2022
Ireo fitahiana avy amin’ny fandalinana ny Testamenta Taloha
Janoary/Febroary 2022


Avia, hanaraka Ahy

Ireo fitahiana avy amin’ny fandalinana ny Testamenta Taloha

Rehefa mamaky ireo toko sy andininy ao amin’ity bokin-tsoratra masina fahiny ity isika dia hahazo tanjaka ara-panahy.

Sary
Jesus Christ with stars in background

Tena lalim-paka ireo fampanantenan’ny Filoha Nelson ireo ary marina izy ireo.

Christ and the Creation (I Kristy sy ny Fahariana), nataon’i Robert T. Barrett

Tonga soa ato amin’ny fandalinana ny Testamenta Taloha ho an’ny taona 2022 miaraka amin’ny loharanom-pitaovana Avia, hanaraka Ahy izay ho mpitarika! Ny Testamenta Taloha dia bokin-tsoratra masina izay narovan’ny tanan’ Andriamanitra mba hovakintsika sy hosaintsainintsika. Afaka ny ho fitahiana sy ho mpitarika antsika izany amin’izao andro farany izao.

Ny Testamenta Taloha dia manolotra antsika fampisehoana mivelatra mikasika ny finoana sy ny fahafoizantena nandritra ny 3.500 taona nanomboka tamin’ny 4.000 talohan’i J.K. ka hatramin’ny 500 talohan’i J.K. teo ho eo. Misy boky miisa 39 ao amin’ny Testamenta Taloha. Mitantara ireo zava-niseho nandritra ny fotoampitantanana efatra, dia ny fotoampitantanan’i Adama, i Enoka, i Noa, ary i Abrahama ny Genesisy. Ny boky miisa 38 ambiny, manomboka eo amin’ny Eksodosy ka hatrany amin’ny Malakia dia natokana ho an’ny fotoampitantanan’i Mosesy.

Rehefa mamaky ny Testamenta Taloha isika dia lasa hahafantatra kokoa ireo mpaminaniny sy ireo fampianarany. Nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo. Naminany mikasika ny Mesia izy ireo ary niandrandra ny fahatongavany. Notehirizina mba ho an’izao androntsika izao ireo fampianarana nentanim-panahy ao anatiny.

Rehefa mamaky ireo toko sy andininy ao amin’ny Testamenta Taloha isika dia hahazo tanjaka ara-panahy. Hisarika ny saina any amina andinin-tsoratra masina manokana ny Fanahy Masina izay ho hery ho antsika eo am-piandrandrantsika ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Fanontaniana tena tsara iray

Te hizara tantara iray momba ny fomba nitarihan’ny andinin-tsoratra masina iray monja avy tao amin’ny Testamenta Taloha ahy nandritra ny fiainako aho.

17 taona aho tamin’ny 1974. Nankafy ny fiainana aho tamin’izany tao amin’ilay kilasy mialoha ny kilasy famaranana tany amin’ny lisea. Niandrandra ny hanaovako asa fitoriana aho. Namaky hafatra mafonja avy amin’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) aho tao anatin’ny gazetiboky Ensign volana ôktôbra 1974, izay mitondra ny lohateny hoe “Rehefa hiova fo izao tontolo izao.”1 Novakiko imbetsaka izany nanomboka tamin’izay. Manentana ny fanahiko izany hatramin’ny andro androany.

Nanolotra fijery mivelatra maneran-tany mikasika ny fivoaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ao anatin’ity fotoampitantanana ity ny Filoha Kimball. Nampianatra ny fahafahantsika sy ny andraikitsika hitondra ny filazantsara any amin’izao tontolo izao izy. Nindrana andininy iray avy ao amin’ny bokin’ny Genesisy ny Filoha Kimball. Nanentana ny fanahiko izany ary mbola manohy manentana ny fanahiko mandritra ny fiainako: “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?” (Genesisy 18:14, izay nalamina mba hohalalinina amin’ny volana febroary).

Sary
Abraham praying

Abraham on the Plains of Mamre (I Abrahama teo an-kazo terebintan’i Mamre), nataon’i Grant Romney Clawson; sarina misiônera nalain’i Alicia Cerva; sarin’ny tany avy amin’ny Getty Images

Naverin’ny Filoha Kimball notantaraina ny tantaran’i Abrahama sy i Saraha. Nihomehy i Saraha teo anatrehan’ilay fampanantenan’ny Tompo fa hanan-janaka lahy izy sy i Abrahama. Tsy nanan-janaka izy ireo. 90 taona ny iray ary 100 taona ny iray tamin’izany fotoana izany. Tena efa faran’izay lavitra an’ireo taona ahafahana mahazo zaza izy ireo.

