny ezaka takina amin’ny olona hafa mba hanampy ahy. Io fanindri-taratasy io dia lasa mpampahatsiahy ahy ny zavatra tsy azoko natao intsony mandra-pahitan’ilay rahavavy mpanompo ahy ny faniriako hanompo.

Nanontaniany ahy ny zavatra tiako hatao mba hanompoana, fa tsy izay zavatra ilaina atao amin’ny tenako fotsiny. Dia nosoratany tao amin’ilay fanindri-taratasy ny anarako. Tonga tao an-tranoko izy ary nanampy ahy hikarakara ireo sakafo nanolorako tena mba hokarakaraina ho an’ny hafa. Tsy mba nilaza velively izy hoe ny tenako no tena mila fanampiana ka tsy tokony hiezaka hanampy ny hafa aho. Nahafinaritra azy ny nanokana fotoana niarahana tamiko.

Farany dia tsapako fa nisy fiantraikany ny ezaka nataoko. Afaka nanao zavatra aho niaraka tamin’ny fanampian’ilay rahavavy mpanompo ahy. Na nisy dikany na tsy nisy dikany ho an’ny hafa izany zavatra nataoko izany, dia nitondra fiovana izany ho ahy. Na dia tsy nitondra tombontsoa mivantana ho an’ny fianakaviako na nanasitrana ny vatako aza izany, dia nanampy tamin’ny fanasitranana ny foko izany.

EmRee Pugmire

Utah, Etazonia

Manana mihoatra ny fahaiza-manao ilaina ianao noho ny fanampiany

Sary
the Old Testament prophet Enoch and people from the city of Zion

City of Zion Translated (Tanànan’i Ziona nalaina ho any an-danitra), nataon’i Del Parson; sarina loupe (fitara-mamily) avy amin’ny Getty Images

Zava-miseho mahazatra ny fahatsapana ho tsy ampy fahaiza-manao eo amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo. Nahatsapa izany koa ny mpaminany Enoka. Rehefa nodidin’ny Tompo izy mba hiantso ny olona hibebaka, dia niahiahy izy satria “mbola zatovolahy … ary mankahala ahy ny vahoaka rehetra; fa miadam-piteny aho” (Mosesy 6:31).

Nampanantena anefa ny Tompo fa hiaraka amin’i Enoka Izy ary ho eo aminy ny Fanahy ary “ny teninao rehetra dia hohamariniko; … koa,” hoy izy nanasa, “miaraha-mandeha Amiko” (Mosesy 6:34).

Nankatò ny zavatra nandidian’ny Tompo azy i Enoka, ary lasa hery mitarika lehibe teo anivon’ny olona izy, tsy hoe noho ny heriny manokana fa noho “ny herin’ny fiteny izay efa nome-n’ Andriamanitra azy” (Mosesy 7:13).

Fitsipika hodinihina

Raha manontany tena ianao hoe manan-danja ve ny fanampoana ataonao, dia diniho ireto fitsipika ireto:

  1. Ny fahatakarana ny fanompoana sy ny tanjony dia hanampy antsika handanjalanja ny ezaka ataontsika araka ny tokony ho izy kokoa.

    • Ny fanompoana mifono zavatra mihoatra noho ny fanamafisana orina kokoa ny fifandraisana. Fanampiana ny hafa hanamafy orina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Mpamonjy no votoatin’izany.1

    • Ny fanompoana dia tsy asa iandraiketina fotsiny fa fomba fiainantsika mifanaraka amin’ilay fanekempihavanana nataontsika mba hanompo Azy amin’ny alalan’ny fifampikarakarana.

    • Ny fanompoana dia tsy manaraka lamina iray narafitra mialoha. Manosika antsika hivelatra izany rehefa manao izay hiatrehana ny toe-java-mitranga isika sy mikatsaka fitaomam-panahy mba hanompo toy ny ho nanompoan’ny Mpamonjy.

  2. Ny fahatakarana ny fomba fahitan’ Andriamanitra ny fanompoana ataontsika dia afaka manova ny fomba fijerintsika.

Inona no azontsika atao?

Diniho ombam-bavaka ny zavatra azonao atao toy izay hiahiahy mikasika ny zavatra izay eritretinao fa tsy vitanao. Dia manaova asa avy eo. Rehefa manao asa amin’ny anaran’ny Tompo ianao, dia afaka mampisongadina ireo ezaka ataonao Izy ary mampiasa izany mba hitahiana anao sy ny hafa (jereo ny 2 Nefia 32:9).

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Manompo amin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 69–70.

  2. Mba hahafantarana kokoa ny momba an’i Oliver Granger sy ny fomba handrefesan’ Andriamanitra ny fahombiazantsika dia vakio ny Boyd K. Packer, “The Least of These,” Liahona, nôv. 2004, 86–88.

  3. Henry B. Eyring, “Rise to Your Call,” Liahona, Nov. 2002, 77.

Hamoaka printy