2022
Iza moa i Enoka?
Janoary/Febroary 2022


Avia, hanaraka Ahy

Iza moa i Enoka?

Mosesy 6–7

Sary
Enoch’s family tree

Sary nataon’i Denis Freitas

Ity rafi-tetiarana ity dia ahitana lehilahy anankiroa antsoina hoe Enoka ao amin’ny taranak’i Adama sy i Eva. I Enoka zanak’i Kaina, zafikelin’i Adama (jereo ny Mosesy 5), dia tsy mitovy amin’i Enoka zanakalahin’i Jareda izay tany amin’ny taranaka fahaenina niainga avy eo amin’i Adama ary nanorina an’i Ziona (jereo ny Mosesy 6–7).

Ahoana no fomba niatrehan’ny mpaminany Enoka ny antsony?

Sary
image of the prophet Enoch

Rehefa nantsoina mba hitory fibebahana i Enoka, dia nahatsapa ho tsy ampy fahaiza-manao ary nilaza tamin’ny Tompo fa “miadam-piteny” (Mosesy 6:31). Saingy nomen’ Andriamanitra hery i Enoka ary nampanantenainy hoe: “Sokafy ny vavanao dia hofenoina izany ary homeko izay holazainao” (Mosesy 6:32). Maro no nino ny teniny ary nanorina ny tanànan’i Ziona i Enoka.

Raha namerina niresaka momba ny ohatra nasehon’i Enoka ny Loholona David A. Bednar, dia nanome toky an’ireo izay mahatsapa fikorontanan-tsaina na tsy fananana fahaiza-manao eo anatrehan’ny antso na andraikitra iray izy fa “ilay fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’i Enoka dia mbola mihatra … amin’izao fotoana izao” (“In the Strength of the Lord,” general conference, Oct. 2004).

Hamoaka printy