“Ary hoy Jehovah tamin’i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha … ?”

“Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va? Amin’ny fotoan’andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy” (Genesisy 18:13–14).

Nampihatra finoana i Abrahama sy i Saraha. Nitana ny fampanantenany ny Tompo. Teraka i Isaka. Lasa rain’ny firenena rehetra i Abrahama.

Hery hiatrehana ireo olana

“Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?” Nampahery ahy io soratra masina ao amin’ny Testamenta Taloha io rehefa niatrika ireo olana na ahiahy teo amin’ny fiainana aho:

  • Tamin’izaho misiônera vaovao ka nahatsapa ho nikorontan-tsaina. “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?”

  • Taorian’ny nanaovako asa fitoriana, rehefa nikasa ny hivady izaho sy i Anne Marie ka niasa saina mikasika ny fomba hividianana sakafo sy handoavana ny hofan-trano sy ny saram-pianarana. “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?”

  • Fony mpivady vao, dia niteraka ary nahatsapa ireo vola tsy maintsy ilaina teo amin’ny fiainana. “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?”

  • Niatrika ireo fanamby teo anatrehan’ny fianarana tany amin’ny ambaratongam-pianarana fahatelo tany amin’ny oniversite, ny fitomboan’ny olona ao amin’ny fianakaviana ary ny fanombohana hanao ilay asa nofidina. “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?”

  • Fony aho filohan’ny misiôna tany amin’ny Misiônan’i Barcelone Espagne, dia nampiasainay foana io soratra masina io rehefa nampianatra ny misiônera. “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?” Ireo taratasy nalefanay ho an’ny misiôneranay dia matetika nahitana an’ilay soratra masina hoe “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?”

Fototra iray miorina eo amin’ny soratra masina

Sary
reproduction of stone tablets with Ten Commandments

Moses Parting the Red Sea (I Abrahama nanasaraka ny Ranomasina Mena), nataon’i Robert T. Barrett; Adam and Eve in the Garden (I Adama sy i Eva tao amin’ny saha), nataon’i Lowell Bruce Bennett; fandikana ny sarin’ireo takela-bato avy amin’ny Getty Images; sarin’ny Tempolin’i San Diego Californie nalain’i Monica Georgina Alvarado Zarate

Io andinin-tsoratra masina io dia iray amin’ireo ohatrana andinin-tsoratra masina manentana ny fanahy maro ihany izay hita ao amin’ny soratra masina. Azoko antoka fa misy maro izay efa nanentana ny fanahinao. Rehefa mamaky amim-pifantohana sy ombam-bavaka ny Testamenta Taloha isika amin’ity taona ity, dia hisarika ny saintsika any amin’ireo andinin-tsoratra masina manokana fanampiny izay hanamafy orina ny fiovam-pontsika ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ny Fanahy Masina.

Ny Testamenta Taloha dia ahitana fotopampianarana sy fitsipika izay tsy voafetram-potoana ny lanjany. Ahitana faminaniana izay mbola ho tanterahina izany. Mampianatra antsika ny toerana niaviantsika izany. Ary mampianatra antsika mikasika ny fanekempihavanan’i Abrahama izay mbola manan-kery hatramin’izao izany.

Ny Testamenta Taloha dia manolotra fototra iorenana iray ho an’ireo soratra masintsika hafa. Rehefa takatsika kokoa ny Testamenta Taloha dia ho lehibe kokoa ny fahatakarantsika ireo bokin-tsoratra masina hafa satria hita ao amin’ireo bokin-tsoratra masina hafa ireo fampianarany:

  • Nampianatra tamin’ny alalan’ny fampiasana soratra masina avy ao amin’ny Testamenta Taloha ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoana nataony.

  • Nitondra ireo takela-barahina izay ahitana ireo soratra masina avy ao amin’ny Testamenta Taloha i Lehia sy ny fianakaviany.

  • Nampianatra an’i Jakôba tamin’ny alalan’ny fampiasana teny avy ao amin’ny Isaia ao amin’ny Testamenta Taloha i Nefia.

  • Nampiasa teny avy ao amin’ny Isaia sy Malakia ao amin’ny Testamenta Taloha i Jesoa Kristy nandritra ny fitsidihany ireo Nefita taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Sary
beings appearing to Joseph Smith and Oliver Cowdery in Kirtland Temple

Vision in the Kirtland Temple (Fahitana tao amin’ny Tempolin’i Kirtland), nataon’i Gary Smith; Ny Fiaviana Fanindroany, nataon’i Harry Anderson

Ireo mpaminany sy ireo fampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha dia tena manan-danja ao anatin’ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’izao androntsika izao:

  • Nampiasa teny avy ao amin’ny Malakia i Môrônia nandritra ireo famangiany voalohany ny Mpaminany Joseph Smith.

