2022
Ireo fiandohana sy ny Testamenta Taloha
Janoary/Febroary 2022


Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Ireo fiandohana sy ny Testamenta Taloha

Sary
Jesus Christ with stars in background

Christ and the Creation (I Kristy sy ny Fahariana), nataon’i Robert T. Barrett

Manomboka izao ny taona vaovao, izay toa fotoana mety indrindra mba hieritreretana ireo fiandohana.

Amin’ity taona ity, ny Testamenta Taloha sy ny Voahangy Lafo Vidy dia hitondra antsika hitety ny sasany amin’ireo fiandohana tena manan-danja sy mahatalanjona fantatry ny olombelona.

Afaka mahafantatra tsara kokoa an’i Jesoa Kristy izay niaraka tamin’ny Ray “tany am-piandohana” (Abrahama 4:1) isika. Afaka mamaky ny momba ny Fahariana an’izao tontolo izao sy ny fiandohan’ny fiainana an-tany isika. Afaka mianatra mikasika ireo fiandohan’ny fibebahana, ireo fianakaviana, sy ireo didy ary ny fitsaohana any amin’ny tempoly isika eto an-tany. Afaka mandalina ny fiandohan’ireo fanekempihavanana masina isika izay manohy mamolavola ny fiainantsika amin’izao fotoana izao.

Ary raha tsy mbola nitia ny Testamenta Taloha isika, dia izao no vanim-potoana vaovao hanaovana fandalinana sy famakafakana. Ao amin’ny pejy 20 dia misy fizarana fahamarinana vitsivitsy izay nanampy ahy hahatsapa fientanentanana kokoa mikasika an’io bokin-tsoratra masina io sy hijery ireo fampianarana ao anatiny miaraka amin’ny hery sy tanjona nohavaozina. Ao amin’ny pejy 26, ny Filoha Mark L. Pace, Filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany, dia maneho ireo fitahiana mahery vaika azontsika raisina raha vonona ny hamaky “amim-pifantohana sy ombam-bavaka” isika.

Ankoatra ireo zavatra rehetra ireo dia aoka hotsaroansika fa misy ny fiainana ahitana fiandohan-javatra vaovao maro noho i Jesoa Kristy. Ao amin’ny lahatsoratry ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny pejy 6, dia mijoro ho vavolombelona izy fa “mbola misy ny fanantenana” satria miandry antsika miaraka amin’ny sandriny mivelatra ny Mpamonjy antsika. Afaka manohy ilay dia masina natombok’ireo razambentsika fahiny taona maro dia maro lasa isika amin’ny alalan’ny famindrampony.

Manantena aho fa ho taona feno fiandohana mahatalanjona ho antsika tsirairay ity taona ity!

Marissa Widdison

Mpanampy ny mpitantana ny fanoratana, Application Gospel Living

Sary
view of the earth from space

“Izaho no Fiandohana sy Fiafarana, Andriamanitra Tsitoha; tamin’ny alalan’ny Lahitokako no nohariako ireo zavatra ireo; eny, tany am-piandohana no nohariako ny lanitra sy ny tany izay ijoroanao eo amboniny.”

SARY AVY AMIN’NY ADOBE STOCK

Hamoaka printy