2022
Ampahany ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra ny Fahalavoana
Janoary/Febroary 2022


Ireo fototry ny filazantsara

Ampahany ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra ny Fahalavoana

Noho ny Fahalavoana dia nanana fahafahana ny ho tonga ety an-tany isika ary afaka ny hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra indray andro any.

Sary
Adam and Eve holding their infant child

Adam and Eve in the Garden of Eden (I Adam sy i Eva tao amin’ny Sahan’i Edena), nataon’i Robert T. Barrett; Adam and Eve Cast Out of the Garden ( I Adama sy i Eva voaroaka tao amin’ny Sahan’i Edena), nataon’i Gary L. Kapp, tsy azo adika; Adam and Eve (I Adama sy i Eva), nataon’i Jay Bryant Ward; The Resurrection (Ny Fitsanganana amin’ny maty), nataon’i Harry Anderson

Nandidy an’i Adama sy i Eva Andriamanitra tao amin’ny Sahan’i Edena mba tsy hihinana ny voan’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nilaza tamin’izy ireo Izy avy eo hoe: “Mahazo mifidy ho an’ny tenanao ianao, … saingy tsarovy fa mandrara izany Aho” (Mosesy 3:17). Nalain’i Satana fanahy i Eva hihinana ny voan’ilay hazo. Hoy izy taminy: “Ho toy ireo andriamanitra ianareo, mahafantatra ny tsara sy ny ratsy” (Mosesy 4:11). Nihinana ilay voa izy ary nozarainy tamin’i Adama izany. Noroahin’ Andriamanitra hiala ny Sahan’i Edena izy ireo.

Ny Fahalavoana

Sary
Adam and Eve leaving the Garden of Eden

Hazavao fa rehefa nandao ny Sahan’ i Edena i Adama sy i Eva dia tsy teo anatrehan’ Andriamanitra intsony izy ireo. Fahafatesana ara-panahy no iantsoana io fisarahana amin’ Andriamanitra io. Ny fialana tao amin’ilay saha koa dia nidika hoe lasa olombelona mety maty i Adama sy i Eva. Na dia tsy teo anatrehan’ Andriamanitra intsony aza i Adama sy i Eva dia nanana fifaliana sy fanantenana izy ireo rehefa nahita fa afaka mivoatra (jereo ny Mosesy 5:10–11). “Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana” (2 Nefia 2:25).

Fotoam-pisedrana

Rehefa teraka isika dia miaina lavitra an’ Andriamanitra toa an’i Adama sy i Eva taorian’ny Fahalavoana. Alain’i Satana fanahy isika mba hanao safidy ratsy. Ireo fakam-panahy ireo dia manome fahafahana antsika mba hosedraina sy hisafidy ny tsara na ny ratsy (jereo ny Almà 12:24). Isaky ny manota ary tsy mibebaka isika dia mihalavitra hatrany ny Ray any An-danitra. Saingy rehefa mibebaka isika dia mihamanakaiky kokoa ny Raintsika any An-danitra.

Fahafatesan’ny vatana

Nohariana ho antsika ny tany (jereo ny 1 Nefia 17:36). Ny Fahalavoana dia nanome fahafahana an’i Adama sy i Eva mba hanatanteraka ilay didin’ Andriamanitra mba hiteraka ka nanome fahafahana antsika mba ho tonga eto an-tany ao anatin’ny vatana iray. Ho faty ny vatantsika indray andro any saingy hanohy hiaina kosa ny fanahintsika. Hitambatra indray ny vatantsika sy ny fanahintsika rehefa hitsangana amin’ny maty isika.

Voavonjy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Sary
The resurrected Jesus Christ appearing to Mary Magdalene at the empty tomb

Amin’ny alalan’ny sorona fanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka mandresy ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy isika. Noho i Kristy nitsangana tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty sy ho velona mandrakizay ny olona rehetra teraka eto amin’ity tany ity. Ary noho i Kristy nijaly noho ny fahotantsika dia afaka mibebaka sy ho voavela isika mba hahafahantsika miaraka miaina indray amin’ny Raintsika any An-danitra.

Hamoaka printy