  • Ahitana ny bokin’i Abrahama sy ny bokin’i Mosesy ny Voahangy Lafo Vidy.

  • Nanankinan’i Mosesy sy i Elià ary i Elia ny fanalahidin’ny fisoranan’izy ireo ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny Tempolin’i Kirtland.

Inona no tanjonao?

Rehefa mamaky ireo boky ao amin’ny Testamenta Taloha isika dia tokony handinika fa ireo boky dia nosafidina sy nohamafisina ary nalamina tamin’ny fomba iray manokana noho ny antony ara-teôlôjia. Afaka manontany tena tsara isika hoe “Nahoana no nampidirina ao anatin’izany io fampahalalana io ary inona no tanjona hanaovana izany?”

Raha misy ampahany ao amin’ny Testamenta Taloha izay somary sarotra takarina, dia tokony hotsaroantsika fa ahitana harena izay tokony horaharahiantsika izany. Nampianatra i Joseph Smith hoe “Mino ny Baiboly ho tenin’ Andriamanitra isika araka ny mahamarina ny dikanteny” (Fanekem-pinoana 1:8). Azo antoka fa voatahy isika amin’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra!

Mety hanampy ny fandalinantsika ny Testamenta Taloha ny fitadiavana ireo foto-kevitra sy hevi-baovao. Tokony hitady fomba hahatakarana kokoa fa ilay Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha dia ilay Andriamanitra ao Testamenta Vaovao isika. I Jehovah dia i Jesoa Kristy. Ahoana no fomba hanampian’ny Testamenta Taloha antsika mba hahafantatra kokoa ny Mpamonjy antsika?

Tafiditra ao anatin’ireo foto-kevitra lehibe hafa hitako ao amin’ny Testamenta Taloha ny momba ny fanekempihavanana, ny fahamasinana, ireo mpaminany velona, ny fanaovana sorona sy ny fankatoavana, ny finoana sy ny fibebahana, ny fiderana ny Tompo ary ny fahefan’ Andriamantra mandidy manapaka.

Rehefa manao fandalinana isika dia tokony hotsaroantsika fa ny fanambarana amin’ny andro farany dia manolotra antsika fahatakarana feno kokoa ny Testamenta Taloha. Ohatra, noho ny fanambarana maoderina dia fantatsika fa ireo mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha dia nihazona ny Fisoronana Melkizedeka ary ireo mpaminany tao anatin’ireo fotoampitantanana tany aloha dia nahafantatra sy nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Fampanantenan’ny mpaminany iray

Mbola voatahy indray isika ao anatin’ity fotoampitantanana ity noho ny fahafantarana fa manolotra fampianarana sy torohevitra nentanim-panahy ireo mpaminany sy apôstôly.

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no nampahafantatra voalohany ny Avia, Hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2018.2 Fitahiana lehibe ho antsika rehetra io loharanom-pitaovana io. Izay telo taona lasa izay dia nanolotra ahy traikefa tena lalina sy manan-danja mikasika ny fandalinana ny soratra masina teo amin’ny fiainako. Azoko antoka fa hitovy ireo fitahiana ho azontsika tsirairay ao anatin’ny taona 2022.

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson fa rehefa ovaintsika ho ivon-toeran’ny finoana sy fianarana ny filazantsara ny tokantranontsika dia hahazo fitahiana efatra miavaka tsara isika.

  1. “Ho tena fahafinaretana ny andro Sabatanareo rehefa mandeha ny fotoana.

  2. “Hazoto hianatra sy hiaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy ny zanakareo.”

  3. “Hihena ny fitaoman’ilay fahavalo eo amin’ny fiainanareo sy any an-tokantranonareo.”

  4. “Ho lehibe sy hampahery ireo fiovana ao amin’ny fianakavianareo.”3

Tena lalim-paka ireo fampanantenan’ny Filoha Nelson ireo ary marina izy ireo. Tena misy ireo fitahiana ireo ary hitohy hisy ao anatin’ny taona 2022 rehefa mandalina ny Testamenta Taloha sy mianatra izany isika.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Spencer W. Kimball, “When the World Will Be Converted,” Ensign, October 1974, 2–14.

  2. Jereo ny Quentin L. Cook, “Fiovam-po lalina sy maharitra ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo,” Liahona, nôv. 2018, 8–12.

  3. Russell M. Nelson, “Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 113.

Hamoaka printy